NY BAIBOLY SY NY CORONAVIRUS FIZARANA II : NY FANDRESEN’NY FINOANA

/ TSIAHY NY FIZARANA I : NY FIAVIAN’NY ARETINA SY NY FAHAFATESANA.

– Vokatry ny ota : fa ny ota no mahatonga ny fahalovana (Gal.6 :8) sy ny fahatesana (1 Kor.15 :56).

– Asan’ny devoly : tsimok’aretina noforonin’ny «sain-dalin’i Satana» (Apok.2 :24) mitarika valan’aretina maneran-tany (pandémie). Ny marina dia izy fitaovana entina iadiavana (bio-terrorisme, guerre épidémiologique), ka ny kendreny dia izao tontolo izao ho tonga eo am-pelatanan’ny devoly (2 Jao.5 :19), izay « fanahy ratsy eny amin’ny rivotra » (mandefa entona) Efes.6 :12.

– Tsy fahalavoarian’ny sakafo sy ny tontolo iainana : . tsy fahampiana ara-tsakafo, tsy fahadiovan’ny vatana, tsy maha-tomombana ny toeram-ponenana, tsy fahampian’ny toerana fivoahana sy ny fanariana fako, sns. . loza voajanahary (tondra-drano, horohoron-tany, tazomoka, sns.).

/ NY FOTO-KEVITRA : NY MINO MANDRESY SATRIA ANDRIAMANITRA NO MOMBA AZY.

1. Ampy ve ny hoe mino ? Inona no heriny ? Hoy Jesosy: « Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ , dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao“ Mat.17:20.

2. Jesosy mampandresy amin’ny alalan’ny finoana satria « Izy no Tompon’ny finoana sy Mpanefa azy » Heb.12 :2. Raha adika : asany ny finoana. Izy ny no manorina sy manatanteraka azy (Fil.2 :13). Ny ataony ho antsika: . « Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika » Rom.8 :37. . « Ary nesoriny tsy ho eo amin’ny tenany ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon’izay avy nandresy » Kol.2 :15.

3. Ny toky omeny sy ny hataontsika . « Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ny Zanaka » Jao.14 :13. . « Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany » Jao.15 :7. Miasa ho antsika tokoa ny Tompo, ary Mahery sy tsy hay tohainy ny asany, fa hoy Izy : « Miasa Aho ka iza moa no mahasakana izany ? » Isa.43 :13. Hoy ny Apostoly Paoly: « Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika ? » Rom.8 :31.

4. Ny finoana tokoa no miasa hahatanteraka izay lazain’ny tenin’Andriamanitra, na koa hanatanterahan’ Andriamanitra izay lazain’ny teniny. Aza adino ny ohatr’i Abrahama : « Tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsy finoana izy, …, fa natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa. Dia nisaina ho fahamarinany izany » Rom.4 :20-22.

5 Ny famaritana : ny finoana dia ny fanekena hiray antoka amin’Andriamanitra izay mahatonga ny fitokisana an’Andriamanitra sy ny fankatoavana ny teniny, ka mampiova ny fisainan’ny olona, ny fikasany sy ny fanaovany hiankina amin’Andriamanitra (Sal.37:5). Hoy ny Tompo tamin’ilay vehivavy kananita nitaraina ho an’ny zanany vavy nampahorian’ny demonia : «
Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao » Mat.15 :28. ; izay azo adika hoe koa « araka izay inoanao « 

6. Ny vokany ? « Sambatra hianao izay mino ; fa hefaina izay zavatra nampilazain’ny Tompo taminao » Lio.1 :45, dia ny tenin’Andriamanitra, na teny fikasana. Fa « velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra » ka mahatanteraka izay lazainy (Heb.4 :12). Fa ny « teny » dia omen’Andriamanitra mba hanatanterahany azy (Isa.55 :11).

7. Ny finoana, hery sy fandresen’ny mino. . « Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino » Mar.9 :23. . « Fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika » 1 Jao.5 :4-5.

8. Jesosy manome fanasitranana sy fanafahana. . « Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika… ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika » Isa.53 :4,5. . « Ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa, mba, hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika » Mat.8 :16-17. . «Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly »1 Jao.3 :8. . « Raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo » Jao.8 :36.

FEHINY .

Ny baiko : «Tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy » Efes.6 :16.

« Manohera ny devoly, dia handositra anareo izy » Jak.4 :7. .

Ny teny vavolombelona : « Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mampahery ahy » Fil.4 :13.

© D.Rabarihoela Bruno Mpikaroka sy Mpampianatra

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *