Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady IV mialoha ny Paska 01-06 Marsa 2021 “Andriamanitra Mpamonjy ny olony” *

Ny tany dia tsy ilaozam-pahoriana, ary ny mpino dia mety hiharan’izany tokoa. Fa voasoratra hoe: ”Izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa” 1 Jao.5:19. Fa isaorana ny Tompo izay ”nanolotra ny tenany.. hanafaka antsika amin’izao miara-belona ratsy fanahy izao, dia amin’izao andro ratsy izao” (Gal.1:4). Fa tanteraka ankehitriny ny fanambarana nataon’i Paoly tamin’i Timoty manao hoe : ”Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy [Gr. manao blasfemia], tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny” 2 Tim.3:1-4. Teny fandinika sy mampandini-tena indrindra izany; anefa koa teny itaoman’Andriamanitra antsika mba hanamafy orina ny finoantsika, ka hibanjina an’i Jesosy Ilay ”Tompon’ny finoana sy Mpanefa azy” Heb.12:2. Fa hoy Izy: ”Ny oloko marina dia ho velon’ny finoana, fa raha mihemotra izy dia tsy sitraky ny fanahiko” Heb.10:38. Tokim-pandresena lehibe tokoa izany, ”Fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak’Andriamanitra?” 1 Jao.5:4-5. Fa efa niteny Jesosy tamin’izay rehetra manaraka Azy manao hoe: ”Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao” Jao.16:33b. Koa amin’ny adiny rehetra, dia mampahery azy ny tenin’i Paoly manao hoe: ”Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika” Rom.8:37. Fa asehon’ny Tompo fa miahy ny olony toy ny anakandriamasony Izy, fa Izy dia Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana (Sal.46:1) ka tsy manary ny olony na mamela azy hangaihay (Heb.13:5). Fa hoy Jesosy: ”Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho” Jao.14:18.

Alatsinainy 01: Andriamanitra Mpamonjy ny olony. “Ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin’ny fampahoriana hianao” 2 Sam.22:3b. Vakiteny 1: Isa.51:7-11. Vakiteny 2; 2 Sam.22:1-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : 2 Sam.22:3. Fitarihan-kevitra: Maro ny ady sy ny fakam-panahy nahazo ny olon’Andriamanitra toa an’i Davida, kanefa tamin’izany rehetra izany dia namonjy azy Izy. Fa amin’ny andro fahoriana indrindra no isehoany fa akaiky fo amin’ny olony Izy, dia amin’izay manaiky Azy. Fa Davida dia voalaza fa “lehilahy araka ny fon’Andriamanitra” 1 Sam.13:14. Ho an’ny olona toy izany, dia hoy ny Soratra Masina : “Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin’izay rehetra halehanao” Sal.91:11.

Talata 02: Andriamanitra mampahery ny olony. “Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana”Apok.3:10b. Vakiteny 1: 2 Tim.4:1-8. Vakiteny 2; Apok.2:8-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Apok.2:10. Fitarihan-kevitra: Ny hoe ”mampahery” dia ny mamporisika tsy hatahotra foana, ary mampandresy. Isan’ny fahavalo iray mamely ny olona ny tahotra; ka hoy ny tenin’Andriamanitra : “Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly, ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana” Heb.2:14-15.

Alarobia 03: Andriamanitra manafaka ny olony amin’ny fanandevozana. “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo” Jao.8:32. Vakiteny 1: Efes.3:1-13. Vakiteny 2; Jao.8:31-44. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Jao.8:32. Fitarihan-kevitra: Ny mahajamba ny olona dia ny fanandevozan’ny ota sy ny devoly. Fa hoy ny Tompo: “Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy” Isa.59:2. Rava tanteraka izany noho ny asa fanavotana nataon’i Jesosy (1 Jao.2:2). Ary dia hoy koa Paoly ny amin’ny devoly: “Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’i Satana faingana eo ambanin’ny tongotrareo” Efes.6:12.

Alakamisy 04: Andriamanitra miahy ny ondriny hahavonjy azy. “Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry” Jao.10:11. Vakiteny 1: Ezek.34:11-16. Vakiteny 2; Jao.10:11-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Jao.10:11.
Fitarihan-kevitra: Raha voalazan’ny Soratra Masina fa misy ny “mpiandry ondry manatavy tena” (Ezek.34:2), izay tsy mahalala afa-tsy ny ho azy ihany ary manao ny kibony ho andriamaniny (Kol.3:19), dia isaorana an’Andriamanitra fa nisy ary mbola misy ireo mpiandry ondry mahatoky toa an’i Paoly nanao hoe: “Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra” Asa:20:24.

Zoma 05: Maimaimpoana ny famonjen’Andriamanitra. “Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana” Efes.2:8a. Vakiteny 1: Asa.8:14-24. Vakiteny 2; Efes.2:1-8. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Efes.2:8.
Fitarihan-kevitra: Ny hoe ”fahasoavana” dia midika fa Andriamanitra tsy mamaly antsika araka ny ratsy sy ny fahadisoana nataontsika, fa manarona ny ota rehetra kosa amin’ny fitiavany (Oha.10:12b), dia amin’ny famelana ny helotsika mba hahavonjy antsika noho ny ran’i Jesosy Zanany latsaka ho antsika tao Kalvary sy ny fifonana ataon’i Jesosy izay mitoetra eo amin-tanana ankavanan’ny Ray any an-danitra (Rom.8:34) sy ny Fanahy Masina izay mamonjy ny fahalementsika (Rom.8:26).

Sabotsy 06: Mahafatra-po ny famonjen’Andriamanitra. “Fa tamin’ny fahafenony no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana” Jao.12:16. Vakiteny 1: Sal.23:1-6. Vakiteny 2: Jao.1:14-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.12:16.
Fitarihan-kevitra: Nahita ny haben’ny famonjen’Andriamanitra sy ny fahasoavany Davida ka velon-kira nanao hoe: ”Ny kapoakako feno dia feno. Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako, ary hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava aho” Sal.23:5b-6. Fa hoy ny Tompo amin’ny olony: “Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsi-volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka” Isa.46:4.

Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi- madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org 24 ora/7 andro: fampianarana, hira, … © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *