Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XVII manaraka ny Trinite, 26 Septambra – 02 Oktobra 2021 “Manafaka Andriamanitra” *

Ny hafatra: Nahoana no hoe “Manafaka Andriamanitra?”. Satria maro ny zioga mety mamatotra antsika olombelona. Ao ny fiainam-panahy tsy lavorary (ohatra: ny fo tsy mahalala mibebaka, ny mitebiteby lava tsy mety mino), ao ny toe-po ratsy (mankahala sy mialona ny namana, tia mamaly ratsy ny ratsy), ao ny fahazaran-dratsy (mandainga, mangalatra, manompo fieremana – fitiavana harena, tia fisotroana zava-mahery sy fifohana zava-dratsy), ao ny fanaranam-po (fandaniam-bola amin’ny sitrapo tsy mahasoa), sns. Eo rahateo ny fanagejana, ny tsindry hazo lena, ny famoretana sy ny fampihorohoroana mety mianjady amintsika. Ny tena fototr’izany rehetra izany dia ny fiàsan’ny ota, vokatry ny tsy finoana an’Andriamanitra sy ny fandavana ny sitrapony. Mora resin’ny ota tokoa isika raha ny maha-olona fotsiny, ary “izay maharesy ny olona dia mahandevo azy” hoy Petera Apostoly (2 Pet.2:19b). Ny ota dia mampanompo ny olona, ary tsy hainy toherina akory aza. Hoy indrindra ny Apostoly Paoly manambara izany: “Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko” Rom.7:19-20. Fomba ahoana no ahafahantsika miala amin’ny ziogan’ny fahotana rehetra mamatotra antsika? Hoy Paoly Apostoly: “Indrisy!
olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity?” Rom.7:24. Isaorana anie Andriamanitra fa tolobotsotra sy azo antoka ny fanafahana omeny antsika. Notanterahany tao amin’i Jesosy Kristy Zanany izany, araka ny teniny manao hoe: “Raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo” Jao.8:36. Ny fototry ny fanafahana omeny antsika dia ny fahamarinan’Andriamanitra, fa hoy Jesosy: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo”
Jao.8:32, izany hoe tsy ho andevon’ny ota sy ny tsy fahamarinana intsony. Fanafahana feno tokoa no omeny antsika ka hoy Izy: “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra” Apok.21:5a. Ary amin’izany fiainam-baovao miaraka aminy izany dia “mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny
maty, ary ny malahelo dia itoriana ny Filazantsara » Mat.11:5. Koa: “Raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy” 2 Kor.5:17ª.

Alatsinainy 27: Andriamanitra no manafaka ny malahelo.
“Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin’ny vovoka” 1 Sam.2:8a.
Vakiteny 1: Lio.15:1-7. Vakiteny 2: 1 Sam.2:1-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Sam.2:8.
Fitarihan-kevitra: Manana toerana manokana ao amin’ny fon’Andriamanitra ny ory sy ny malahelo. Mangoraka azy Izy amin’ny maha-Fitiavana Azy, ka
manafaka azy amin’ny fahoriany, araka ny tenin’i Jesosy manao hoe:“Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina” Mat.5:4. Fa ontsa indrindra ny
fon’Andriamanitra mahita ny fahavoazantsika olombelona vokatry ny fahotantsika. Izany no nanekeny ho tonga olombelona hamonjy ny mpanota. Tamin’izany dia Maria, vehivavy tsotra sady feno fanetren-tena, no nofidiny ho renin’i Jesosy Zanany. Tsapan’i Maria izany fon’Andriamanitra manandratra ny malahelo izany ka nankalaza Azy izy nanao hoe: “Fa efa nijery ny fahambanin-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin’ny ankehitriny dia hataon’ny taranaka rehetra ho sambatra aho” Lio.1:48.

Talata 28: Andriamanitra tia manafaka ny olona izay miverina Aminy.
“Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika” Gal.5:1a.
Vakiteny 1: Isa.61:1-3. Vakiteny 2: Gal.5:1-14. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Gal.5:1.
Fitarihan-kevitra: Fifaliana ho an’Andriamanitra ny manafaka ny olona tapa-kevitra hiala amin’ny ratsy ka mibebaka miverina Aminy, toy ny nanavotany ny vahoaka Isiraely tamin’ny fahababoana: “Mivoaha hiala any Babylona; miezaha avy any amin’ny Kaldeana; torio amin’ny feo mahafaly, ary ambarao, ka aelezo hatrany amin’ny faran’ny tany, lazao hoe: Jehovah efa nanavotra an’i Jakoba mpanompony” Isa.48:20. Tamin’ny fanandevozan’ny ota no nanavotan’i Kristy antsika tamin’ny ràny. Koa aoka isika tsy haningotra ny tenantsika, ka ho zogain’ny ota sy ny fomban’izao tontolo izao indray, araka ny tenin’ny Apostoly Paoly tamin’ireo Kristiana tao Korinto nanao hoe: “Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho handray anareo” 2 Kor.6:17.

