Fiangonana Loterana Malagasy Fiombonam-bavaka Alahady IV manaraka ny Trinite Herinandro 27 Jona – 03 Jolay 2021 “Ny fifadiana ankasitrahana”

Ny hafatra: Ny hevitra ara-panahin’ny hoe “fifadiana” dia milaza fandraràna ny olona tsy hanao asa, na hanendry hanina, na koa hanome toerana izay mety hanetsika filàna ara-nofo. Fa hoy ny Soratra Masina: “Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo” Gal.6:8a. Amin’izany dia misy ny fanavahana ataon’Andriamanitra, dia ny “fifadiana ankasitrahana”, ary ny “fifadiana tsy ankasitrahana”. Raha bangoina: ny fifadiana ankasitrahan’Andriamanitra, dia izay mikendry ny hahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra sy ny hampandroso ny fanjakany etỳ an-tany (Mat.6:10), ary miaraka amin’izany ny fahatanterahan’ny olon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra, araka ny vavaka nataon’i Jesosy manao hoe: “Manamasìna azy amin’ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana” Jao.17:17. Ny fifadiana ny ratsy izay halan’Andriamanitra (Oha.3:7) dia tsy misaraka amin’ny safidy
hivelona araka an’Andriamanitra. Fa hoy ny Apostoly Paoly: “Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy, na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana, na amin’ny fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana, na amin’ny fialonana. Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany” Rom.13:13-14. Koa dia “Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo hianareo” Gal.5:16, “Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany tamin’ny hazo fijaliana” Gal.5:24, izany hoe mifady ny fahotana. Ny “fifadiana
ankasitrahana” dia tsy endrika na fomba fanao ivelany, fa vokatry ny fo. Hoy Paoly Apostoly: “Fa tsy izay araka ny miseho no jiosy, ary tsy izay miseho eo amin’ny nofo no famorana; fa izay araka ny miafina no jiosy, ary ny famorana dia amin’ny fo, amin’ny fanahy, fa tsy amin’ny soratra” Rom.2:28-29a, araka ny teny famporisihana nataony manao hoe: “Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny
tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany” Rom.12:1. Misy ny “andro fifadiana” (Asa.27:9), eo koa ny tokony hahononan-tena ho amin’ny fivavahana (1 Pet.4:7); fa ny zava-dehibe dia ny manaiky an’i Kristy ho Tompo ao am-po (1 Pet.3:15a).

Alatsinainy 28: Ny fifadiana ankasitrahana: ny fiahiana ny namana.
“Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va, […] ka tsy hihirim-belona amin’ny namanao hianao?” Isa.58:7.
Vakiteny 1: Lio.10:25-35. Vakiteny 2: Isa.58:6-12. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.58:7.
Fitarihan-kevitra: Ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna (Rom.13:10b). Hoy Jesosy momba io fitiavana araka an’Andriamanitra io: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany” Jao.15:13. Araka izany, ny hoe “mifady ny ratsy” dia
tsy inona, araka an’Andriamanitra, fa ny fitiavana sy fanaovan-tsoa ny namana, araka ny fampianaran’i Jakoba Apostoly manao hoe: “Izao no
fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany, sy ny
miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao” Jak.1:27.

Talata 29: Ny fifadiana tsy ankasitrahana: ny fitiavan-tena.
“Anaka, tsarovy fa hianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin’ny andro niainanao” Lio.16:25a.
Vakiteny 1: Asa.5:1-11. Vakiteny 2: Lio.16:19-31. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.16:25.
Fitarihan-kevitra: Raha ny fitiavana ny namana no fahatanterahana ny lalàn’Andriamanitra, ny fitiavan-tena kosa no fandikàna azy.
Fitsaràn’Andriamanitra sy ozona mandrakizay no avalin’Andriamanitra izay tia tena ka tsy miahy ny namany, araka ny tenin’i Jesosy manao
hoe: “Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra
ireto no tsy mba nataonareo tamiko. Ary ireo dia hiala ho any amin’ny fampijaliana mandrakizay: fa ny marina ho any amin’ny fiainana
mandrakizay” Mat.25:45-46.

Alarobia 30: Ny fifadiana tsy ankasitrahana: ny fihatsarambelatsihy.
“Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao” Mat.7:5a.
Vakiteny 1: Gal.2:11-18. Vakiteny 2: Mat.7:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.7:5.
Fitarihan-kevitra: Halan’Andriamanitra indrindra ny fihatsaram-belatsihy, izany hoe ny miseho ho marina ivelany amin’ny fihetsika sy amin’ny vava, kanefa tsy mibebaka marina ao am-po. Hoy Jesosy: “Ary raha mivavaka hianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin’ny synagoga sy eo an-joron-dàlana hahitan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny
valim-pitiany” Mat.6:5. Andriamanitra dia tsy azo fitahina koa dia tsinontsinona Aminy ny fivavahana mihatsaravelatsihy. Hoy indrindra i Jakoba Apostoly: “Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’izany olona
izany” Jak.1:26.

Alakamisy 01: Ny fifadiana ankasitrahana: Ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra.
“Fa raha velona isika, dia velona ho an’ny Tompo” Rom.14:8a.
Vakiteny 1: Jos.24:11-15. Vakiteny 2: Rom.14:7-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.14:8.
Fitarihan-kevitra: Sitrak’Andriamanitra indrindra isika hanolo-tena hanompo Azy sy hitory ny famonjeny, ho setrin’ny nanolorany ny Zanany
Lahitokana ho avotra hisolo antsika mpanota (1 Tim.2:6). Izany no nampanoratra an’i Paoly Apostoly manao hoe: “Nefa tsy ataoko ho zavatra
akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran’ny
fahasoavan’Andriamanitra” Asa.20:24. Fanokanana ny fiainana iray manontolo ho an’i Jesosy no dikan’izany, izay nilazany hoe: “Tsy izaho
intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko” Gal.2:20.

Zoma 02: Ny fifadiana ankasitrahana: ny fahafoizana ho an’Andriamanitra.
“Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ny
fandatsahan-drakitra” Mar.12:43.
Vakiteny 1: 2 Kor.9:5-12. Vakiteny 2: Mar.12:41-44. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mar.12:43.
Fitarihan-kevitra: Ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra dia mitondra ho amin’ny fahafoizana izay nampindraminy antsika, – fotoana, hery,
fahasalamana, fahaizana, vola sy harena -, ho Azy sy ny namantsika. Hoy ny fampaherezan’i Paoly Apostoly momba izany: “Koa amin’izany, ry
rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefàbe mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo” 1 Kor.15:58.

Sabotsy 03: Ny fifadiana ankasitrahana: mifady ny ota.
“Fadio ny fanao ratsy rehetra” 1 Tes.5:22.
Vakiteny 1: Mat.5:43-48. Vakiteny 2: 1 Tes.5:12-24. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Tes.5:22.
Fitarihan-kevitra: Izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo (Heb.12:14b). Nananatra mafy ny mpino tao Korinto momba izany
Paoly Apostoly raha hoy izy hoe: “Mifohaza tsara, ary aza manota” 1 Kor.15:34a. Ny fifadiana ny filan’ny nofo amin’ny endriny rehetra
indrindra no isan’ny nokendren’ny Apostoly amin’izany, araka ny soratr’i Petera Apostoly hoe: “Ry malala, mananatra anareo aho, […] fadio
ny filan’ny nofo, fa miady amin’ny fanahy ireny” 1 Pet.2:11.

Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org, 24 ora/24,7 andro/7: fampianarana, hira, … © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *