Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady VII manaraka ny Trinite 27 Jolay – 01 Aogositra 2020

“Andriamanitra manamarina ny mpanota”

Ny marina no mandova ny fanjakan’ny lanitra, dia ”Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ny lainga, na mianiana hamitaka” Sal.24:4. Indrisy anefa fa ”Tsy misy marina na dia iray akory aza” Rom.3:10, ”fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” Rom.3:23. Koa satria ny mpanota tsy afaka hanamarina ny tenany (Rom.7:24), dia tonga Jesosy hanamarina azy. Fa hoy Izy: ”Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka* izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.” Jao.3:17. Asan’Andriamanitra ny fanamarinana ny mpanota ho famonjena azy tsy ho very na ho faty (Ezek.33:11). Mahavery sy mahafaty tokoa ny ota. Fa”ny ota no fanindronan’ny fahafatesana” 1 Kor.15:56, dia fisarahana mandrakizay amin’Andriamanitra Velona. Fa hoy ny tenin’ny Tompo: ”Indro, ny tànan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare; Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy” Isa.59:1-2. Fa noho ny tsy fahalalana sy ny ditran’ny fo, dia misy lalana heverin’ny olona hitondra azy ho amin’ny fiainana, kanjo mahavery azy ho amin’ny fahafatesana (Oha.14:10). Zavatra tsy vitan’ny olona tokoa ny mamonjy ny tenany ho afaka amin’ny fahotana. Fa hoy ny Apostoly Paoly: “Iza no hanafaka ahy amin’ity tenan’ny fahafatesana ity” Rom.7:24. Fa tsy ny fanamarinan-tena no mahavonjy ny olona, fa ny fanamarinan’Andriamanitra azy. Fa Jesosy Kristy Zanany nataony ota mba ho avotra ho antsika (2 Kor.5:21), ”fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin’ny fotoan’andro hamonjy ny ratsy fanahy” Rom.5:6, dia ny mpanota izay mino Azy. Fa amin’ny finoana no hanamarinan’Andriamanitra ny mpanota mba hahavelona azy, “fa fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” Rom.6:23. Koa ”izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay” Jao.3:36a. Hoy Jesosy: ”Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota” Mat.9:13b.

Alatsinainy 27: Andriamanitra miahy izay mitady fahamarinana.
”Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako” Jer.31:25.
Vakiteny 1: Mat.5:1-6. Vakiteny 2: Jer.31:23-25. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.31:25.
Fitarihan-kevitra: Hoy Jesosy: “Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana” Mat.5:6. Ary dia “Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be” Isa.40:29. Tanteraka araka izany ny tenin’ny Tompo manao hoe: “Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin’ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah” Amo.8:11, izay teny “velona sy mahery” (Heb.4:12) mamelombelona aina (Jao.7:38).

Talata 28: Ny mpanota hamarinina amin’ny finoana.
“Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao” Lio.17:19.
Vakiteny 1: Rom.3:21-31. Vakiteny 2: Lio.17:11-19. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.17:19.
Fitarihan-kevitra: Ivon’ny famonjena ny olona ny finoana an’i Jesosy, ka dia voasoratra hoe: “Ny oloko marina dia ho velon’ny finoana; Fa raha mihemotra izy dia tsy sitraky ny fanahikoa – Hab.2:3,4” Heb.10:38. Fa hoy Jesosy: “Izay mino sy tao batsia no hovonjnea, fa izay tsy mety mino kosa no helohina” Mar.16:16. Satria fototry ny famonjena ny finoana, dia hoy Izy tamin’i Tomasy: “Satria nahita Ahy hianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino” Jao.20:29.

Alarobia 29: Ny mpanota hamarinina amin’ny famelan-keloka.
“Sambatra izay olona tsy hisain’i Jehovah heloka” Rom.4:8.
Vakiteny 1: Lio.7:44-48. Vakiteny 2: Rom.4:1-8. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.4:6-8.
Fitarihan-kevitra: Fahafatesana no asan’ny ota sy ny fisarahana amin’Andriamanitra. Fa voasoratra hoe: ”Ny ota no fanindronan’ny fahafatesana” 1 Kor.15:56a. Hoy koa ny Tompo “Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’ Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy” Isa.59:2. Rava izany efitra izany tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy izay “namaky teo amin’ny efitra lamba, dia ny nofony” Heb.10:21, nitondra fanavotana, dia famelan-keloka ho antsika izay mino Azy sy ho an’izao tontolo izao (1 Jao.2:2). Hoy Jesosy: “Matokia, anaka, voavela ny helokao” Mat.9:2.

Alakamisy 03: Ny mpanota hamarinina amin’ny ran’i Jesosy Kristy Zanaka.
“Izy no avotra noho ny fahotantsika” 1 Jao.2:2.
Vakiteny 1: Heb.9:11-15. Vakiteny 2: 1 Jao.2:1-2. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Jao.2:2.
Fitarihan-kevitra: Voasoratra hoe: “Raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka” Heb.9:22b. Koa dia nanaiky ny Tompo hiloso voina ny mpanota, fa voasoratra hoe: “Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika” Isa.53:5.

Zoma 04: Ny mpanota hamarinina amin’ny vavaka ataon’i Jesosy.
“Kristy Jesosy no…mitoetra eo amin’ny tànana ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika” Rom.8:34.
Vakiteny 1: Heb.7:23-28. Vakiteny 2: Rom.8:31-34. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.8:33-34.
Fitarihan-kevitra: Satria tsy manana fahamarinana sady be fahalemena isika olombelona, dia neken’i Jesosy ny hiantoka antsika eo anatrehan’Andriamanitra mba tsy haharingana antsika. Fa voasoratra hoe: “Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina” 1 Jao.2:1b. Rehefa izany, “Koa satria Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak’Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika” Heb.4:14, dia Jesosy tsy miova mandrakizay.

Sabotsy 05: Mahavery ny fihatsarambelatsihy.
“Mihevera ka mitandrema hianareo, fandrao azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo” Mat.16:6.
Vakiteny 1: Gal.2:11-16. Vakiteny 2: Mat.16:5-12. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.16:6.:
Fitarihan-kevitra: Halan’Andriamanitra ny fihatsarambelatsihy, satria asan’ny fisandohana ny fahamarinana amin’ny endrika sy ny fisehoana ivelany. Hoy ny fampitandremana ataon’ny tenin’Andriamanitra: “Tandremo ny tenanareo amin’ny amboa, tandremo ny tenanareo amin’ny mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin’ny voakilema” Fil.3:2. Anefa koa mampahery sy mampijoro manao hoe: “Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina” 1 Jao.3:18.

Ny perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org 24 ora/7 andro: fampianarana, hira, … © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *