FIANGONANA LOTERANA MALAGASY Hira & Filazantsara Alahady IV manaraka ny Paska: 3 – 8 Mey 2021 “Andriamanitra Fitiavana mampionona ny olony” *

Fitarihan-kevitra: Ny hoe “Andriamanitra fitiavana mampionona ny olony” dia manambara indrindra ny halehiben’ny fitserany sy ny famindrampony tsy mahafoy ny olony, ary tsy mamela azy ho kamboty na ho irery. Fa hoy ny toky nomeny ny Isiraely olony tra-pahakiviana fony izy sesin-tany tany Asyria: “Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao” Jer.31:3b,d. Ary dia hoy Izy nampahery azy vokatr’izany: “Hianao tsy hatao intsony hoe Nafoy, Ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao; Fa hianao hatao hoe Ilay sitrako, Ary
ny taninao hatao hoe Vady ampakarina; Fa sitrak’i Jehovah hianao, Ary ny taninao hampanambadina” Isa.62:4. Fa Andriamanitra tsy mba mifaly
amin’ny fahorian’ny olony, fa mifaly kosa amin’ny famonjena azy. Koa na dia lavo tao anatin’ny onaonan’ny fahotana aza ny olony, dia asehony
aminy fa tsy mahafoy azy Izy, fa mitaona azy hibebaka [izany hoe: hiverina aminy] ka manao hoe: “Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy,
Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, Ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; Ary aoka hiverina ho amin’i
Jehovah ireny, Fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’Andriamanitsika, Fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.” Isa.55:6-7. Nandinika tao
am-pony sy ny eritreriny ny fahavoazana lalina nanjo azy ilay zanaka adala voafitaky ny ditrany, ka nanapa-kevitra hiverina tany amin-drainy
nanao hoe: “Hiainga aho, dia hody any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy
miendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin’ny olona karamainao aho” Lio.15:18-19. Fa raha mbola lavitra izy, dia
tazan-drainy, izay onena azy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. Fampiononana ny zanaka izay nihevitra ny tenany ho
efa very zo izany, kanefa indrindra koa fampiononana ny fon’ny rainy koa, izay faly nahita indray ny zanany efa saiky very. Koa ny hoe:
“Andriamanitra Fitiavana mampionona ny olony” dia manambara ny firaisan’Andriamanitra antoka lalina amintsika zanany. Fa amin’ny olony izay mino sy matoky Azy tokoa dia manao fanekena Izy hoe: “Ho Rainareo Aho, ary hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy -Isa.52:11-12” 2
Kor.6:18.

Alatsinainy 3: Andriamanitra fitiavana mampionona ny olony ka mamela ny helony.
“Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, Dia afaka ny fahatezeranao, Ka mampionona ahy Hianao” Isa.12:1b.
Vakiteny 1: Sal.103:1-5. Vakiteny 2: Isa.12:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Isa.12:1.
Fitarihan-kevitra: Tsy mitana alahelo mandrakizay Andriamanitra. Eny, na dia teo aza ny fivadihan’ny Israely olony, firenena
nofidiny, taminy, sy ny nanafaizany azy vokatr’izany, dia hoy Izy: “Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo;
Mitoria teny soa mahafaly amin’i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony” Isa.40:1-2a. Izany
fon’Andriamanitra feno fitserana izany no nilazan’i Jesosy Kristy tamin’ilay lehilahy nararin’ny paralysisa hoe: “Matokia, anaka;
voavela ny helokao” Mat.9:2d.

Talata 4: Andriamanitra fitiavana mampionona ny olony ka miaro azy amin’ny fanamelohana.
“Izany no hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany, na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika” 1
Jao.3:19-20a.
Vakiteny 1: Zak.3:1-5. Vakiteny 2: 1 Jao.3:19-24. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : 1 Jao.3:19-21.
Fitarihan-kevitra: Jesosy Kristy dia tonga mba hamaha ny gadram-pahafatesana namatotra ny olombelona mpanota tafasaraka
tamin’Andriamanitra. Amin’izany dia tsy manameloka Izy fa mamela izay rehetra mino Azy ka matoky ny teniny. Hoy indrindra
Jesosy: “Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao
tontolo izao. Izay mino Azy dia tsy helohina” Jao.3:17-18a.

Alarobia 5: Andriamanitra fitiavana mampionona ny olony ka mamelona azy.
“Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro” Jao.7:37.
Vakiteny 1: Ezek.37:1-10. Vakiteny 2: Jao.7:37-39. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Jao.7:37-38.
Fitarihan-kevitra: Izay rehetra manaiky sy mandray ny famitram-pihavanana ataon’Andriamanitra aminy amin’ny alalan’i Jesosy
Kristy Zanany dia velominy ao amin’ny fiainana tsy manam-pahataperana. Fa hoy ny toky nomen’i Jesosy ho fampaherezana an’i
Marta: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona
ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay […]” Jao.11:25-26.

Alakamisy 6: Andriamanitra fitiavana mampionona ny olony ka mampahery azy noho ny fahalemeny.
“Ampy ho anao ny fahasoavako, fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemana” 2 Kor.12:9a.
Vakiteny 1: Jer.1:1-9. Vakiteny 2: 2 Kor.12:6-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny: 2 Kor.12:9.
Fitarihan-kevitra: Fantatr’Andriamanitra loatra ny fahalemen’ny mpanompony: “mety ihany ny fanahy”, hoy Jesosy, “fa ny nofo tsy manan-kery”
Mat.26:41/Mar.14:38. Ny mba hampahery ny olony indrindra no anomezan’i Jesosy azy ny teniny izay “fanahy sy fiainana” Jao.6:63d, sy ny
Fanahiny Masina: “Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i
Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany” Asa.1:8.

Zoma 7: Andriamanitra fitiavana mampionona ny olony ka mampifaly azy.
“Dia faly ny mpianatra raha nahita ny Tompo” Jao.20:20b.
Vakiteny 1: Sal.94:12-19. Vakiteny 2: Jao.20:11-20. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.20:19-20.
Fitarihan-kevitra: Fahoriana, ady mangotraka tsy miato no atrehin’ny olon’Andriamanitra eto amin’ity tany mandalo ity. Efa
nandalovan’i Jesosy Kristy Zanany avokoa anefa izany ka ahazoany mampionona sy mampahery azy manao hoe: “Aty amin’izao
tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao” Jao.16:33. Nandresy tokoa Jesosy,
“Izay velona mandrakizay mandrakizay” (Apok.4:9). Izany foto-pifaliana lehibe izany no nampanoratra an’i Paoly ny baiko hoe:
“Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo” Fil.4:4a.

Sabotsy 8: Andriamanitra fitiavana mampionona ny olony ka mampitoetra azy ao Aminy.
“Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy” 1 Jao.3:24a.
Vakiteny 1: Sal.91:1-8. Vakiteny 2: 1 Jao.3:19-24. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Jao.3:24.
Fitarihan-kevitra: Ray be fitia Andriamanitra, ary izany fony feno fitiavan-janaka izany no iahiany izay rehetra mino sy matoky ny
famonjeny ka nanamboarany “trano” mba hipetrahan’ny zanany rehetra miaraka Aminy mandrakizay. Nanome toky ny mpianany
momba izany Jesosy ka hoy Izy taminy hoe: “Fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra
fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” Jao.14:2d-3.
Sambatra tokoa izay hiara-mipetraka aminy, araka ny fanambaran’i Jaona Apostoly hoe: “Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony,
ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny” Apok.21:3b.

Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary
Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org, 24 ora/24,7 andro/7: fampianarana, hira… © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *