Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XIII manaraka ny Trinite 07-12 Septambra 2020 *

“Tandremo ny didin’Andriamanitra”

Ny hafatra: Ny olon’Andriamanitra dia manaraka ny fitsipik’Andriamanitra ary mitandrina ny didiny, satria tsy vahiny izy, fa olon’ny fanjakan’ny lanitra no sady zanak’Andriamanitra. Koa ny zanaka dia manaja an’Andriamanitra Rainy ary matahotra (manoa) an’Andriamanitra Tompony (Mal.1:6), satria miray antoka Aminy izy, iray fanjakana Aminy, dia ”zanaka mandova an’Andriamanitra sady mpiray lova amin’i Kristy” Rom.8:17. Vanin’andron’ny fihemorana izay iainantsika toy izao no anavahan’Andriamanitra ny Azy sy ny tsy Azy; fa ”ny Tompo mahalala ny Azy” 2 Tim.2:19. Fa tanteraka ny fisehoan’ny fihemorana araka ny tenin’i Paoly ho an’i Timoty manao hoe: ”Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat.9:3], tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny” 2 Tim.3:1-5. Fa voasoratra hoe: ”Ary noho ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro” Mat.24:12, ”Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina” Mat.22:14. Koa dia mampandre sy manamarika izay tsy momba Azy ny Tompo, sady mampitandrina sy mampahery ny Azy ka manao hoe: ”Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy” Apok.22:11. Koa dia ”tano mafy izay anananao” Apok.3:11b, fa ”izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena” Mat.24:13. Ny fitandremana ny didin’Andriamanitra dia miorina amin’ny fitiavana Azy, fa hoy Jesosy tamin’ny mpianany manao hoe: ”Raha tia Ahy hianareo dia hitandrina ny didiko” Jao.14:15. Koa ”Miverena amin’ny fitiavana voalohany” Apok.2:4, ary ”Tandremo ny didin’Andriamanitra”.

Izay tia an’Andriamanitra dia mitandrina ny didiny. “Raha tia Ahy hianareo dia hitandrina ny didiko” Jao.14:15. Vakiteny 1: Deo.10:10-14. Vakiteny 2: Jao.14:12-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.14:15. Fitarihan-kevitra: Hevi-dalina no fonosin’ny hoe “tia an’Andriamanitra”, dia ny fanekena hifamatotra aina Aminy, hiray antoka Aminy, araka ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa” Jao.14:12a. Eny, hiray fo sy saina ary fanahy aminy tanteraka, toa an’i Paoly izay niteny hoe: “Fa izahay manana ny sain’i Kristy” 1 Kor.2:16, fa “Kristy no anton’ny ahavelomako” Fil.1:21, ary “tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko” Gal.2:20b.

Ny didin’Andriamanitra mahavelona izay mitandrina azy. “Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin’izany izy” Lev.18:5. Vakiteny 1: 1 Jao.3:21-24. Vakiteny 2: Lev.18:1-5. Toriteny 1 (safidy): Toriteny 2: Lev.18:4-5.
Fitarihan-kevitra: Fitiavana mikendry fahavelomana no anton’ny didin’Andriamanitra rehetra. Koa ny didiny rehetra dia azo lazaina ho ”didim-pitiavana”, dia nomeny noho ny fitiava ny antsika, ary tandremantsika mba hanehoantsika ny fitiavana Azy koa. Araka izany dia hoy ny Didy lehibe sady voalohany: “Ary tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra” Deo.6:5.

Tsy hain’ny olona mpanota ny mitandrina ny didin’Andriamanitra. “Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity?” Rom.7:24. Vakiteny 1: Isa.6:1-7. Vakiteny 2: Rom.7:7-25. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.7:24-25. Fitarihan-kevitra: Kiakam-pitarainana no nataon’i Paoly raha nahatsiaro ny fahantrany lalina sy ny maha-tsinontsinona azy izy raha niezaka nanaraka ny lalàna tamin’ny naha-Fariseo azy, kanefa tsy nahatratra. Koa vao mainka ny fahafantarana ny lalàna no nanameloka ny fieritreretany noho izy tsy nahatandrina izany marina. Fa tsy ny ezaka ara-nofo no hahatanterahan’ny lalàna, fa ny fahasoavan’Andriamanitra (2 Kor.12:9), dia ny asan’ny Fanahy Masina izay miteraka ny fitiavana ao am-pon’ny olona, fa ”Ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna” Rom.13:10b.

Ny fitandremana ny didin’Andriamanitra no mahatanteraka ny olony. “Koa amin’izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra” Mat.5:48. Vakiteny 1: 2 Tim.3:10-17. Vakiteny 2: Mat.5:43-48. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Mat.5:48. Fitarihan-kevitra: Hoy Jesosy tamin’ny mpianany: “Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka” Mat.5:17. Izany dia mifanantitra amin’ny sitraky ny Ray araka ny voalazany manao hoe: “Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo [didy madinika ireo] dia izy no hatao hoe lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra” Mat.5:19b. Tsy misy ho foana na latsaka amin’ny tany ny didy nomeny, fa voasoratra hoe tokoa: ”Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa.. mba ho tanteraka ny olon’Adriamanitra” 2 Tim.3:17a.

Ny fanekena no fototra iorenan’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra. “Ary ho Rainareo Aho, ary hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha” 2 Kor.6:18.. Vakiteny 1: Heb.8:8-13. Vakiteny 2: 2 Kor.6:14-18. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2 : 2 Kor.6:18. Fitarihan-kevitra: Ny fanekena dia firaisana antoka sy fifamatorana lalina amin’Andriamanitra mba hanaovana ny sitrapony, toa an’i Jesosy niteny nanao hoe: “Tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” Mat.26:39. Tsy zavatra ivelany izany fa tena fiainana mihitsy, ary ny Tompo no manamarina sy manatanteraka azy ao amin’ny olona raha hoy Izy: “Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko” Jer.31:33.

Ankatoavy ny didin’Andriamanitra satria Tompo Izy. “Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo” Jao.13:15. Vakiteny 1: Mal.6:1-9. Vakiteny 2: Jao.13:12-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.13:14-15. Fitarihan-kevitra: Hoy Jesosy: “Indro, efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany” Mat.28:18. “Fa amin’ny anaran’i Jesosy no handohalen’ny lohalika rehetra..” Fil.2:10. Izany dia ny fankatoavana Azy ho Tompo ka hitandremana ny didiny.

Ny perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org 24 ora/7 andro: fampianarana, hira, … © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *