1/ Ny fototra ara-tantara : izany dia tamin’ny alalan’ireo Raiamandrenin’ny Fifohazana Tobilehibe Efatra miray amin’ny FFPM : Dada Rainisoalambo (Toby Soatanàna 1895-1901), Neny Ravelonjanahary (Toby Manolotrony 1906-1972), Mama Volahavana Germaine Nenilava (Toby Ankaramalaza 1941-1998), Dadatoa Rakotozandry Daniel (Toby Farihimena, 1946-1947).
2/ Ny Teny Fanevan’ny Fifohazana : « Jesosy SY ny Soratra Masina Irery Ihany »
Nahoana moa no hoe « Jesosy SY ny Soratra Masina », fa tsy hoe « Ny Soratra Masina Irery Ihany » ?
Valiny :
a) Satria Jesosy no ivo sady fahatanterahan’ny fanambaran’ny Soratra Masina manontolo. Hoy Jaona Apostoly : « Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny» Jao.1 :14. Araka izany, Jesosy dia niseho mivantana tamin’ireo Raiamandreny loharano nipoirana, ka nanendry azy ireo hanangana ny « Asan’ny Fifozahana », dia ny : fampianarana, fampiofanana sy fanokanana mpiandry sy iraka, fananganana toby, fitaizana marary, ary indrindra ny fampitana ny hafatra avy amin’ny Tompo. Izany dia voarainy tamin’ny alalan’ny resaka mivantana nataon’i Jesosy taminy, dia teny faminaniana : Soratra Masina, fanambarana manokana, fahitana. Koa dia izy ireo no nekena ho « Apostoly sy mpaminany » izay nahita ny Tompo sy mampita ny hafany.
b) Miaraka amin’izany, dia nampahafantatra koa Izy fa : « Jesosy no Anarako ». Koa dia izay no anarana iantsoana Azy, fa tsy misy hafa (Jereo ny Fitsipika Anatiny, Fifohazana Tobilehibe Efatra).
3/ Fa misy tokoa ny mivoy ny hoe : ny Fifohazana dia « Ny Soratra Masina Irery Ihany ».
Ahoana ary ny amin’izany ?
a) ny Maha-marina izany :
. Ny « finoana » dia miorina amin’ny tenin’Andriamanitra, dia avy amin’ny tenin’i Kristy (Rom.10 :17).
. Ny voalazan’ny Soratra Masina no atao fanorenana, fa tsy zavatra hafa toy ny:
- Famantarana. Hoy Jesosy : «Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Mar.8 :12.
- Fahitana (vision) : « fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana » 2 Kor.5:7.
- Teny tsy fantatra : «izay maminany no mampandroso ny fiangonana » 1 Kor.14 :4.
b) Ny tsy maha-marina ny hoe « Ny Soratra Masina Irery Ihany » kosa, dia sanatria tsy izay avy amin’ny Soratra Masina, fa izay avy amin’izay mampita sy mampiasa azy.
Ny fanontaniana dia ny hoe « Voahajan’izay mitory azy marina ve ny tenin’i Kristy ? », sa « Fifohazana tsy marina, na sandoka, no vohiziny ?».
Ireto ny endrika hita sy fantatra momba izany : - fampianarana tsy araka ny Soratra Masina, na dia mampiasa ny Soratra Masina aza, dia ny olona izay tsy mizara mahitsy ny fahamarinana (2 Tim.2:15). Fa na ny devoly aza dia niseho ho nahay ny Soratra Masina ka sahy nampiasa izany mba hakana fanahy an’i Jesosy ! (Mat.4 : 1-11).
- faminaniana sandoka (fanambarana tsy voaporofo, tsy voazaha toetra). Milaza fa ny Tompo no miteny aminy sy mampiteny azy, saingy hoy Izy «Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah » Jer.23:32b.
- fifanoheran’ny teny sy ny asa ary ny toetran’ilay mpitory : «manana ny te-panahy araka an’Andriamanitra, fa nandà ny heriny » 2 Tim.3 :5. Tsy inona fa « fahavalon’ny hazo fijalian’i Kristy, ka ny kibony no andriamaniny » Fil.3 :18,19.
- ary indrindra mandà ny fanorenana nataon’Andriamanitra, dia ny Raiamandreny. Kanefa tsy ny Soratra Masina ve no mandidy hoe : « Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), « mba hahita soa hianao sy ho maro andro ambonin’ny tany – Deo.5 :16 » Efes.6 :2.
4/ Ny toerana sy anjaran’ny Raiamandreny eo amin’ny Fifohazana
. Ara-tantara : Izy ireo no angady nananana sy vy nahitana ny Fifohazana, ka niteraka azy teto Madagasikara. Izy ireo no nanaovan’Andriamanitra Fanekena, ary tamin’ny alalany no nahazoana ny Teny Fikasana mba handovan’ny taranaka izany rehetra izany. Tsy lany andro tsy akory ny teniny sy ny fampianarany, fa voasoratra hoe : « na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany » Heb.11 :4.
. Ara-tSoratra Masina, dia hoy ny Apostoly Paoly :
- « Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony hianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra, natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra » Efes.2 :19-20.
- Ary noho izany, dia hoy izy : « Fa na dia manana mpampianatra iray alina ao amin’i Kristy aza hianareo, dia tsy maro ray hianareo; fa izaho no niteraka anareo ao amin’i Kristy Jesosy tamin’ny filazantsara » 1 Kor.4 :15. Niteny amin’ny maha-Raiamandreny azy i Paoly eto.
- Modely ho tahafina. « Koa mananatra anareo aho: manahafa ahy hianareo » 1 Kor.4 :16. Eny, « Aoka hanahaka ahy hianareo, dia tahaka ny hanahafako an’i Kristy » 1 Kor.11:1.
- Ary noho izany dia hoy ny hafatra napetrany : « Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazòny ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin’ny teninay, na tamin’ny epistilinay » 2 Tes.2 :15.
Fa voasoratra hoe : - « Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ny vavanao, na amin’ny vavan’ny taranakao, na amin’ny vavan’ny taranaky ny taranakao, hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah” Isa.59:21.
- « Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin’ny taranakao mandimby anao hatramin’ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho » Gen.17 :7.
- « Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko hianao » Gen.22 :18 .
- « Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao » Isa.54 :13.
- «Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny razanareo, raha hoy Izy tamin’i Abrahama: Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany (Gen. 22. 18) » Asa.3 :25.
5/ Ny adidin’ny taranaka : aza atao tsirambina ny fanajana ny Raiamandreny na hamavoina ny teniny.
- « Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo. Eny, tsarovy Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka anareo » Isa.51 :1-2.
- Ny hafatr’i Mama : « Aza adino i Mama. Aza avelanareo ho faty ny fahatsiarovana ahy ».
- «Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany» Efes.6 :1.
FEHINY : Ny hafatr’ireo Raiamandreny ho an’ny zanaky ny Fifohazana, zanaky ny teny fikasana, tandroka sy antoky ny fanavotana ny firenena sy fitahiana ho azy, dia hoe : « Araka ny fahasoavan’Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny fanaon’ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana, ary ny hafa mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny“ 1 Kor.3:10.
Koa dia fantaro tsara ny fototra iorenana (2 Tim.2:12). Nomena indray mandeha izany tamin’ny alalan’ireo Raiamandreny, ka tsy misy na hisy hafa intsony. Fa amin’izany dia « tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy » 1 Kor.3 :11, ary miaraka amin’izany ny fanorenana izay nataon’i Jesosy Kristy ny amin’ny Fifozahana sy ny asany. Fa nataony ho « fototr’aina sy avokavoky ny fIangonana ny FIfohazana » Mat.16 :18. Koa dia « Miorena tsara, aza miova » 1 Kor.15:58.
Ho voninahitr’Andriamanitra !