Hira & Filazantsara
Alahady I manaraka ny Trinite 15-20 Jona 2020 « Mianara fahendrena”
Ny hafatra: Zava-dehibe ho antsika ny manana fahendrena. Nikatsaka io hatry ny ela ny zanak’olombelona mba hahasambatra azy, tamin’ny alalan’ny filôzofia, teny grika midika ho ”ny fitiavana ny fahendrena”, dia ny fahaizana miahy ny fiainana sy ny hahombiazana amin’ny atao. Koa hoy ny Soratra Masina: ”Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena” Oha.4:7a. Fa ”Ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy [na:perla] ; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy” Oha.8:11. Toetran’Andriamanitra tokoa ny fahendrena, ka hoy ny mpanao Salamo: ”Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra” Sal.104:24a. Nankasitrahan’Andriamanitra i Solomona raha nangataka izany taminy ka hoy Izy: ”Satria tao am-ponao izany ka tsy nangataka vola aman-karena hianao, na voninahitra, na ain’ny fahavalonao, ary tsy nangataka ho ela velona aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao, dia omena anao ny fahendrena sy fahalalana” 2 Tan.1 :10-12. Ary dia hoy ny Apostoly Jakoba nananatra amim-pitiavana: ”Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany” Jak.1:5.Tombony lehibe ny mino an’i Jesosy, fa Izy no naseho ho “Herin’Andriamaniatra sy fahendren’Andriamanitra” 1 Kor.1:24, “Fa ao amin’ny tenany no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra; ary hianareo dia tanteraka ao aminy” Kol.1:9-10. Fa omeny tokoa ny Fanahy Masina izay “ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana an’i Jehovah” Isa.11:2. Fa Izy dia ny Fanahin’aina mahavelona amin’ny lafiny rehetra, ary indrindra koa naharesy ny ota sy ny fahafatesana (Rom.8:2). Koa mangataha fahendrena, fa “IZAY REHETRA MANGATAKA NO MAHAZO” Mat.7:8a.
Alatsinainy 15: Andriamanitra no fototry ny fahendrena.
“Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin’ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah” Jer.9:23a.
Vakiteny 1: Gal.6:11-16. Vakiteny 2: Jer.9:22-24. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.9:23.
Fitarihan-kevitra: Satria tsy ny olona rehetra no manana fahendrena sy fahalalana, dia zavatra mora mampirehareha ny olombelona ny manana izany. Fa voasoratra hoe: “Izay manandra-tena no aetry, ary izay manetry tena no asandratra” Lio.18:14.
Hoy Paoly Apostoly: “Ny fahalalana mampieboebo, fa ny fitiavana no mampandroso” 1 Kor.8:1b. Tenim-pahendrena tokoa izany, satria ny manam-pitiavana no manam-pahamendrehana sy omena fankasitrahana kokoa, ka ny tena sahaza izany, ary azo hireharehana aza, dia Andriamanitra, satria “Andriamanitra dia fitiavana” 1 Jao.4:16.
Talata 16: Ny Filazantsara, fahendren’Andriamanitra hahavonjy.
“Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany” Rom.1:16a.
Vakiteny 1: Mpit.7:1-9. Vakiteny 2: Rom.1:1-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.1:16.
Fitarihan-kevitra: Mazàna ny fikatsahana fananana fahendrena dia mikendry izay ho an’ny tena ihany, sy izay heverin’ny olombelona fa hisandratany eo amin’ny mpiara-monina. Nefa hoy Jesosy: “Fa izay zavatra heverin’ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra” Lio.16:15. Oharina amin’ny sampy moana sy tsy mahavonjy izany, fa ny tenin’Andriamanitra irery no ”Filazantsara mitondra famonjena ho an’ny olona”, fa ny sisa dia anoano ihany, fa “izay heverin’ny olona ho fahendrena dia fahadalana amin’Andriamanitra” 1 Kor.1:20. Hoy Petera Apostoly:“Fa efa teraka indray hianareo, tsy tamin’ny voa mety ho lò, fa tamin’ny tsy mety ho lò, dia ny tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra” 1 Pet.1:23.
Alarobia 17: Mahavery ny fitiavan-karena.
“Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao” Lio.12:20a.
Vakiteny 1: 1 Jao.2:15-17. Vakiteny 2: Lio.12:13-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.12:19-20.
Fitarihan-kevitra: Hoy ny tenin’Andriamanitra: “Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra” 1 Tim.6:10, dia fototry ny fahaverezan’ny olona. Nanompo vola Jodasy ka namadika an’i Jesosy, ka ratsy ny fiafarany (Asa.1:18). Fandrika lehibe ataon’ny devoly ny ”fitiavam-bola” mba handavoana ny olona, fa “izay maharesy ny olona no mahandevo azy” 2 Pet.2:9. Ny vavaka atao: “Amporisiho ny foko, Tompo ô, ho amin’ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin’ny fieremana” Sal.119:36.
Alakamisy 18: Mahavery ny tsy fananana fahendrena.
“Lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin’ny fiveloman-dratsy tany” Lio.15:13b.
Vakiteny 1: Gal.6:3-8. Vakiteny 2: Lio.15:11-19. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.15:11-13.
Fitarihan-kevitra: Nieboebo tsy nanam-pahendrena i Saoly mpanjakan’ny Isiraely, ka nandika ny didin’Andriamanitra, ary dia nialan’ny Fanahy Masina sy nailiky ny Tompo tsy ho mpanjaka intsony. Dia namono tena nitsatoka tamin’ny sabany no niafarany mba tsy ho azon’ny fahavalony (1 Sam.1:4). “Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo” Gal.6:8.
Zoma 19: Kristy no itoeran’ny fahendren’Andriamanitra.
“Fa ao amin’ny tenany no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra” Kol.2:9.
Vakiteny 1: Jao.7:14-19. Vakiteny 2: Kol.2:6-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Kol.2:8-9.
Fitarihan-kevitra: Hoy ny Soratra Masina: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina” Jer.17:9. Hoy ny fivavak’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra: “Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry” Sal.90:12. Ny fahendrena dia Jesosy Kristy fahendren’Andriamanitra manapaka ao am-po. Araka izany: “Manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo” 1 Pet.3:15.
Sabotsy 20: Ny zanak’Andriamanitra, tanteraka amin’ny fahendrena.
“Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako” 3 Jao.4.
Vakiteny 1: 1 Tes.5:12-22. Vakiteny 2: 3 Jao.1-4. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 3 Jao.4.
Fitarihan-kevitra: Baiko omen’ny tenin’Andriamanitra ny hoe: “Koa amin’izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra” Mat.5:48. Ny fahatanterahana eto dia ny manana ny fahendrena, dia ny saina sy ny fahendren’Andriamanitra (1 Kor.2:16b). Sarobidy sy mahery indrindra io, izay azo vokatry ny firaisana amin’Andriamanitra sy ny fangatahana Aminy (Jao.15:7). Hoy Davida: “Fahendrena ao amin’ny miafina no ampahafantarinao ahy” Sal.51:6.
Ny perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny
Site www.hifi-madanet.org ary
Facebook “Hira sy Filazantsara”.
Henoy ny hifiradio.org 24 ora/7 andro: fampianarana, hira, …
© Madanet