Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Epifania 04-09 Janoary 2021

“ Epifania, Andriamanitra miseho ”

Raha lazaina fa ny Epifania dia midika ho ny ”fisehoan’Andriamanitra amin’ny olona”, dia misy endrika telo isehoan’izany: 1/ Andriamanitra miseho, satria misy ny mangetahet a mitady Azy. Tanteraka amin’izany araka ny fampianarana nataon’i Jesosy tao an-tendrombohitra manao hoe: ”Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana” Mat.5:6. Tanteraka indrindra tamin’i Zakaiosy mpamory hetra izany, izay naniry fatratra ny hahita an’i Jesosy, kanefa tsy afaka noho ny habetsahan’ny olona nifanety sy noho izy fohy; koa hany heriny dia ny nananika aviavy mba hahita ny Tompo. Koa rehefa nandalo Jesosy ary nahita ny hetahetan’ny fony nitady Azy, dia hoy Izy taminy: ”Ry Zakaiosy, midìna faingana fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio” Lio.19:5. 2/ Andriamanitra miseho ho Mpamonjy amin’izay miantso Azy, ary ho Mpitsara amin’izay minia tsy mino sy manohitra Azy: Fa ”izay rehetra miantso ny Anarany no hovonjena” Rom.19:13. Koa ho an’izay mino Azy dia fotoana lehibe indrindra eo amin’ny fiainany ny fisehoan’ny Tompo izay nandrasany mafy. Fa voasoratra hoe: ”Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho Aminy koa amin’ny voninahitra hianareo” Kol.3:4. Ary dia hoy koa ny Apostoly Jaona: ”Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa” 1 Jao.3:2b. Amin’izany dia hoy Jesosy: ”Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran’ny Zanaka-lahy Tokan’Andriamanitra izy” Jao.3:18. 3/ Andriamanitra miseho satria misy ny manadino Azy, na mivadika Aminy mihitsy aza, eny, na dia efa nampahitany ny asany sy ny voninahiny aza izy. Koa dia mbola miseho Izy mamindra fo aminy ka manao hoe: ”Miverena hianao, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo” Jer.3:22, koa ”Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy” Isa.1:18. Koa dia mahereza mitady Azy, fa ”izay mitady no mahita” hoy Jesosy, Mat.7:8b.

Alatsinainy 04: Ny Epifania, fahazavana ho an’ny firenena rehetra.
“Avia, ary aoka isika handeha amin’ny fahazavan’i Jehovah” Isa.2:5.
Vakiteny 1: Mat.11:1-6. Vakiteny 2: Isa.2:1-5. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.2:5.
Fitarihan-kevitra: Ny fahazavan’Andriamanitra miseho, dia ny fahamarinany. Takona noho ny ota ny masom-panahin’ny olona ka tsy afaka mahita ny voninahitr’Andriamanitra. Koa dia nomen’Andriamanitra antsika ny Epifania ho fampahiratana ny masontsika jamba, dia ny hahita ny voninahitr’Andriamanitra miposaka amintsika ka hahalala ny marina, ary dia hiteny toy ilay jamba nositranin’i Jesosy ka hanao hoe: “Jamba teo aloha, fa mahiratra aho izao” Jao.9:25b.

Talata 05: Jesosy, Epifanian’Andriamanitra.
“Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa hianao, mba ho famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany” Isa.49:6b.
Vakiteny 1: Jao.8:12-19. Vakiteny 2: Isa.49:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.49:6.
Fitarihan-kevitra: Ny haizina manarona ny tany (Isa.60:2), eny, na dia ny Isiraelin’Andriamanitra aza (Isa.42:19). Saingy tsy foin’Andriamanitra kosa ny olony ka nanirahany ny Zanany. Fa hoy ny fanambaran’i Jaona ny amin’i Jesosy: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara [Azy]” Jao.1:18. Ho an’izay nino ka nandray Azy, dia hoy Jesosy: “Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao” Lio.18:42.

Alarobia 06: Ny Isiraely, vavolombelon’Andriamanitra.
“Ary hoy Izy tamiko: Mpanompoko hianao, ry Isiraely ô. Izay entiko mampiseho ny voninahitro” Isa.49:3 .
Vakiteny 1: Mat.5:14-16. Vakiteny 2: Isa.49:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.49:3.
Fitarihan-kevitra: Fanekena ambony no nataon’Andriamanitra tamin’ny Isiraely olony, dia ny ho “Mpaneho ny voninahiny eo amin’ny firenena”, dia ny maha-Andriamanitra Tompo sy Mpahary Azy, ka tsy misy hafa. Izany no nikoizan’ny firenen-kafa azy. Nataony ho “Fanaka nomem-boninahitra” izy (2 Tim.2:20), fa tanteraka taminy araka ny voasoratra hoe: “Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa” Rom.8:30.

Alakamisy 07: Ny Mpanompon’i Jehovah mitondra ny fahazavany.
“Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra” Mat.12:18a.
Vakiteny 1: Isa.9:1-5. Vakiteny 2: Mat.12:15-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.12:18.
Fitarihan-kevitra: Nomen’ny Ray Jesosy Kristy Zanany “mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” Jao.3:16b. Sambatra izay nandray Azy, fa toy ireo Jiosy izay voasoratra hoe: “Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy” Jao.1:11 Ny Epifania: famonjena ho an’ny mino, fanamelohana kosa ho an’ny tsy mino (Jao.3:19).

Zoma 08: Mandehana amin’ny fahazavan’Andriamanitra.
“Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava” Efes.5:8b.
Vakiteny 1: Jao.12:27-36. Vakiteny 2: Efes.5:8-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2:
Fitarihan-kevitra: Voalazan’ny Soratra Maisna fa “misy ny zanaky ny mazava” araka ny voasoratra amin’ny perikopa androany, ary misy koa ny “zanaky ny helo” Mat.23:15 araka ny tenin’i Jesosy tamin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy (Mat.23:15). Sokajy roa samy hafa napetraky ny Tompo hisafidianan’ny olona izany; fa hoy Izy: “Miantso ny lanitra sy ny tany Aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao” Deo.19:30.

Sabotsy 09: Mitsangàna fa miposaka ny fahazavan’Andriamanitra.
“Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao” Isa.60:1a.
Vakiteny 1: Mat.4:12-17. Vakiteny 2: Isa.60:1-3. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.60:
Fitarihan-kevitra: Ny fahazavana tonga eo amin’ny olona dia ny fiposahan’ny voninahitr’Andriamanitra. Tanteraka izany tamin’ny fahatongavan’i Jesosy hanafaka ny olony. Fa hoy Izy: “Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin’ny jamba, Hanafaka izay nampahorina, Hitory ny taona ankasitrahan’i Jehovah – Isa.61:1,2)” Lio.4:18-19.

Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org 24 ora/7 andro: fampianarana, hira, … © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *