Ny hafatra: Ny hoe ”Andriamanitra Trinite” , na ny Telo izay Iray, dia ny fanambarana feno an’Andriamanitra, dia ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Fa ny fikasan’Andriamanitra dia isika ”hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy” sy ”hitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra” Kol.1:9,10. Araka izany, dia ny Ray no nahary antsika hitovy endrika Aminy (Gen.1:26), sady loharano niavian’ny fahasoavana rehetra, satria: « Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin’ny Rain’ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana” (Jak.1:17); ary Izy indrindra no nanambara an’i Jesosy Zanany ho antsika,manao hoe: ” Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy” Mat.17:5. Jesosy Zanaka kosa no Mpanambara ny Ray, dia Mpampiseho sy Mpampahafantatra Azy araka ny tenin’i Jaona Apostoly manao hoe: ”Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara [Azy]” Jao.1:18. Koa miaraka amin’ny asa fanavotana ny mpanota izay vitany tamin’ny fanolorana ny ainy (Jao.10:11), dia Izy no Mpanelanelana amin’ny Ray Izy, fa hoy Izy: ”Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” Jao.14:6. Ary ny farany dia ny fanehoana ny Fanahy Masina araka ny tenin’i Jesosy manao hoe: ”Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy” Jao.15:26. Raha akapoka, dia tsy misy afaka manatona an’i Jesosy raha tsy ny Ray no mitaona azy (Jao.6:44), ary tsy misy afaka mandray ny famonjeny raha tsy Jesosy no mitady sy mitaona azy (Lio.19:10,Mat.11:45). Ary “tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin’ny Fanahy Masina” 1 Kor.12:3b. Fa rehefa izany, dia “Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay” Jao.3:36a.
Alatsinainy 08: Andriamanitra Trinite dia fitiavana. « Fa tsy sitrako ny fahafatesan’izay maty, hoy Jehovah Tompo » Ezek.18:32a. Vakiteny 1: Jao.3:16-17. Vakiteny 2: Ezek.18:30-32. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Ezek.18:31-32. Fitarihan-kevitra: Andriamanitra dia fitiavana ka tsy tia ny mpanota ho very (Jao.3:16). Koa dia mitaona ny olona hibebaka Izy mba handray ny famelan-keloka, ka ho voavonjy ho afaka amin’ny fanamelohana (Rom.8:1-2). Fa raha niteny tamin’ny alalan’i Ezekiela Izy nanao hoe: “Koa mibebaha hianareo mba ho velona” Ezek.18:32b, dia hoy koa Jesosy: « Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara” Mar.1:15.
Talata 09: Ny fitiavan’Andriamanitra mamonjy ny mpanota. “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany » Jao.15:13. Vakiteny 1: Rom.5:6-11. Vakiteny 2: Jao.15:12-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.15:12-13. Fitarihan-kevitra: Ny fitiavana tokoa no maha-Andriamanitra Azy, ka nisahiranany hamonjy ny mpanota. Izany dia nasehony tamin’ny alalan’ny fanomezana: koa ny Ray dia nanolotra an’i Jesosy Kristy Zanany ho avotra ho an’ny mpanota (Isa.53:4-5). Jesosy Kristy nanome ny ainy “mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” Jao.3:16. Ny Fanahy Masina manompo amin’ny fivavahana fifonana ho an’ny mpanota mba hahazoany famindrampo ho famonjena azy (Rom.8:26).
Alarobia 10: Andriamanitra mamonjy ny olona amin’ny teniny. “Fa tsy menatra ny Filazantsara aho, fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany” Rom.1:16 Vakiteny 1: Mat.8:5-13. Vakiteny 2: Rom.1:15-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.1:16. Fitarihan-kevitra: Ny herin’Andriamanitra dia Izy manamarina sy manatanteraka izay rehetra lazainy mba ho famonjena ny olona (Lio.1:37). Izany dia tanteraka amin’ny anaran’i Jesosy Kristy izay efa nomena ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany (Mat.28:18), sy noho ny asan’ny Fanahy Masina izay manatanteraka izay lazain’ny tenin’Adriamanitra. Fa voasoratra hoe: “Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra …Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin’ny famantarana izay nomba azy. Amena” Mar.16:19-20.
Alakamisy 11: Andriamanitra mamonjy ny mpanota amin’ny famelana ny helony. “Mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika” 1 Jao.1:9b. Vakiteny 1: Mat.9:1-8. Vakiteny 2: 1 Jao.1:1-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Jao.1:9. Fitarihan-kevitra: Zava-dehibe tsy misy takalony hahazoan’ny mpanota famonjena ny famelana ny helony. Fantatry ny mpanao Salamo indrindra ka hoy izy: “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny” Sal.32:1-2. Toky no omeny ho an’izay manatona Azy: ”Izay manatona Ahy dia tsy mba ho laviko mihitsy” Jao.6:37, ary koa, “Matokia, anaka; voavela ny helokao” Mat.9:2.
Zoma 12: Andriamanitra mamonjy ny olona amin’ny finoana. “Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao” Lio.17:19. Vakiteny 1: Heb.11:23-29. Vakiteny 2: Lio.17:11-19. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: Lio.17:19. Fitarihan-kevitra: Ny finoana an’Andriamanitra dia tsy ny manaiky fotsiny ny fisiany, fa milaza indrindra ny fitokisana Azy sy ny fankatoavana ny teniny ary ny fanaovana ny asany (Jao.14:12a). Firaisana antoka amin’Andriamanitra no fototra, izay nampiteny an’i Jesosy hanao hoe: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany” Jao.4:34. Fanomezam-boninahitra ny Tompo izany, “Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy” Heb.11:6a.
Sabotsy 13: Andriamanitra manamasina ny olony. “Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota” 1 Jao.3:9a. Vakiteny 1: Rom.8:1-4. Vakiteny 2: 1 Jao.3:1-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Jao.3:9. Fitarihan-kevitra: Mahery indrindra ny asam-panavotan’Andriamanitra ny mpanota, dia ny mandrava ny herin’ny ota sy ny fahefany, ary ny efitra mampisaraka Aminy (Isa.59:2). Koa dia mampihavana ny olony Aminy Izy (2 Kor.5:18), ary manangana azy ho “zanaka mandova an’Andriamanitra” (Rom.8:17a). Amin’izany, dia hoy Izy: « Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasìna ny tenanareo, ka dia ho masina hianareo, satria masina Aho” Lev. 11.44, izany hoe mandresy ny ota ary tsy manota.
Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org 24 ora/7 andro: fampianarana, hira, … © Madanet