Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XII manaraka ny Trinite, 22-28 Aogositra 2021 “Miposaka ny mazava” *

Ny hafatra: Vanim-potoana sarobidy indrindra no tondroin’ny hoe “Miposaka ny Mazava”. Fa tra-pihemorana ara-pinoana ny Isiraely fahizay ka ny mpisorona teo aminy aza dia hita fa tsy ampy fanajana no tsy nisy tahotra an’Andriamanitra (Mal.1:6), ary ny firenena jiosy dia nanome tsiny sy nimonomonona tamin’Andriamanitra ka nanao hoe: “Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’i Jehovah ka ankasitrahany, na [koa] hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana?” Mal.2:17d. Haizina sy fahaverezan-kevitra ary fahakiviana tokoa ny fihemorana sy ny fisarahana amin’Andriamanitra, koa dia manome ny setrin’izany ny Tompo
ho fampiononana ka manao hoe: “Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron’ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin’ny tànany” Mal.3:20a, dia teny manondro indrindra ny holatry ny tanan’i Jesosy voahombo teo amin’ny hazo fijaliana izany, ho mari-panavotana ho antsika. Ary dia tanteraka tamin’izany ny teny nampilazaina an’Isaia mpaminany manao hoe: “Ny olona izay mandeha amin’ny maizina dia mahita mazava lehibe; izay mitoetra
amin’ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ny mazava” Isa.9:1. Ny “mazava miposaka”? Dia ny voninahitr’Andriamanitra tonga eo amin’ny firenena izay efa nofidiny manao hoe: “Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao. Fa, indro, ny haizina manarona ny tany, ary ny haizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’i Jehovah, ary aminao no isehoan’ny
voninahiny. Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao” Isa.60:1-3. Ry
mino malala eran’izao tontolo izao! Aza afenina ny fahazavana efa nomen’ny Tompo anao, fa asehoy miharihary, dia Jesosy Kristy fahazavan’izao tontolo izao sy fahazavana ho an’ny firenenao izay mbola mitoetra ao amin’ny haizina. Hoy Izy: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” Jao.8:12.

Alatsinainy 23: Miposaka ny mazava, dia Jesosy Kristy fahazavan’izao tontolo izao.
“Ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita mazava lehibe” Mat.4:16a.
Vakiteny 1: Mal.3:16-20. Vakiteny 2: Mat.4:12-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.4:16.
Fitarihan-kevitra: Mitoetra ao amin’ny haizin’ny fahafatesana ny olona tafasaraka amin’Andriamanitra noho ny ota (Rom.6:23a). Fahazavana koa
no aposak’i Jesosy Kristy ao am-pon’izay rehetra mino sy mandray ny famelan-keloka atolony. Izy no Ilay Mpamonjy izao tontolo (Jao.4:42)
tonga hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany (Mat.1:21b). Heni-pifaliana sy fiadanana izay tafahaona Aminy, tahaka an’i Simeona raha
nahita an’i Jesosy zaza, ka nivavaka tao amin’ny Fanahy Masina nanao hoe: “Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ny
fiadanana araka ny teninao; fa ny masoko efa nahita ny famonjenao, izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra, dia fahazavana
hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao” Lio.2:29-32.

Talata 24: Minoa ny mazava miposaka ho anao.
“[…] Minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava” Jao.12:36a.
Vakiteny 1: Isa.60:1-5. Vakiteny 2: Jao.12:31-36. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.12:36.
Fitarihan-kevitra: Tonga teto amin’izao tontolo izao ny Mazava, feno fahasoavana sy fahamarinana (Jao.1:10,14b), dia Jesosy Kristy
Zanak’Andriamanitra, mba tsy hitoetra ao amin’ny maizina intsony ny fon’ny olombelona. Manazava ny làlana mankao amin’ny fiainana
mandrakizay ho an’izay mino Azy Izy (Jao.14:6). Tonga eo amin’ny fiainanao koa Izy ka miteny hoe: “Mbola kely ihany no hitoeran’ny mazava
aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava hianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin’ny maizina dia
tsy mahalala izay alehany” Jao.12:35. Amin’izay mahatsapa ny fahajambany ka mikatsaka ny fahazavany, dia hoy Jesosy, tahaka ny tamin’i
Bartimeo jamba hoe: “Mahirata ny masonao” Lio.18:42a.

Alarobia 25: Miposaka ny mazava dia ny Fanahy Masina mampahazava ny zavatra rehetra.
“Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra […]” 1 Kor.2:15.
Vakiteny 1: Sal.119:97-104. Vakiteny 2: 1 Kor.2:9-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Kor.2:14-15.
Fitarihan-kevitra: Tahaka ny tanamasoandro, sady manafana no manazava, ny fahazavan’i Jesosy, dia ny fitiavany mamonjy antsika sy ny
fahamarinany manazava ny fontsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Hoy Izy: “Fa raha tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitaridàlana
anareo ho amin’ny marina rehetra” Jao.16:13a. Ny Fanahy Masina no mampahafantatra antsika ny marina rehetra momba an’i Jesosy,
araka ny teniny manao hoe: “Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana Izay
mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy” Jao.15:26.

Alakamisy 26: Miposaka ny mazava ka mijoroa ho vavolombelony.
“Zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao” Jao.9:25b.
Vakiteny 1: Mat.28:16-20. Vakiteny 2: Jao.9:24-38. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.9:24-25.
Fitarihan-kevitra: Izay rehetra mino sy matoky ny fitiavan’i Jesosy azy, dia ny famelan’i Jesosy ny helony sy namonjen’i Jesosy azy avy tamin’ny
fahafatesana, dia antsoiny mba hizara izany amin’ny hafa koa fa tsy ho osa na ho menatra, araka ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Hianareo no
fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra” Mat.5:14. Amin’izany dia irak’Andriamanitra
izy, izay mitondra ny fahazavan’i Jesosy, ka tanteraka aminy ny tenin’ny mpanao Salamo manao hoe: “Manao ny rivotra ho irany [Izy] sy ny
lelafo ho mpanompony” Sal.104:4.

Zoma 27: Miposaka ny mazava ka manaraha azy.
“Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava” Efes.5:8b.
Vakiteny 1: Jao.12:31-36. Vakiteny 2: Efes.5:6-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Efes.5:8.
Fitarihan-kevitra: Tsy ny hanambara an’i Jesosy ihany no iantsoany izay mino Azy fa ny hiaina ny fampianarany indrindra koa, dia ny hanaraka
ny didim-pitiavana sy fahamarinana. Hoy Jaona Apostoly manambara tsotra ny atao hoe “mazava”, araka ny voasoratra hoe: “Izay tia ny
rahalahiny no mitoetra ao amin’ny mazava […]” 1 Jao.2:10. Mitaky safidy hentitra izany, dia ny hifady ny ota sy ny fahalotoana rehetra, araka
ny fananaran’i Paoly Apostoly manao hoe: “Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ka
hitafiantsika ny fiadian’ny mazava” Rom.13:12.

Sabotsy 28: Lehibe sy Mahery ny fahazavan’Andriamanitra.
“Ary na dia ao amin’ny haizina sy ny haizim-pito aza dia hahita ihany ny mason’ny jamba” Isa.29:18b.
Vakiteny 1: Mat.11:1-6. Vakiteny 2: Isa.29:18-19. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.29:18.
Fitarihan-kevitra: Ny tena fahajambana dia ny tsy fahalalana sy ny tsy finoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika ao amin’i Jesosy Kristy
Zanak’Andriamanitra Mpamonjy antsika. Tao anatin’izany fahamaizinana izany i Saoly mandra-pahatongan’ny fotoana nihaonany tamin’i Jesosy
Kristy, araka ny fijoroany manao hoe: “Ary raha nandeha aho ka mby teo akaiky an’i Damaskosy, tamin’ilay antoandrobe iny, dia nisy mazava
lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy; dia lavo tamin’ny tany aho ka nandre feo nilaza tamiko hoe: Saoly, Saoly,
nahoana hianao no manenjika Ahy?”Asa.22:6-7. Koa inoy ny fitiavan’Andriamanitra anao, inoy Jesosy fahazavan’izao tontolo izao!

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi- madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *