Ny hafatra: “Ny Fanahy Masina, fahendrena avy amin’Andriamanitra” dia manambara fa misy ny fahendrena avy amin’Andriamanitra sy manaraka an’Andriamanitra, ary misy ny fahendrena tsy avy amin’Andriamanitra sady tsy manaraka an’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina, fahendrena avy any ambony, avy amin’Andriamanitra, dia mitarika hiankina amin’Andriamanitra amin’ny finoana sy hikatsaka ary hanoa ny sitrapony. Ny fahendrena izay tsy avy amin’Andriamanitra kosa dia izay tsy miankina Aminy ary tsy mitady ny sitrapony. Izany dia ny fahendren’olombelona izay tsy tia an’Andriamanitra, ary tsy mino na miray antoka Aminy. Io dia avy amin’ny tany ka misaina “[…] araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an’ny demonia” Jak.3:15b. Ny Fanahy Masina, fahendrena avy amin’Andriamanitra, dia manome voninahitra an’Andriamanitra
nahary izao rehetra izao, toy ny mpanao Salamo nanao hoe : “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao [Na: ny harenao] ny tany” Sal.104:24. Satria tsinjon’ny olombelona fa toetra ambony ny manana fahendrena, dia milofo izy hitady fahendrena amin’ny alalan’ny filôzôfia, “fitiavana ny fahendrena”. Tsy ny filôzôfia no ratsy, fa raha izy no tsy miorina amin’ny finoana an’Andriamanitra dia lasa zava-poana sy fahadalana eo
imason’Andriamanitra, satria fahendrena tsy mahavonjy izany. Hoy ny tenin’Andriamanitra: “Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren’Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy
nahatonga izao tontolo izao hahalala an’Andriamanitra, ka dia ny fahadalan’ny fitorian-teny no sitrak’Andriamanitra hamonjeny izay mino” 1 Kor.1:21. Satria tsinjon’ny olombelona fa toetra ambony ny manana fahendrena, dia milofo izy hitady fahendrena amin’ny alalan’ny filôzôfia, ”fitiavana ny fahendrena”. Tsy ny filôzôfia no ratsy, fa raha
izy no tsy miorina amin’ny finoana an’Andriamanitra dia lasa zava-poana sy fahadalana eo imason’Andriamanitra, satria fahendrena tsy mahavonjy izany. Hoy ny tenin’Andriamanitra: “Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren’Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an’Andriamanitra, ka dia ny fahadalan’ny fitorian-teny no sitrak’Andriamanitra hamonjeny izay mino” 1 Kor.1:21. Sambatra sy mandray fitahiana kosa ny olona izay manana ny Fanahy Masina,
fahendren’Andriamanitra. Koa dia mamporisika antsika ny tenin’Andriamanitra manao hoe: “Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena [Na: kely fahendrena], aoka izy hangataka amin’Andriamanitra” Jak.1:5a. Fa “Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, Ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana, Dia hiaro anao ny fisainana mazava, Ary hiambina anao ny fahalalana” Oha.2:10-11. Ny atao ahazoana azy? Minoa an’i Jesosy, Fahendren’Andriamanitra (1 Kor.1:24), “Raiso ny Fanahy Masina” Jao.20:22, ary meteza ho tarihin’ny Fanahy (Gal.5:18), fa Izy no “Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina […]” Isa.11:2b.
Alatsinainy 7: Ny Fanahy Masina, fahendrena avy amin’Andriamanitra, fanomezany maimaimpoana.
“Ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina” Asa.2:38b.
Vakiteny 1: Rom.8:31-39. Vakiteny 2: Asa.2:36-39. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Asa.2:38.
Fitarihan-kevitra: Tsy vidiam-bola ny Fanahy Masina. Izany no nananaran’i Petera Apostoly mafy an’i Simona mpanao ody izay diso hevitra ny momba
Azy (Asa.8:9-24). Fanomezan’Andriamanitra maimaimpoana Izy, ary ny fibebahana, ny finoana an’i Jesosy Kristy sy ny fandraisana ny batisa no
anomezany Azy (Asa.2:38). Endriky ny fon’Andriamanitra mizara maimaimpoana ho an’izay mangetaheta ny Fiainana Izy araka ny voasoratra hoe: “Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina” Apok.22:17.
Talata 8: Ny Fanahy Masina, fahendrena avy amin’Andriamanitra, Fanahin’ny fitiavana.
“Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana […]” Gal.5:22.
Vakiteny 1: 1 Kor.13:4-13. Vakiteny 2: Gal.5:22-26. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Gal.5:22.
Fitarihan-kevitra: Andriamanitra Fitiavana dia manome maimaimpoana ny Fanahiny ho an’izay rehetra mandray an’i Jesosy Kristy Zanany ho Tompo sy Mpamonjy azy, sy vonona hiombona sy hiray antoka Aminy. Fiainana sy fahasambarana ho an’izay mandray Azy izany, araka ny tenin’i Jesosy manao hoe:
“Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ny Soratra Masina” Jao.7:38. Ary dia ho tanteraka aminy izay voalazan’ny mpanao Salamo hoe: “Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, Izay mamoa amin’ny fotoany, Ny raviny koa tsy mba malazo; Ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa” Sal.1:3.
Alarobia 9: Ny Fanahy Masina, fahendrena avy amin’Andriamanitra, mankasitraka Azy. “Hankalaza an’Andriamanitro aho, raha mbola miaina” Sal.104:33b.
Vakiteny 1: 2 Tes.5:16-24. Vakiteny 2: Sal.104:24-35. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.104:33.
Fitarihan-kevitra: Fisaorana, fankasitrahana, fankatelemana mitaona ho amin’ny fideràna an’Andriamanitra no ateraky ny Fanahiny Masina ao am-pon’izay resy lahatry ny fitiavany ka mandray Azy, araka ny ohatra nomen’i Jesosy Kristy Zanany, Izay nankalaza hoe: “Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany […]” Mat.11:25a. Toy izany koa ny mpanao Salamo rehetra, izay talanjona nahita ny halehibiazan’Andriamanitra ka nanome voninahitra Azy tamin’ny talenta noraisiny avy tamin’ny Fanahy Masina: “Miderà Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben’ny voninahiny” Sal.150:2.
Alakamisy 10: Ny Fanahy Masina, fahendrena avy amin’Andriamanitra, Fanahin’ny fiononam-po.
“Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana” 1 Tim.6:6.
Vakiteny 1: Mat.16:24-27. Vakiteny 2: 1 Tim.6:6-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Tim.6:6.
Fitarihan-kevitra: Izay nandray ny Fanahy Masin’Andriamanitra, fanahin’ny fahononam-po (Gal.5:23a), dia matoky tanteraka ny fitondràn’Andriamanitra azy ary mankasitraka izay anjara omeny. Feno fiadanam-po izy, ary afaka amin’ny fanahiana momba izao fiainana izao sy ny fieremana, izay fanompoan-tsampy (1 Tes.2:5). Hoy indrindra Jesosy: “Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafianay? […] fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany […]” Mat.6:31,32b. Ary dia hiloa-bava tahaka ny mpanao Salamo izy ka hanao hoe: “Raha be ny ahiahy ato anatiko, Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao” Sal.94:19.
Zoma 11: Angataho ny Fanahy Masina, fahendrena avy amin’Andriamanitra. “Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” Lio.11:13.
Vakiteny 1: 2 Tan.1:7-13. Vakiteny 2: Lio.11:5-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.11:13.
Fitarihan-kevitra: Tsara sady avo eo imason’Andriamanitra ny fananam-pahendrena avy amin’ny Fanahiny Masina, ary tiany ny olony hanana Azy, araka ny nampitenenany ny mpanao Ohabolana hoe: “Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy” Oha.16:16. Malalaka ny fony mpanome, ary tsy mba mandatsa, koa ho an’izay rehetra manatona Azy sy mangataka am-pahatsorana dia hoy Izy hoe: “Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany” Jak.1:5.
Sabotsy 12: Ny Fanahy Masina, fahendren’Andriamanitra, mitondra amin’ny fiainana mandrakizay.
“Fa ao amin’i Kristy ny lalàn’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalàn’ny fahotana sy ny fahafatesana” Rom.8:2.
Vakiteny 1: Jao.4:11-26. Vakiteny 2: Rom.8:1-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.8:2.
Fitarihan-kevitra: Mampianatra sy mitarika antsika amin’ny làlan’ny fiainana mandrakizay ny Fanahy Masina, dia ny finoana sy ny fankatoavana an’Andriamanitra ao amin’i Jesosy Kristy, Izay “làlana sy fahamarinana ary fiainana” Jao.14:6a. Hoy Jesosy: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy Izay efa nirahinao” Jao.17:3. Mahavery ny fahendrena ara-nofo avy amin’ny sain’ny olombelona, araka ny soratr’i Paoly Apostoly hoe: “Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; ary izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy” Gal.6:8. Fiainana mandrakizay tokoa no anjaran’izay manaiky ho tarihin’ny Fanahy Masina, fahendren’Andriamanitra, araka ny hafatr’i Jaona Apostoly hoe: “Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay” 1 Jao.2:17.
Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org, 24 ora/24,7 andro/7: fampianarana, hira… © Madanet