Alarobia 29: Tian’Andriamanitra ny olona ho afaka mba handova ny fanjakany.
“Raha tsy miova hianareo…, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy hianareo” Mat.18:3.
Vakiteny 1: Efes.4:17-24. Vakiteny 2: Mat.18:1-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.18:3.
Fitarihan-kevitra: Tian’i Jesosy ny hanamarina sy hanamasina ny mino Azy ho mendrika handova ny fanjakany. Teny fikasana lehibe no omeny ho an’izay mahafoy ny asan’ny nofo sy ny fahotana ka manaiky ny asan’ny Fanahy Izay manamasina azy: “Ary amin’izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe: Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao” Mat.25:34. Fepetra takiany koa ny hitananana ny finoana hatramin’ny farany, tahaka an’i Paoly Apostoly izay sahy nijoro nanao hoe: “Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay home’ ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay […] ” 2 Tim.4:7-8.

Alakamisy 30: Ao amin’Andriamanitra no itoeran’ny fahafahan’ny olony.
“Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala” Efes.5:1.
Vakiteny 1: Mat.5:42-48. Vakiteny 2: Efes.5:1-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Efes.5:1.
Fitarihan-kevitra: Ny fitiavan’Andriamanitra Irery ihany no manafaka ny olona amin’ny tenany sy ny sitrapony, ka handrosoany amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy hanahafany ny toetran’Andriamanitra tia ny olona rehetra, ka miantra sy mamindra fo. Fomba ahoana no hahatanteraka izany? Valiny: amin’ny fitiavana Azy, ho setrin’ny fitiavany antsika, araka ny fampianaran’i Jesosy manao hoe: “Tomoera amin’ny fitiavako hianareo” Jao.15:9. Resy lahatra ny amin’ny fitiavan’i Jesosy azy i Paoly Apostoly ka tsy nivelona ho an’ny tenany intsony, araka ny teniny nanao hoe: “Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko” Gal.2:20.

Zoma 01: Fahafahana feno no omen’Andriamanitra.
“Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo” Jao.8:36.
Vakiteny 1: Apok.7:13-17. Vakiteny 2: Jao.8:31-38. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.8:36.
Fitarihan-kevitra: Ny olombelona mpanota tafasaraka tamin’Andriamanitra dia voafatotry ny fahalemena sy ny tahotry ny fahafatesana, ary ny fanangolen’ny devoly fahavalon’Andriamanitra. Fanafahana amin’izany indrindra no nentin’i Jesosy Kristy, araka ny vavak’i Zakaria nanao hoe: “Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy, […] dia famonjena antsika amin’ny fahavalontsika, sy amin’ny tànan’izay rehetra mankahala antsika” Lio.1:68,71. Ary satria Zanak’Andriamanitra manana fahefana feno Izy, dia maro no nafahany tamin’izay tsy ahitan’olombelona fanafana, araka ny teniny nanao hoe: “Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny Filazantsara” Mat.11:5b.

Sabotsy 02: Tandrovy ny fahafahana efa nomen’Andriamanitra.
“Tandremo ny tenanareo” Fil.3:2.
Vakiteny 1: Heb.10:26-31. Vakiteny 2: Fil.3:1-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Fil.3:2.
Fitarihan-kevitra: Sarobidy ny fahafahana nomen’Andriamanitra satria ny rà soan’ny Kristsy no nividianany ny mpanota izay nalainy ho an’ny tenany, ary manam-pahavalo ka mila tandrovina. Hoy ny fampitandreman’i Petera Apostoly mamehy izany: “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany” 1 Pet.5:8. Ny làlana? Firaisana velona amin’i Jesosy sy fiambenana amin’ny alalan’ny vavaka tsy mitsahatra, mba handraisana ny saina sy ny fitarihan’ny Tompo sy hitoerana mandrakariva eo ambany fiarovany (Lio.18:1;1 Tes.5:17).

Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi- madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara” © Madanet.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *