Fitarihan-kevitra: Ny votoatin-kevitry ny hoe “Andriamanitra mitsetra antsika mpanota”, dia Izy ontsa antsika ka mitsinjo ny aintsika tsy ho faty sy ny fanahintsika tsy ho very. Tampon’ny zava-manan’aina rehetra noharian’Andriamanitra teto an-tany isika olombelona, satria nataony “tahaka ny endriny” (Gen.1:27b), koa dia “tsy tiany hisy ho very” isika na dia iray akory aza (2 Pet.3:9). Saingy ny otantsika no efitra mampisaraka antsika amin’Andriamanitra (Isa.59:2), ary isika manota no mampahatezitra ny tavan’Andriamanitra amintsika ka hitsarany antsika (Sal.34:16). Tra-pahalemena tanteraka ny olombelona mpanota, tsy afaka mandresy ny ota amin’ny herin’ny tenany na ny herin’ny sainy ka dia voafatotra, araka ny voasoratra hoe: “izay maharesy ny olona dia mahandevo azy” 2 Pet.2:19b. Izany no nahatonga an’i Paoly Apostoly hibaboka hoe: “Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana,
saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato. Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. […] Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity?” Rom.7:18-19,24. Koa ny hoe “Andriamanitra mitsetra ny mpanota” dia maneho ny famindrampony lehibe amintsika olombelona mpanota, ratsy fanahy, malemy sy voafatotra, dia Izy nanao asam-pavotana maimaimpoana hahavonjy antsika, “fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin’ny fotoan’andro hamonjy ny ratsy fanahy” Rom.5:6. Efa naneho izany famindrampony izany tamin’ny Isiraely olony Izy fahizay raha niteny
hoe: “Ampionony, ampionony ny oloko, hoy Andriamanitrareo; Mitoria teny soa mahafaly amin’i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny [Na: tapitra ny fe-taom-panompoany], sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin’ny tànan’i Jehovah izy ho valin’ny fahotana rehetra nataony” Isa.40:1-2. Koa satria ny ota no efitra mampisaraka antsika amin’Andriamanitra, dia hoy ny antso sy baiko feno toky omeny: “Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, Ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; Ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, Fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’Andriamanitsika, Fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy” Isa.55:7. Ho amin’izany famelan-keloka sy fampiononana izay rehetra miaiky ny maha-mpanota azy izany ka miverina amin’Andriamanitra no
nahatongavan’i Jesosy, araka ny teniny hoe: “Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota” Mat.9:12,13b. Nataony ho sakaizany mihitsy isika mpanota hamonjena antsika ; fa hoy Izy hoe: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany” Jao.15:13. Ary dia nataony ho antsika tsirairay tokoa izany teo amin’ny hazo fijaliana. Koa “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao” Asa.16:31.
Alatsinainy 31: Andriamanitra mitsetra antsika mpanota ka mamonjy antsika.
“Fa tsy sitrako ny fahafatesan’izay maty, hoy Jehovah Tompo” Ezek.18:32a.
Vakiteny 1: Jao.10:1-10. Vakiteny 2: Ezek.18:30-32. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Ezek.18:32.
Fitarihan-kevitra: Ny olombelona rehetra no mpanota, fa “tsy misy marina isika na dia iray akory aza” Rom.3:10. Ary satria “fahafatesana no
tambin’ny ota” Rom.6:23a, dia nangoraka antsika ny fon’Andriamanitra ka naniraka ny Zanany Izy mba “hitady sy hamonjy ny very” Lio.19:10.
Jesosy Kristy no porofo tonga nofon’ny fon’Andriamanitra nitsetra antsika, araka ny voasoratra hoe: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao
tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” Jao.3:16.
Talata 01: Andriamanitra mitsetra antsika mpanota ka mitaona antsika hibebaka.
“Ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka” Asa.17:30b.
Vakiteny 1: Mat.4:12-17. Vakiteny 2: Asa.17:22-31. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Asa.17:30-31.
Fitarihan-kevitra: Efa hatrany am-boalohany Andriamanitra no tsy nitsahatra nandidy ny olombelona hiala amin’ny ratsy fanaony sy hiverina
Aminy, noho ny tsy fahazakany mahita ny mpanota very sy ory lavitra Azy. Hoy ny Soratra Masina: “Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana
Izy ka mandidy azy hibebaka hiala amin’ny ratsy” Joba 36:10. Mbola nanantitra izany antso sy baiko izany Jesosy Kristy, Tenin’Andriamanitra
tonga nofo, raha nanomboka nitory teny ka nanao hoe: “Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra” Mat.4:17.
Alarobia 02: Andriamanitra mitsetra antsika mpanota ka mamindra fo amintsika.
“[F]a araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika” Tit.3:5b.
Vakiteny 1: Hos.6:1-16. Vakiteny 2: Tit.3:3-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Tit.3:5.
Fitarihan-kevitra: Noho ny fony feno fitiavana dia nanapa-kevitra Andriamanitra hamela ny heloky ny olombelona. Maimaim-poana, tsy misy
tambiny izany araka ny soratr’i Paoly Apostoly hoe: “Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa
fanomezana avy amin’Andriamanitra; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha” Efes.2:8-9.Fahasambarana feno ho an’izay afaka mandray
izany, toa an’i Davida mpanjaka niloa-bava hoe: “Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo no ha naraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako, dia
hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava aho” Sal.23:6.
Alakamisy 03: Andriamanitra mitsetra antsika mpanota, ka mandefa iraka.
“Mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra” Mat.28:19a.
Vakiteny 1: Isa.40:1-11. Vakiteny 2: Mat.28:16-20. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.28:19.
Fitarihan-kevitra: Ny olombelona rehetra manerana izao tontolo izao no tian’Andriamanitra handre ny vaovao mahafalin’ny famelany ny heloky ny
mpanota sy ny famonjeny azy amin’ny alalan’i Jesosy Zanany, mba hino izy ireo ka ho voavonjy (Jao.3:36). Koa dia maniraka ny vavolombelony
maneran-tany Izy, noho ny fitsinjovany azy ireo. Isan’izany i Paoly Apostoly sahy nijoro nanao hoe: “Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa
herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ny Jiosy aloha, dia vao amin’ny jentilisa koa” Rom.1:16.
Zoma 04: Andriamanitra mitsetra antsika mpanota, ka mamahana antsika amin’ny teniny.
“Fa efa teraka indray hianareo, […] tamin’ny tsy mety ho lò, dia ny tenin’Andriamanitra” 1 Pet.1:23.
Vakiteny 1: Sal.119:33-40. Vakiteny 2: 1 Pet.1:13-23. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Pet.1:23.
Fitarihan-kevitra: Ny fanahy no maha-olona. Koa tsy tian’Andriamanitra ho diso anjara ny fanahy rehetra izay noana sy mangetaheta ny
fahamarinana, ary dia nomeny an’i Jesosy Kristy Zanany izy, Izay “làlana, sy fahamarinana, ary fiainana” Jao.14:6a. Antoka sy hery lehibe ho azy
izany, araka ny tenin’ny mpanao Salamo hoe: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao” Sal.119:105, sy ny soratr’i Paoly Apostoly
hoe: “Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy” Efes.6:17.
Sabotsy 05: Andriamanitra mitsetra antsika mpanota ka mivavaka ho antsika.
“Raiko ô, mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony” Lio.23:34a.
Vakiteny 1: Rom.8:26-34. Vakiteny 2: Lio.23:26-34. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.23:34.
Fitarihan-kevitra: Tsy nijanona tamin’ny asam-panavotana nataony ho antsika mpanota ny misionan’i Jesosy Kristy, Fitiavana,
Fitseran’Andriamanitra tonga nofo, fa mbola mitohy an an-danitra araka ny voasoratra hoe: “Koa amin’izany dia miendrika mba hatao tahaka ny
rahalahiny amin’ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho
ny heloky ny olona. Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin’ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy” Heb.2:17-18.
Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org, 24 ora/24,7 andro/7: fampianarana, hira… © Madanet