FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha Fiombonam-bavaka Alahady XXIII manaraka ny Trinite Herinandro 16-21 Novambra 2020 *

“Mandovà ny fanjakan’Andriamanitra”

Fitaomana sy fanasana amim-pitiavana no atolotra antsika eto, dia ny handray sy handova ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaina amin’izany fa misy fanjakana roa ahazoan’ny olona misafidy : Ny iray dia ny fanjakan’Andriamanitra izay Mpahary sy Tompony,  ka mametraka ny lalàna mifehy azy, dia ”tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina” Rom.14:17. Araka izany, ny fanjakan’Andriamanitra dia miorina amin’izay lazain’ny Soratra Masina, ary ny Fanahy Masina tokoa no mitarika sy mampianatra ary mampahery ny olon’Andriamanitra, dia ny fiombonan’ny mino, na ny fiangonana. Ny iray dia ny ”fanjakan’izao tontolo izao”, ka ny ”mpanjakan’ny fahamaizinana” (Efes.6:12), dia Satana, fahavalon’Andriamanitra sy mpisandoka ny asany, no manapaka ao, ka mampanao ny tsy fahamarinana sy ny faharatsiana rehetra, ary mamitaka sy mahavery ny olona izay manaraka azy amin’ny fampanjakana  ”ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao” (1 Jao.2:16), ka ”ny kibony no Andriamaniny” Fil.3:19. Koa dia tsy misy iraisana izy roa ireo, fa samy manana ny fombany, ny fisainany, ny fanahy izay miasa ao aminy, ka hoy ny tenin’ny Tompo : ”Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana’ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala (Satana)?”  2 Kor.6:14-16. Ary dia hoy ny Apostoly Jaona tamin’ireo zanany ara-panahy manao hoe: ”Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray” 1 Jao.21:15. Rehefa izany, dia hoy ny tenin’Andriamanitra: ”Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo. Ary ho Rainareo Aho, ary hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha – Isa.52:11,12” 2 Kor.6:17-18. Fa hoy ny Tompo: ”AHY HIANAO” Isa.43:1.

Alatsinainy 16: Ny fanjakan’Andriamanitra, fanjakan’ny fahamarinana.

“Indro, araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka, ary ny lehibe hanapaka araka ny rariny » Isa.32 :1.

Vakiteny 1 : Sal.110 :1-7. Vakiteny 2 : Isa.32 :1-8. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Isa.32 :1.

Fitarihan-kevitra: Ny fanjakan’ny fahamarinana dia ny fanjakan’ny tenin’Andriamanitra. Hoy ny vavaka nataon’i Jesosy ho an’ny mpianany: ”Manamasìna azy amin’ny fahamarinana, ny teninao no fahamarinana” Jao.17:17. Hoy ny mpanao Salamo: ”Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra” Sal.119:160. Hoy Jaona Apostoly: ”Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako” 3 Jao.4.

Talata 17: Ny fanjakan’Andriamanitra, fanjakan’ny fiadanana.

“Mba hatao izay fangatahana. ho an’ny mpanjaka… mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay.. » 1 Tim.2 :2.

Vakiteny 1 : Lio.2 :8-14. Vakiteny 2 : 1 Tim.2 :1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : 1 Tim.2 :1-2.

Fitarihan-kevitra: Andriamanitra dia Andriamanitry ny fiadanana (1 Kor.14:33), ka ny fiadanana no manapaka ny fanjakany sady foto-piainan’ny olony izay atao hoe ”zanaky ny fiadanana” Lio.10:6. Ny fiadanana dia ny fihavanana amin’Andriamanitra  amin’ny alalan’i Jesosy Krirsty izay ”Andrian’ny fiadanana”  Isa.9:5. Hoy Jesosy: ”Fiadanana ho anareo” Jao.20:19.

Alarobia 18: Ny fanjakan’Andriamanitra, fanjakan’ny Fanahy Masina.

Fa ny fanjakan’Andriamanitra dia… ao amin’ny fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina” Rom.14:17.

Vakiteny 1 : Jao.20:18-23. Vakiteny 2: Rom.14:13-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Rom.14:17.

Fitarihan-kevitra: Ny Fanahy Masina no hery sy fahamarinan’Andriamanitra izay miasa hanavao ny fiainan’ny olona mba handovany ny fanjakan’Andriamanitra. Hoy Jesosy tamin’i Nikodemosy: ”Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy” Jao.3:5. Koa  ”Raiso ny Fanahy Masina” Jao.20:22.     

Alakamisy 19: Ny fanjakan’Andriamanitra, fanjakan’ny fitiavana.

”Na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho” 1 Kor.13:2b.

Vakiteny 1: Sal.33:1-3. Vakiteny 2: 1 Kor.13:1-3. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Kor.13:2b.

Fitarihan-kevitra: Ny fanjakan’Andriamanitar dia fanjakan’ny fitiavana, satria ”Andriamanitra dia fitiavana” 1 Jao.1:14. Fa izay tsy manam-pitiavana dia tsy mbola mahalala an’Andriamanitra, fa ny fitiavana no mampiray amin’Andriamanitra. Hoy Jesosy: ”Izaho no voaloboka, hianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona” Jao.15:5. Fa amin’ny dia ”Ny fitiavana no lehibe indrindra”1 Kor.13:13.  .

Zoma 20: Katsaho ny fanjakan’Andriamanitra.

“Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany” Mat.6:33.

Vaikietny 1 : Rom.8:28-31. Vakiteny 2: Mat.6:28-34. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Mat.6:33.

Fitarihan-kevitra: Foto-piainana azo antoka indrindra ary tsy misy toa azy ny misafidy ny fanjakan’Andriamanitra. Izany dia ny famelana an’i Jesosy Kristy hiditra sy hanjaka ao am-po mba handraisana famonjena, ”Satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao hianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena hianao” Rom.10:9. Hoy Jesosy: ”Indro, ny fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo” Lio.17:21, dia hianareo izay mino ny Anarany.   

Sabotsy 21: Mandovà ny fanjakan’Andriamanitra.

”Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao” Mat.25:34.

Vakiteny 1:  Isa.25:6-9. Vakiteny 2: Mat.25:31-40. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.25:34.

Fitarihan-kevitra: Tsy misy olona tafiditra ny fanjakan’ny lanitra raha tsy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Irery Ihany, izay manana ny fanalahidin’ny fanjakany, izay ”mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy hisy hamoaha” Apok.3:7. Fa hoy Izy: ”Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako” Jao.14:6. Ho an’ny olony mahatoky sy izay rehetra mibebaka Aminy marina dia hoy Izy: ”Midira amin’ny fifalian’ny Tomponao” Mat.25:21.  

Ny perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook Hira sy Filazantsara”.  Henoy ny hifiradio.org 24 ora/7 andro: fampianarana, hira, …          © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *