Ny hafatra: “Andriamanitra no manome fiainana”. Izany no foto-kevi-dehibe fonosin’ny asa fahariana izay ataon’Andriamanitra hatramin’ny voalohany, raha voasoratra hoe:
“Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary haizina no tambonin’ny lalina. Ary ny fanahin’Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano. Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava” Gen.1:1-3. Koa tsy inona ny hoe “mazava” fa ny fisian’ny fiainana, araka ny voasoratra hoe: “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany. Izy no
nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza. Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona” Jao.1:1-4. Tompon’ny aina tokoa Andriamanitra; ary tia antsika olombelona mpanota ho velona, satria ny ota no làlana nitsofohan’ny fahafatesana teto amin’ny fiainantsika zanak’olombelona, araka ny fanambaran’i Paoly Apostoly manao hoe: “Ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra” Rom.5:12b, fa “ny ota no fanindronan’ny fahafatesana” 1 Kor.15:56a. Koa dia hoy Izy: “Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany, mba ho velona izy” Ezek.33:11a. Maty noho ny ota tokoa isika ka tafasaraka tamin’Andriamanitra, ary
dia nirahiny ny Zanany Lahitokana hampihavana antsika Aminy indray (2 Kor.5:19-20) sy hanome fiainana ho an’izao tontolo izao (Jao.6:33). Ary amin’izany, dia hoy Jesosy: “Satria velona Aho, dia ho velona koa hianareo” Jao.14:19d. Fa “izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay” Jao.3:36ª. Koa “minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao” Asa.16:31.
Alatsinainy 20: Andriamanitra no manome fiainana satria Tompony Izy.
“Izaho no mahafaty sy mahavelona, ary Izaho no maharatra sy mahasitrana” Deo.32:39b.
Vakiteny 1: Jak.4:7-12. Vakiteny 2: Deo.32:39-40. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Deo.32:39.
Fitarihan-kevitra: Andriamanitra no Tompon’ny aina ka fahefany ny manome fiainana ho an’izay nohariany, sy ny maka izany indray araka ny fiandrianany.
Izy ihany koa no Mpitsara, Ilay manana ny fahefana feno hanome fiainana mandrakizay na hanary any amin’ny helo araka ny voasoratra hoe: “Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery” Jak.4:12a. Tsy ho simban’ny fahafatesana faharoa ny olom-bonjeny (Apok.2:11). Noho izany fahalebiazany sy fitiavany hamonjy ny aintsika izany dia mendrika ny hoderaina sy homem-boninahitra tokoa Izy, toy ny ataon’ny mponin’ny lanitra rehetra manao hoe: “Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy” Apok.4:11.
Talata 21: Andriamanitra no manome fiainana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
“Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako” Jao.14:6.
Vakiteny 1: Asa.3:12-26. Vakiteny 2: Jao.14:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.14:6.
Fitarihan-kevitra: Tokana ihany ny Làlana anomezan’Andriamanitra fiainana mandrakizay, dia ao amin’i Jesosy Kristy. Izy no Loharanon’ny aina mamelona ny olony sy mamahana azy amin’ny Teniny sy ny Fanahiny, araka ny voalaza hoe: “Fa ny mofon’Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’izao tontolo izao” Jao.6:33. Izay mino Azy dia omeny hery ho tonga Zanak’Andriamanitra (Jao.1:12a) ka velona mandrakizay ao Aminy (Jao.14:19d). Tsy mahay mamonjy ny tenany ny mpanota izay mendrika ny ho faty raha tsy Jesosy mihitsy no mifona ho azy (Rom.8:34d). Hoy indrindra Paoly Apostoly momba izany: “Fa fahafatesana no tambin’ny ota; fa fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” Rom.6:23b.
Alarobia 22: Jesosy Kristy Irery Ihany no manana fahefana hanome fiainana.
“[Jesosy] niantso tamin’ny feo mahery: Ry Lazarosy, mivoaha! Dia nivoaka ny maty […]” Jao.11:43-44a.
Vakiteny 1: 1 Mpan.17:17-24. Vakiteny 2: Jao.11:40-45. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.11:43-44.
Fitarihan-kevitra: Jesosy no Ilay Mesian’Andriamanitra tonga hanafaka ny olony amin’ny fahafatesana sy izay endrikendriny rehetra, araka ny fanambarany tamin’ny mpianatr’i Jaona mpanao batisa manao hoe: “Mandehana hianareo, ka ambarao amin’i Jaona izao renareo sy hitanareo izao: Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara” Mat.11:4-5. Izy no nisiam-piainana (Jao.1:4a) ka manam-pahefana hamelona na dia ny maty aza, toy ny nataony tamin’ilay zanaky ny mpitondratena tao Naina: “Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona, dia nijanona izay nilanja. Ary hoy Jesosy: Ry zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena. Dia niarina ny maty sady niteny, ary dia
natolony tamin-dreniny” Lio.7:14-15.
Alakamisy 23: Minoa an’i Jesosy Kristy Mpanome fiainana.
“Tsy voalazako va fa raha hino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra?” Jao.11:40.
Vakiteny 1: Sal.116:1-10a. Vakiteny 2: Jao.11:32-40. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.11:40.
Fitarihan-kevitra: Vato misakana tsy hahatanterahan’ny tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny olona ny tsy finoana. Amin’izay mino ny tenin’Andriamanitra kosa no iposahan’ny voninahiny, dia ny fisehoan’ny heriny mamonjy, izay manangana na dia ny maty aza, araka ny teny fikasany manao hoe:“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina [Gr. hotsaraina]; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” Jao.5:24. Meteza hino an’i Jesosy mba hahitanao ny voninahiny, dia araka ny tenin’i Elizabeta renin’i Jaona mpanao batisa tamin’i Maria nanao hoe: “Ary sambatra hianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain’ny Tompo taminao” Lio.1:45.
Zoma 24: Ny fahavelomana ho an’i Jesosy Kristy no tampon’ny fiainana.
“Fa Kristy no anton’ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony” Fil.1:21.
Vakiteny 1: Mar.8:34-38. Vakiteny 2: Fil.1:19-26. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Fil.1:21.
Fitarihan-kevitra: Ny olona izay mandà ny tenany hanompo an’Andriamanitra sy hitory ny Filazantsara mba hahatonga famonjena ho an’ny maro, dia
miaina araka ny modely nasehon’i Jesosy Izay niteny tamin’ny mpianany hoe: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany” Jao.4:34. Tombony lehibe izany, satria tsy ho foana ny fikelezany aina eo anatrehan’Andriamanitra (1 Kor.15:58). Nahalala izany tsara Paoly Apostoly, ka hoy izy: “Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” Gal.2:20.
Sabotsy 25: Izay mino an’i Jesosy dia mandresy ny fahalovana mandrakizay.
“Ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana” 1 Kor.15:53b.
Vakiteny 1: Mat.16:24-28. Vakiteny 2: 1 Kor.15:50-54. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Kor.15:52-53.
Fitarihan-kevitra: Izay mino an’i Jesosy, izany hoe mandray ny fanavotana sy ny famelan-keloka atolony, dia miditra avy hatrany, dieny etỳ an-tany, ao amin’ny fiainana mandrakizay, araka ny voasoratra hoe: “Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay” Jao.3:36a. Tsy fahalovana, araka izany, no iafaran’ny mino, fa Jesosy Ilay efa nitsangana tamin’ny maty no hanangana azy hiala amin’ny vovoky ny fahafatesana ka hamelona azy mandrakizay ao Aminy. Na dia maro aza ny fahoriana iaretan’ny mino noho ny Filazantsara, Jesosy Tompo no miady ny adiny ka mampandresy azy, araka ny voasoratra hoe: “Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay – Sal.44:22. Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika” Rom.8:36-37.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org: fampianarana, hira, …. 24/7. © Madanet