“Velona mitia an’Andriamanitra”
Ny hafatra: Tsy dia ataon’ny olona ho filamatry ny fiainany loatra, na antom-pahavelomany, ny hoe: ”Velona mitia an’Andriamanitra”. Kanefa izany no nataon’Andriamanitra ho didy lehibe voalohany, araka ny tenin’i Jesosy manao hoe: ”Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra – Deo.6: 5” Mat.22:37, dia amin’ny fitiavana feno izany. Fa mampiavaka ny olona ny fifandraisany amin’Andriamanitra : ao ny ”Mitady an’Andriamanitra, satria mila Azy”, ary ao ny ”Mitia an’Andriamanitra, satria te-hanompo Azy”. Kanefa raha ny marina dia tokony hifameno ireo, ka ny fahatanterahan’ny faniriana sy ny fahazoana valim-bavaka aza dia tokony hitarika koa ho amin’ny fanoloran-tena ho Azy Mpanome ny soa rehetra (Jak1:17). Dia toy ny fitia mifamaly izany. Fa hoy ny mpanao Salamo: ”Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko?” Sal.116:12. Fa samy manana ny sainy sy ny safidiny ny olona, ka misy ny tsy mahafantatra an’Andriamanitra, afa-tsy Izy mpamindra fo sy manome izay rehetra angatahina Aminy, toy ny olona ”tsy mahalala afa-tsy ny hampanompo an’Andriamanitra araka ny sitrapon’ny tenany, ka ”manao Azy ho toy ny fitaovana ihany”. Ary misy koa ny olona manolo-tena ho an’Andriamanitra, tsy noho izy manao varotra ka mametraka ny fepetra fa hanompo an’Andriamanitra raha toa ka mahazo izay ilainy, fa noho ny fandrenesana ny antsony sy ny famangian’ny Fanahy Masina azy; ka marina aminy ny tenin’ny Apostoly manao hoe: “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay” 2 Kor.5:14, dia fitiavana tia manome sy mizara. Sambatra ny olona manao toy izany, fa tanteraka aminy ny tenin’ny Tompo manao hoe: ”Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray” Asa.20:35; dia toa ilay vehivavy nampidina menaka manitra sarobidy tamin’ny lohan’i Jesosy, ka nankasitrahany indrindra (Mat.26:13). Fa ho an’izay tsy mahalala afa-tsy ny ho an’ny tenany ihany, dia hoy Jesosy: “Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany” Mat.16:25. Fa afaka hiteny izy ka hanao hoe: “Kristy no velona ato anatiko” Gal.2:20.
Alatsinainy 12: Mahavelona ny mitia an’Andriamanitra. “Inona moa no ilain’i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hanompo an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra” Deo.10:12b. Vakiteny 1: Rom.2:4-29. Vakiteny 2: Deo.10:12-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Deo.10:16,20-21. Fitarihan-kevitra: Ny fitiavana an’Andriamanitra dia miseho sy tanteraka amin’ny fitiavana hanompo Azy. Ny hoe “manompo Azy” dia ny manaiky Azy ho Tompo ka manao ny sitrapony, mino ny teniny, ary mankatò ny didiny. Fa hoy Jesosy tamn’ny mpianany: “Raha tia Ahy hianareo dia mitandrina ny didiko” Jao.14:15. Fa mahafaly ny Tompo ny mitandrina ny didiny ary loharanon’aina mahavelona ho an’izay manao izany (Neh.9:29).
Talata 13: Mitia an’Andriamanitra amin’ny finoana Azy.
“Fa izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena” Rom.10:13a. Vakiteny 1: Jao.3:25-36. Vakiteny 2: Rom.10:1-13. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: Rom.10:11-13. Fitarihan-kevitra: Ny finoana an’Andriamanitra dia mariky ny fitiavana Azy. Fa “ny fitiavana mino ny zavatra rehetra” 1 Kor.13: 7b. Izay tia an’Andriamanitra dia tia ny fisehoan’ny voninahiny, dia ny fisandratany eo aminy olona sy izay rehetra nohariany. Amin’ny alalan’ny finoana no mahatanteraka izany. Fa hoy ny Tompo: “Ary ny oloko marina dia ho velon’ny finoana” Heb.10:38. Hoy Jesosy tamin’i Marta: “Tsy voalazako va fa raha hino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra” Jao.11:43. .
Alarobia 14: Mitia an’Andriamanitra ka mifaningotra aina Aminy. “Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy” Jao.10:27. Vakiteny 1: Ezek.34:11-15. Vakiteny 2: Jao.10:23-38. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.10:27-28. Fitarihan-kevitra: Ny hoe “mifaningotra” dia mifamatotra sy miray antoka noho ny fitiavana. Tamin’izany no nahatonga an’i Jesosy hiteny tamin’ny mpianany hanao hoe: “Izaho no voaloboka, hianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona” Jao.15:5. Koa raha nilaza Izy hoe: “Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa” Jao.14:12, dia nanome toky hoe: “tsy hisy handrombaka azy amin’ny tanako” Jao.10:28b.
Alakamisy 15: Ny mino velona ho an’Andriamanitra. “Fa Kristy no anton’ny ahavelomako” Fil.1:21a. Vakiteny 1: Jao.6:32-40. Vakiteny 2: Fil.1:12-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Fil.1:21. Fitarihan-kevitra: Ny mariky ny fitiavana an’Andriamanitra dia ny fanoloran-tena ho velona ho Azy. Koa amin’izany dia hoy i Paoly tamin’ireo mpino tany Roma: “Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy* mety hataonareo izany” Rom.12:1. Ary dia hoy izy: “Fa Kristy no anton’ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony” Fil.1:21.
Zoma 16: Sitrak’Andriamanitra ny fitia mifamaly. “Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko?” Sal.116:12. Vakiteny 1: Mat.26:6-13. Vakiteny 2: Sal.116:1-15. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: Sal.116:12. Fitarihan-kevitra: Ny fanjakan’Andriamanitra dia fanjakan’ny fitiavana izay mahatonga ny fifankatiavana. Andriamanitra efa tia, koa isika dia tokony ho tia Azy koa. Nanasitrana ireo boka folo lahy Jesosy ka nandefa azy ireo hiseho amin’ny mpisorona, kanjo ny iray ihany izay Samaritana no niverina nisaotra an’Andriamanitra. Koa dia hoy Izy: “Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy?” Lio.17:17. Ny maha-zanak’Andriamanitra dia ny fitiavana Azy. Fa “Ny vokatry ny Fanahy dia fitiavana” Gal.5:22a.
Sabotsy 17: Ny mino velona amin’ny fitiavana an’Andriamanitra. “Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay” 2 Kor.5:14a. Vakiteny 1: Jao.21:15-17. Vakiteny 2: 2 Kor.5:11-15. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 2 Kor.5:14. Fitarihan-kevitra: Antom-pahavelomana ambony sady azo antoka indrindra ny mitia an’Andriamanitra. Ankasitrahany tokoa izany, fa “Ny Tompo mahalala ny Azy” 2 Tim.2:19. Ary dia ataony ho “fanaka homem-boninahitra” 2 Tim.2:20 izy fa matoky Azy sady itokisany. Miahy azy tokoa Izy ka manao hoe: “Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy” Sal.91:14. Dia hoy Izy: “Midira amin’ny fifalian’ny Tomponao” Mat.25:21.
Ny perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi- madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org 24 ora/7 andro: fampianarana, hira, … © Madanet