Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahadin’ny Sampan-drofia 06-11 Avrily 2020 « Ny fanekem-pamonjena mandrakizay » *

Ny hafatra: Hitantsika nisesy teto ireo Loha-hevidehibe izay mahakasika ny asa ataon’Andriamanitra ho an’ny olona, dia ”ny fanavotana azy,”ny fitahiana azy”, ary izao dia ”ny famonjena azy”. Endrika isehoan’ny fanasoavan’Andriamanitra ny olombelona avokoa izy ireo. Koa mba hiorenan’izany tsarasy haharetany eo amin’ny olona sy ny taranany mifandimby, dia nofatorany tamin’ny alalan’ny ”Fanekena” izy ireo, dia ny fiombonany antoka sy ny firaisany aina amin’ny olony. Izany fanekena izany dia tsy hitsoaka mandrakizay, ary naorinyamin’ny fonjan-teny lehibe manao hoe: »Ho Andriamanitrareo Aho, ary hianareo ho oloko” Jer.7:23.Fa ny maha-Andriamanitra Azy indrindra no nomeny ho fanorenana ny fanekena amin’ny olony sy ho firaisana antoka aminy, dia Izy ”Andriamanitra Fanahy” (Jao.4:24) sady ”Andriamanitra Teny” Jao.1:1. Ary dia nitenytokoa Izy nanao hoe :”Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ny vavanao, na amin’ny vavan’ny taranakao, na amin’ny vavan’ny taranaky ny taranakao, hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah” Isa.59:21.Ny maha-Andriamanitra Fanahy Azy dia Izy ”Andriamanitra fitiavana” (1 Jao.4:16), sady ”fitiavana mandrakizay” (Jer.31:3). Ny maha-Andriamanitra Teny azy kosa dia milaza ny Fahamarinany sy ny Fahamasinany, rahahoy Izy : ”Ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy” Isa.55:11. Koa amin’izany : Ny ”fanekem-panavotana” dia midika ho ny fividianan’Andriamanitra ny mpanota mba hiverina Aminy sy atsangany ho zanaka mandova Azy sy mpiray lova amin’i Kristy (Rom.8:17); ny ”fitahiana” dia ny fiahian’Andriamanitra ny fahavelomany (Deo.28:12); ny ”famonjena” dia ny fiarovan’Andriamanitra ny finoany, mba hahatanteraka ny teny fikasany rehetra izayhampitoetra nyfiraisany amin’Andriamanitra ka handraisanyny fanjakany, ho fiainana mandrakizay (Jao.3:16).

Alatsinainy 06: Mifalia fa tonga ny Tompo mitondra famonjena. “Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena” Zak.9:9b. Vakiteny 1: Jao.1:19-29. Vakiteny 2: Zak.9:9-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Zak.9:9. Fitarihan-kevitra: Nandrasan’ny firenena Isiraely hatry ny ela ny fahatongavan’ny Mesia Mpanjakany ho avy hanafaka azy amin’ny ziogan’ireo fahavalony izay nambabo sy nampahory azy, dia ny Asyriana indrindra izany. Ankehitriny koa dia tokim-pifaliana lehibe no omen’Andriamanitra ny mino sy ny olona rehetra koa aza raha Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka sady Tompon’ny tompo, dia Jesosy Kristy no tonga ka miteny hoe: “Raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo” Jao.8:36.

Talata 07: Ny famonjena, valim-pitia omen’ny Tompo ny olony. “Indro, avy ny famonjena anao; Indro; ny valim-pitia hatolony dia ao aminy” Isa.62:11b. Vakiteny 1: Apok.22:10-14. Vakiteny 2: Isa.62:10-12. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.62:11. Fitarihan-kevitra: Ny famonjen’Andriamanitra dia akaiky izay mino Azy. Fa mamaly ny olona araka ny asany Izy. Famonjena sy fankasitrahana no omeny izay rehetra manaiky Azy hoTompo sy Mpamonjiny ary manompo Azy sy manao ny asany. Manangana azy ho “fanaka omem-boninahitra” Izy (2 Tim.2:20), ary mampahery azy ka miteny hoe: “Midira amin’ny fifalian’ny Tomponao” Mat.25:21.Ny fifalian’ny Tompony dia ny mampandova azy ny famonjeny mandrakizay.

Alarobia 08: Ankalazao ny Mpanjaka mitondra famonjena. “Hosana ! Isaorana anie ny Mpanjakan’ny Isiraely, Ilay avy amin’ny anaran’i Jehovah » Jao.12:13. Vakiteny 1: 1 Tim.1:12-17. Vakiteny 2: Jao.12:1-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.12:12-13. Fitarihan-kevitra: Ny hoe “ankalazao” dia ny manandratra avo dia avo ny Tompo sady Mpamonjy izao tontolo izao, dia Jesosy Mesia, ary ny manome vonihanitra Azy amin’ny fihobiana lehibe izay hanakoako “ho ren-tany, ho ren-danitra”. Rehefa tafita ny Ranomasina Mena ny Isiraely dia hoy ny hiran’i Mosesy mpitarika azy: “Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; Izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho” Eks.15:2.

Alakamisy 09: Ny Mpanjaka manao fanekena ho famonjena mandrakizay. « Ity no rako, dia ny amin’ny ran’ny fanekena izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka » Mat.26:28. Vakiteny 1: Eks.12:3-14. Vakiteny 2: Mat.26:17-29. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.26:26-28. Fitarihan-kevitra: Mpamonjy mandrakizay no omena antsika (Isa.9:5). Koa dia nirahin’ny Ray Jesosy Kristy Zanany mba hanao ny sitrapony dia ny hanome famonjena mandrakizay. Hoy Izy: “Fa izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany” Jao.6:40. Nofeheziny tamin’ny alalan’ny rany izany, fa voasoratra hoe: “Fa raha tsy misy ra alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka” Heb.9:22b.

Zoma 10: Ny Mpanjaka Tompon’ny famonjena, fiainana ho an’izao tontolo izao. “Fa ny mofon’Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’izao tontolo izao” Jao. 6:33. Vakiteny 1: Isa.55:1-3. Vakiteny 2: Jao.6: 26-35. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.6:33. Fitarihan-kevitra: Ny hevi-dehibe sady fototra fonosin’ny teny hoe “famonjena” dia ny fanavotana ny aina tsy ho faty ary ny fanahy tsy ho very. Amin’ny alalan’ny asam-pamonjena nataon’i Jesosy Kristy no mahatanteraka izany, izay voafono ao amin’ny teniny manao hoe: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” Jao.5:24.

Sabotsy 11: ASABOTSY MANGINA. FIVAVAHANA : FIBEBAHANA SY FANAVAOZANA FANOLORANTENA. Lohahevitra banjinina: ”KRISTY PASKA HO ANTSIKA : FANEKEM-PAMONJENA MANDRAKIZAY” “ Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao hianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika” 1 Kor.5:7. Votoaty: Ny fanavotana vitan’i Jesosy Kristy : ny fivavahany fitalahoana ho an’ny mpanota sy ny fiaretany ary ny fahafatesany. Vakiteny:Isa.53:4-6;10-12 / Mat.26:36-46;47-56 / Mat.27:27-37/ 1 Kor.5:1-8.

Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi- madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org 24 ora/7 andro: fampianarana, hira, … © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *