Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XI manaraka ny Trinite, 15-21 Aogositra 2021 “Fahamarinana Andriamanitra” *

Ny hafatra: Andriamanitra dia fahamarinana satria tsy misy fitaka ao Aminy, eny, “Andriamanitra tsy mandainga” (Tit.1:2.) Fa voasoratra hoe: “Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?” Nom.23:19. Ary tsy tia lainga Izy ka dia hoy ny mpanao Salamo: “Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany” Sal.11:7, fa “ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny
marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. Ny tavan’i Jehovah tezitra amin’ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin’ny tany ny fahatsiarovana azy” Sal.34:15-16.
Tian’Andriamanitra koa isika olony hitovy toetra aminy, dia isika izay noraisiny ho an’ny tenany (1 Pet.2:9) ka nitenenany manao hoe: “Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko […]” Isa.43:10a, mba ho olona marina isika ka tsy hamitaka ary tsy ho tia fitaka, tahaka Azy tsy tia fitaka. Koa dia hoy ny didiny amintsika manao hoe: “Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay ratsy” Mat.5:37. Hoy Jesosy raha nananatra ireo Jiosy nanamarin-tena ho “taranak’i Abrahama” nanao hoe: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy
dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga” Jao.8:44.
Hoy kosa Izy amin’izay mitady Azy: “Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana” Mat.5:6. Ny fahamarinantsika? Dia ny mino an’i Jesosy nanaiky ho avotra noho ny fahotantsika, fa “[…] natao ho isan’ny mpanota Izy; eny, Izy no nitondra ny fahotan’ny maro sady manao fifonana ho an’ny mpanota” Isa.53:12b,d. Hoy ny Apostoly Jaona: “Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako” 3 Jao.4, satria “ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay” Isa.32:17b.

Alatsinainy 16: Fahamarinana Andriamanitra, koa nomeny ho antsika Jesosy Kristy ho mpanalalana.
“Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” Jao.14:6.
Vakiteny 1: Rom.4:16-25. Vakiteny 2: Jao.14:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.14:5-6.
Fitarihan-kevitra: Tsy misy fahamarinana ato anatintsika noho ny ota izay nampisaraka antsika tamin’Andriamanitra (Gen.3:23). Koa dia nomeny ho
antsika Jesosy Kristy Zanany ho avotra teo amin’ny hazo fijaliana, mba hampihavanana antsika Aminy indray (Mar.15:38). Ny finoana an’i Jesosy
no anamarinana antsika, araka ny faminanian’i Jeremia hoe: “Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana marina ho an’i Davida
[…] ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika” Jer.23:5,6b. Fa “tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana
hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena” Asa.4:12.

Talata 17: Fahamarinana Andriamanitra ka manamarina ny mpanota mibebaka.
“Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka […] manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra” 1 Jao.1:9.
Vakiteny 1: Lio.19:1-10. Vakiteny 2: 1 Jao.1:8-10;2:1-2. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Jao.1:9.
Fitarihan-kevitra: Izay mino sy matoky ny famelan-keloka atolotr’i Jesosy maimaimpoana ho azy dia amarininy, ary omeny fiainana mandrakizay
(Jao.3:16). Ny fepetra takian’ny Tompo amin’ny fiverenana Aminy anefa dia fo marina sy mietry, araka ny Salamo fibebahana nataon’i Davida
mpanjaka manao hoe: “Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona” Sal.51:17, ary indrindra fo tia Azy marina, araka ny tenin’i Jesosy tamin’i Simona Fariseo, momba ilay vehivavy nibebaka nanatona Azy, nanao hoe: “Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy” Lio.7:47a.

Alarobia 18: Fahamarinana Andriamanitra ka mankasitraka izay manao ny marina.
“Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah” 2 Sam.22:21a.
Vakiteny 1: Mat.25:34-46. Vakiteny 2: 2 Sam.22:21-29. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 2 Sam.22:21.
Fitarihan-kevitra: Mijery sy mamantatra ny alehan’ny olona rehetra Andriamanitra, ka mankasitraka sy mamaly soa izay mandeha amin’ny
fahamarinana (Sal.34:15a). Isan’izany Noa izay novonjeny tamin’ny safo-drano, araka ny voalazan’ny Soratra Masina manao hoe: “Noa dia lehilahy
marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin’Andriamanitra Noa” Gen.6:9. Hoy ny toky omen’i
Jesosy ho an’izay rehetra manompo ny fahamarinana, ka manaraka Azy: “Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na
reny, [ampio hoe: “na vady”], na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay” Mat.19:29.

Alakamisy 19: Fahamarinana Andriamanitra, ary miantso ny mpino Izy ho vavolombelony.
“Ary hianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria hianareo efa teto amiko hatramin’ny voalohany” Jao.15:27.
Vakiteny 1: Isa.43:1-13. Vakiteny 2: Jao.15:17-27. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.15:26-27.
Fitarihan-kevitra: Mitaona ny mpanara-dia Azy hijoro ho vavolombelon’ny fahamarinany Jesosy, na amin’ny asa na amin’ny teny, ka tsy ho menatra Azy (Rom.1:16a). Toy izany no nataon’ireo Apostoly izay sahy nijoro nanao hoe: “Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra, ary vavolombelon’izany izahay rehetra” Asa.2:32. Hoy koa Jaona Apostoly: “Fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin’ny Ray ka efa naseho taminay” 1 Jao.1:2.

Zoma 20: Fahamarinana Andriamanitra ka mananatra ny fanao tsy marina.
“[…] Izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao” Mat.23:3.
Vakiteny 1: Asa.5:1-11. Vakiteny 2: Mat.23:1-12. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.23:1-3.
Fitarihan-kevitra: Tsy azo fitahina amin’ny teny tsara lahatra Jesosy Kristy, Mpitsara Marina (Isa.11:3). Mpamantatra ny voa sy ny fo Izy, ka
mamaly ny olona rehetra araka ny asany (Jer.17:10). Izany no ananarany ny olona hibebaka marina, ka hiala amin’ny tsi-fahamarinana rehetra mba
hananany anjara ao amin’ny fanjakany be voninahitra. Mitoetra eo amin’izay tsy mankatò Azy ka mifikitra amin’ny fanao tsy marina ny
fahatezeran’Andriamanitra (Jao.3:36b). Tsy ho tafiditra ao amin’ny Fanjakany ireny, araka ny teniny manao hoe: “Fa any ivelany ny alika sy ny
mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga” Apok.22:15.

Sabotsy 21: Fahamarinana Andriamanitra ka mitahy izay manao ny marina.
“Ny marina hamololona tahaka ny rofia; hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy” Sal.92:12.
Vakiteny 1: Deo.28:1-14. Vakiteny 2: Sal.92:12-15. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.92:12.
Fitarihan-kevitra: Fitahiana tretrika no arotsaky ny Tompo amin’izay matahotra Azy ka mandala ny fahamarinany; tsy avelan’Andriamanitra
hangozohozo mandrakizay izy ary ho tsarovana mandrakizay (Sal.112:6). Fitahiana mipaka hatramin’ny taranany izany, ka hoy ny mpanao Salamo
manazava izany: “Iza no lehilahy matahotra an’i Jehovah? Izy no hampianariny izay làlana tokony hofidiny. Ny fanahiny hitoetra amin’ny soa; ary ny taranany handova ny tany” Sal.25:12-13. Ary fitahiam-panahy indrindra koa, izay anomezany azy ny Fanahiny Masina, Izay Fanahin’aina
mahavelona, araka ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ny
Soratra Masina” Jao.7:38.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *