“Andriamanitra mampifaly ny olony”
Ny hafatra: Ny lohateny eto dia hafatra tena mafonja sy sarobidy. Fa efa tamin’ny andro nitarihan’i Mosesy ny Zanak’Isiraely no nankalazana ny ”Andro firavoravoana” na ”Fetin’ny tabernakely” (Lev.23:33;Jao.7:2), dia fetin’ny fihaonana amin’Andriamanitra ho fisaorana sy fiderana Azy. Tsy miova izany hafatra izany fa tena mbola tandrify ny vanin’andro diavintsika, dia androm-pisedrana sy fizahan-toetra ny firenena manerana izao tontolo izao, indrindra vokatry ny fihanaky ny valan’aretin-dratsy mahafaty. Tanteraka indrisy ny tenim-paminaniana nambaran’ny mpaminany manao hoe: ”Ny haizina manarona ny tany, ary ny haizim-pito manarona ny firenena” Isa.60:2. Amin’izany indrindra kosa anefa no ampifalian’Andriamanitra ny olony amin’ny anomezany tokim-pamonjena ho azy manao hoe: ”Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany” Apok.3:10. Fa hoy indrindra Jesosy: ”Izaho no Mpiandry Tsara, ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry” Jao.10:11. Fa Izy dia ”Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana” Sal.46:1, ary akaiky izay rehetra miantso ny Anarany ka ”Hanefa ny irin’izay matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy” Sal.145:19. Fa ”manan-karena homeny izay rehetra miantso Azy Izy” Rom.10:12b, fa ”izay rehetra miantso ny Anaran’ny Tompo no hovonjena” Rom.10:13. Tanterahiny tokoa izany, indrindra amin’izay mino Azy. Fa hoy Izy Tompo: ”Izaho tsy handao anao mihitsy, na hafoy anao akory – Jos.1:5” Heb.13:5. Koa raha tojo fahoriana ireo dia hoy Jesosy: ”Hianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana” Jao.16:20b. Koa satria Andriamanitra feno fitiavana Izy, dia tsy tiany ny hampahory ny olony (Fit.Jer.3:33), ka hoy Izy: ”Mangataha, dia hahazo hianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo” Jao.16:24b. Fa mihaino vavaka sy miahy ny olony tokoa Izy ka miteny hoe: ”Ny Mpanao ny sofina va tsy handre? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita?.” Sal.94:9. Hoy ny hafatr’i Paoly: ”Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo; hoy izaho: indray: Mifalia”” Fil.4:4.
Alatsinainy 31: Andriamanitra, antom-pifalian’ny malahelo. “Ary ny malahelo ao amin’ny olona hifaly amin’ny Iray Masin’ny Isiraely” Isa.29:19b. Vakiteny 1: Jao.15:7-11. Vakiteny 2: Isa.29:18-19. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.29:19. Fitarihan-kevitra: “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny” Sal.33:12, dia izay manao an’Andriamanitra ho antom-pifaliany, fa Andriamanitra koa mampifaly azy. Fa voasoratra hoe: “Ary miravoravoa amin’i Jehovah hianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao” Sal.37:4. Fa ny fon’Andriamanitra dia akaiky ny ”ory am-panahy” ka omeny anjara manokana sy ambony izy, fa hoy Jesosy: “Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan’ny lanitra” Mat.5:3.
Talata 01: Andriamanitra mampifaly ny olona amin’ny fanompoana Azy. “Manompo amin’ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin’ny hahelan-tsoratra” Rom.7:6b. Vakiteny 1: Asa.5:29-42. Vakiteny 2: Rom.7:1-6. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: Rom.7:6. Fitarihan-kevitra: Ny fanompoana ambony sady ankasitrahan’Andriamanitra dia ny manao ny asany, ary miasa araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Fa voasoratra hoe: “Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro” Zak.4:6. Ny Fanahy Masina, Fanahy maherin’Andriamanitra, no ampombany izay manao ny sitrapony. Hoy ny Apostoly Paoly nijoro vavolombelona tamin’izany: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mampahery ahy” Fil.4:13.
Alarobia 02: Andriamanitra mampifaly ny olony amin’izay hahasoa azy. “Koa ataovy tsara ny hazo mbamin’ny voany” Mat.12:33a. Vakiteny 1: Efes.2:1-10. Vakiteny 2: Mat.12:33-37. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.12:33. Fitarihan-kevitra: Ny “hahasoa ny olona” dia ny fanamboaran’Andriamanitra azy ho amin’ny fahatanterahany (Gen.1:26). Hoy Jesosy: “Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra. Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa” Jao.15:1. Rehefa izany, dia hoy Paoly tamin’i Timoty: “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana” 2 Tim.2:15. Koa dia ataony miara-miasa ny zavatra rehetra hahasoa, dia ny hahatanteraka ny olony (Rom.8:28).
Alakamisy 03: Andriamanitra mampifaly ny olona amin’ny fampahiratana ny masony. “Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao” Lio.18:42a. Vakiteny 1: Isa.42:14-19. Vakiteny 2: Lio.18:35-43. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.18:41-42. Fitarihan-kevitra: Zava-tsarotra indrindra amin’ny fiainan’ny olona ny fahajambana, dia ny mitoetra anatin’ny haizina mandrakariva, na dia amin’ny mitataovovonana aza. Toky lehibe sady mahagaga kosa no omen’ny tenin’Andriamanitra manao hoe: “Ny olona izay mandeha amin’ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin’ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ny mazava” Isa.9:1. Ho an’izay mino ka mangataka aminy, dia tsy miova ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Mahirata ny masonao” Lio.18:42.
Zoma 04: Andriamanitra mampifaly ny olona amin’ny famangiana azy. “Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena” Lio.19:10a. Vakiteny 1: Isa.44:21-23. Vakiteny 2: Lio.19:1-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.19:10. Fitarihan-kevitra: Amin’ny famangian’Andriamanitra no anononany ny teny hoe “Fiadanana”. Famelan-keloka no fototr’izany, dia Andriamanitra tonga eo amin’ny olona ka mihavana Aminy sy mitoetra eo aminy. Fahatanteraham-pifaliana no ambaran’izany, araka ny voasoratra hoe: “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny” Sal.32:1-2.
Sabotsy 05: Andriamanitra mampifaly ny olony amin’ny fiderana Azy. “Miderà an’i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony” Sal.107:1. Vakiteny 1: Apok.4:8-11. Vakiteny 2: Sal.107:1-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.107:1. Fitarihan-kevitra: Mifono hevi-dalina ny midera sy mankalaza an’Andriamanitra. Fanomezam-boninahitra Azy ho hevitr’izany sady loharanon’aina mahavelona ary fanovozan-kery lehibe ho an’ny mino rehetra, dia ny fiangonana. Ny fiderana Azy dia fanekena ny fahamboniany sy fanandratana ny Anarany ho ambonin’ny anarana rehetra (Fil.2:9). Ho setrin’izany dia hoy Izy: “Izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra” 1 Sam.2:30b. Fa hoy Jesosy: “Raha misy olona manompo Ahy [izay azo adika ho manaiky sy mankalaza Azy ho Tompo], dia hankalaza azy ny Ray” Jao.12:26b.
Ny perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org 24 ora/7 andro: fampianarana, hira, … © Madanet