Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady VI manaraka ny Epifania 15-20 Febroary 2021 “Izaho no Andriamanitrao” *

Teny mahery sy mivantana avy amin’Andriamanitra ny hoe ”Izaho no Andriamanitrao”, dia teny mafy fampahatisahivana ny Isiraely olony izay efa nanaovany fanekena raha tonga hamonjy azy ho afaka amin’ny fanandevozan’ny Egyptiana Izy manao hoe: ”Dia halaiko ho Ahy hianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin’ny fanompoana mafy ampanaovin’ny Egyptiana anareo” Eks.6:7. Ary dia izany no mbola nanteriny taminy fony izy babo tany Babyblona raha hoy Izy manao hoe :”Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko” Jer.31:33. Fa efa nandidy tokoa Izy manao hoe: ”Aza manana Andriamani-kafa, fa Izaho ihany” Eks.20:3. Saingy maditra sady tsy marina ny fon’ny olona (Rom.3:9), noho ny filàna izay miasa ao anatiny ka mibaiko sy manandevo azy, ary manakely sy manafoana ny fitiavany an’Andriamanitra (Jao.5:43) sy ny fitandremana ny didiny (Jao.14:15). Koa dia mora mirona hiala Aminy izy, manaiky ho voataonan’ny devoly fahavalon’Andriamanitra. Ary dia tarihiny izy hanompo ”andriamani-kafa” izay tsy Andriamanitra akory, izay tsy mahavonjy na mahavelona azy! Koa ny hoe ”Izaho no Andriamanitrao” dia mbola feon’Andriamanitra miantso ny olony hiverina Aminy, ary hanomezany toky azy manao hoe: ”Miverena hianao, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo” Jer.3:22. Fa izay manompo ny nofo dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo, dia izay mamafy ho amin’ny fahafatesana.(Gal.6:8). Fa mahatafiditra amin’ny lalan-tsarotra mahafaty ny fisarahana amin’Andriamanitra, toa an’i Adama sy Eva, izay nanjary tsy manana mpiahy intsony. Koa dia mbola manome tokim-pamonjena lehibe ho an’ny olony mpanota Izy, izay hotanterahiny amin’ny fiverenany Aminy, araka ny teniny manao hoe: ”Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao…” Isa.41:10. Eny, hoy ny Tompo : ”Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao” Isa.41:13b.

Alatsinainy 15: “Izaho no Andriamanitrao”.
“Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy hianao” Sal.50:15.
Vakiteny 1: Rom.10:11-15. Vakiteny 2: Sal.50:7-23. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.50:15.
Fitarihan-kevitra: Andriamanitra tsy mahafoy ny olony, ka miantso azy hiverina Aminy. Ento eo aminy ny adinao, ary itomanio eo aminy ny fahorianao, ny fahavoazanao. Fa “Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy” Sal.46:1. Naniraka an’i Jesosy Kristy Zanany Izy mba“hitady hamonjy ny very” Lio.19:10, fa nirahiny Izy tsy ny hanameloka fa hamonjy (Jao.3:17).

Talata 16: Jesosy Kristy no manambara ny Ray
« Ity no Zanako malalako izay sitrako” 2 Pet.1:17.
Vakiteny 1: Kol.2:9-15. Vakiteny 2: 2 Pet.1:12-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 2 Pet.1:17.
Fitarihan-kevitra: Jesosy tokoa no Mpanambara an’Andriamanitra Ray. Fa hoy Jaona : “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy” Jao.1:18. Sambatra izay nandray an’i Jesosy fa “omeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra” izy (Jao.1:12), dia zanaka mandova an’Andriamanitra (Rom.8:17).

Alarobia 17: Jesosy irery ihany no jereo.
“Ary nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona, afa-tsy Jesosy irery ihany” Mat.17:8.
Vakiteny 1: Heb.12:1-3. Vakiteny 2: Mat.17:1-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.17:8.
Fitarihan-kevitra: Nanontany tamin’i Jesosy Filipo nanao hoe: “Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay” dia hoy Izy taminy: “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; … Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa” Jao.14: 8-10. Ny asan’ny Ray ao amin’i Jesosy dia ny mamonjy ny olona; koa “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao” Asa.16:31.

Alakamisy 18: Esory ny andriamani-tsi-izy rehetra.
“ Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ny jentilisa tamin’ny… fanompoan-tsampy izay fady indrindra” 1 Pet.4:3.
Vakiteny 1: Ezek.6:1-8. Vakiteny 2: 1 Pet.4:1-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Pet.4:3.
Fitarihan-kevitra: Lazaina eto fa “fady indrindra ny fanompoan-tsampy” satria fandrafiana an’Andriamanitra, dia ny mampietry Azy hitovy amin’ny zavatra nohariany sy nataon’ny tanan’olombelona ka nandidiany hoe: “Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy” Eks.20:4,5. Fa ny manompo sampy, izay midika ho “zava-poana mandainga” Sal.31:5, dia tsarain’Andriamanitra sy ataony ho tsinontsinona tahaka ny sampy notompoiny (Deo.32:21).

Zoma 18: Torio sy ambarao Andriamanitrao.
“Aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, … dia Izy no itsanganan’io lehilahy io finaritra eto imasonareo” Asa.4:10.
Vakiteny 1: Jao.1:43-49. Vakiteny 2: Asa.4:1-12. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Asa.4:10.
Fitarihan-kevitra: Izay rehetra nahalala an’i Jesosy ho Tompo sy Kristy dia tsy afaka mangina tsy hanambara Azy fa hiloa-bava toa an’i Jaona Apostoly hanao hoe: “Izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ny tananay, dia ny amin’ny Teny Fiainana, .. izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa” 1 Jao.1:1-3. Hoy Paoly tamin’i Timoty: “Mitoria ny teny, mazotoa na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana” 2 Tim.4:2.

Sabotsy 19: Omeo voninahitra Andriamanitrao.
“Ary ho an’ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an’Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena” 1 Tim.1:17.
Vakiteny 1: Mar.8:34-38. Vakiteny 2: 1 Tim.1:12-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Tim.1:17.
Fitarihan-kevitra: Raha ny olombelona no lazain’ny Soratra Masina hoe “omeo haja ho an’izay tokony hajaina” Rom.13:7, tsy mainka va ny tokony hanomezany voninahitra an’Andriamanitra izay nahary azy hitovy endrika Aminy (Gen.1:26), ary indrindra nanao fanavotana ny mpanota mba handovany ny fiainana mandrakizay (Jao.3:16)? Koa andeha hiray feo amin’ny mpanao Salamo isika ka hanao hoe: “Ry firenena, manomeza an’i Jehovah ny voninahitry ny anarany ” 1 Tan.16:29.

Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-
madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org 24 ora/7 andro: fampianarana, hira, … © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *