Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady III mialoha ny Paska 23-28 Marsa 2020 « Ny fanekem-panavotana mandrakizay » *

Ny hafatra: Ny hevi-dehibe fonosin’ny hoe ”fanekem-panavotana” dia ny hahatanteraka fanavotana mandrakizay, izay omen’Andriamanitra ny olona mba hitomoerany tsara ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ka tsy hahavery azy. Fa raha ny olona mety mivadika amin’ny teniny sy ny zavatra nekeny, Andriamanitra kosa dia mitoetra amin’izay nolazainy sy nekeny, araka ny voasoratra hoe: ”Fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany”  2 Tim.2:13. Fa voasoratra hoe: ”Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?” Nom.23:19. Izany no nahavitan’i Jesosy ny asa fanavotana, ”Fa ny amin’ny nahafatesany, dia maty ny amin’ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin’ny ahavelomany kosa, dia velona ho an’Andriamanitra Izy” Rom.6:10. Araka izany, dia hoy Jesosy tamin’izay nino sy nanaraka Azy : ”Satria velona Aho, dia ho velona koa hianareo” Jao.14:19d,  ”Fa izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany” Jao.6:40. Koa dia voninahitra mandrakizay, fitsanganana mandrakizay, fandovàna mandrakizay no anjara omen’Andriamanitra ho an’ny olona izay mino Azy. Ary dia ho amin’izany indrindra no nanaovany fanekena aminy, izay ”anjara tsara izay tsy halaina aminy” Lio.10:42b, dia fanekena tsy hihozongozona na oviana na oviana araka ny teniny manao hoe: ”Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-poko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao” Isa.54:10. Fa ny fanekena izay nataon’Andriamanitra amin’ny olony dia naoriny sy nofeheziny amin’ny fandatsahana ny ran’i Jesosy Kristy Zanany ”Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” Rom.4:25. Koa na ny fahafatesany, na ny fitsanganany dia nataon’ny Ray mba hahatanteraka ny fanavotana mandrakizay izay nanaovany ny fanekeny.

Alatsinainy 23: Ny Mesia, fanekem-panavotana” ho an’ny olona.

Hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ny olona” Isa.49:8b.

Vakiteny 1: Mar.14:17-24. Vakiteny 2: Isa.49:8-13. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: Isa.49:8.

Fitarihan-kevitra: Fikasan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ny ho tafaray monina amin’ny olona ka namoronany azy hitovy endrika Aminy (Gen.1:26). Indrisy anefa fa tafasaraka tamin’Ilay Mpahary azy izy, ary ny fahafatesana noho ny ota no nanapaka ny fiainany, fa ny ota no fanindronan’ny fahafatesana” (1 Kor.15:56a). Kanefa nanao fanekem-panavotana ho an’ny olona Izy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka ny voasoratra hoe.Koa amin’izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona” Heb.2:17.

Talata 24: Sambatra izay mitoetra ao amin’ny fanavotan’Andriamanitra.

“ Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy” Sal.84:4.

Vakiteny 1: Jao.8:31-35. Vakiteny 2: Sal.84:1-4. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.84:4.

Fitarihan-kevitra:  Izay mitoetra ao amin’ny tranon’Andriamanitra dia mahazo fahasambarana tapitroatra; fa hoy ny mpanao Salamo: Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao” Sal.65:4a. Izany no anton’ny asam-panavotana nataon’i Jesosy, ka hoy Izy:  “Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” Jao.14:3.

Alarobia 25: Jesosy no antoky ny fanavotana.

“Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony” Jao.6:35.

Vakiteny 1: Eks.16:21-30. Vakiteny 2: Jao.6:30-36. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.6:35.Fitarihan-kevitra: Jesosy no antoky ny fanavotana ho amin’ny fiainana, fa voasoratra hoe: “Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa” 1 Jao.2:2. Fanavotana hahazoana fiainana no vitany; fa hoy Jesosy: “Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry”  Jao.10:11.

Alakamisy 30: Fiainana mandrakizay no lovam-panavotana.

Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay” Jao.6:27a.

Vakiteny 1: 1 Kor.15:13-22. Vakiteny 2: Jao.6:24-29. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.6:27.

Fitarihan-kevitra: “Ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay” dia Jesosy Kristy izay nanao hoe: “Fa ny mofon’ Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’izao tontolo izao”, “Izaho no mofon’aina” Jao.6:33,35a. Ary noho izany dia hoy Izy ny amin’ny ondriny: “Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be” Jao.10:10b. Koa amin’izany, dia minoa Azy fa Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay” Jao.3:36a.

Zoma 31: Finoana no andraisana ny fanavotana mandrakizay.

Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay” Jao.11:26.

Vakiteny 1: Apok.14:12-16. Vakiteny 2: Jao.11:17-27. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.11:25-26.

Fitarihan-kevitra: Ny fanavotana mandrakizay omen’i Jesosy dia ny herin’ny fiainana izay mandresy ny ota sy ny asan’ny devoly mpamono olona (Jao.10:10a), dia ny fahafatesana. Fa voasoratra hoe: “Ny fahafatesana noresena ka levona (Isa.25:8).  Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? (Hos.13:14)” 1 Kor.15:54-55. Amin’ny finoana no andraisana izany, fa “ny fandresena iza enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika” 1 Jao.5:4b.

Sabotsy 01: Raiso ny fanavotana atolotr’Andriamanitra.

“Izay rehetra nandray Azy, dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany” Jao.1:12.

Vakiteny 1: Os.11:1-11.  Vakiteny 2: Jao.1:6-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jn.1:12.

Fitarihan-kevitra: Ny fanavotana omen’Andriamanitra maimaimpoana dia ao amin’i Jesosy Kristy, araka ny voasoratra hoe: “Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” Rom.5:8. Ny hevitr’izany dia famelan-keloka izay hahazoantsika fihavanana amin’Andriamanitra ka hahavelona antsika.  Koa ”Mihavàna amin’Andriamanitra anie hianareo” (1 Kor.5:20b) dia ho velona. Raiso Jesosy fanavotana mandrakizay ho antsika! (1 Kor.1:30).

Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-

madanet.org ary Facebook Hira sy Filazantsara”.  Henoy ny hifiradio.org 24 ora/7 andro: fampianarana, hira, …    © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *