Ny hafatra: Fikasan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ny hiray monina amin’ny olona ka namoronany azy hitovy endrika Aminy (Gen.1:26). Tafasaraka tamin’Ilay Mpahary azy anefa ny olona rehefa nandika ny didin’Andriamanitra Adama sy Eva, ka lavon’ny ota (Gen.3:6). Ary satria “fahafatesana no tambin’ny ota” Rom.6:23a , dia lasan-ko babo, ambany vahohon’ny devoly sy ny fahafatesana ny taranak’olombelona. Andriamanitra anefa tsy mahafoy ny olona ho very, ka manao fanavotana ho azy. Hoy indrindra Izy: “Tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany, mba ho velona izy” Ezek.33:11 a. Ny atao hoe “fanavotana” dia fividianana indray ny olona na zavatra lasa am-pelatanan’ny vahiny mba hamerenana azy amin’izay tena tompony. Koa ny fanavotana ataon’Andriamanitra dia mikendry ny hamerenana ny olona indray mba hitoetra ao amin’ny fanjakany ka tsy hahavery azy. Maimaim-poana no anomezany izany ao amin’i Jesosy Kristy, Ilay “Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” Jao.1:29b. Nentin’i Jesosy teo amin’ny tenany tokoa ny fahotan’ny olombelona rehetra tamin’ny nanolorany ny ainy sy nandatsahany ny rany teo amin’ny hazo fijaliana, fa “raha tsy misy ra alatsaka dia tsy misy famelan-keloka” Heb.9:22b. Koa dia natolotra Jesosy noho ny fahadisoantsika, ary natsangana indray ho fanamarinana antsika (Rom.4:25). Araka izany, ny fahafatesan’i Jesosy sy ny fitsanganany tamin’ny maty no nataon’Andriamanitra hahatanteraka fanavotana mandrakizay ho an’ny mpanota. Herin’ny fiainana izay mandresy ny ota sy ny asan’ny devoly mpamono olona izany, ka mitelina ny fahafatesana. Amin’ny finoana no andraisana ny fanavotan’Andriamanitra, ary amin’ny fo mibebaka sy miverina Aminy ka manaiky hiala amin’ny fiainam-pahotana mba hanao ny sitrapony. Ny olona toy izany no mahazo ny famelan-keloka atolotr’Andriamanitra sy ny fanamarinany. Tanteraka aminy ny voalazan’ny Soratra Masina manao hoe: “Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy” Rom.8:1.
Alatsinainy 11: Manavotra ny mpanota Andriamanitra ka miantso azy hiverina Aminy. “Miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho” Isa.44:22b. Vakiteny 1: Lio.15:11-24. Vakiteny 2: Isa.44:21-23. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.44:22. Fitarihan-kevitra: Satria tsy mahavotra ny tenany ny mpanota, dia nanao fanavotana ho azy Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany Lahitokana. Hoy ny Soratra Masina: “Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin’ny fotoan’andro hamonjy ny ratsy fanahy. Fa saiky tsy misy olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; fa angamba hisy ihany ny sasany sahy maty aza hamonjy ny manao soa. Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin’ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin’ny rany isika” Rom.5:6-9.
Talata 12: Manavotra ny mpanota Andriamanitra ka manandratra azy. “Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin’ny voninahitra hianareo” Kol.3:4. Vakiteny 1: 1 Jao.3:1-2. Vakiteny 2: Kol.3:1-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Kol.3:4. Fitarihan-kevitra: Nanaiky ny hanetry tena tokoa Jesosy Kristy ka tonga hamonjy ny mpanota mba hanandratany azy hiala amin’ny fahafaham-baraka noho ny ota ho amin’ny voninahitry ny fahamasinany. Nohazavainy tamin’ny fanoharana izany, raha hoy Izy: “Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy; ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very” Lio.15:4-6.
Alarobia 13: Tsy voafetra ny fitiavan’Andriamanitra manavotra ny mpanota. “[…] Moa tsy tokony hovahana ho afaka amin’izany fatorana izany amin’ny andro Sabata va?” Lio.13:16. Vakiteny 1: Isa.53:1-6. Vakiteny 2: Lio.13:10-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.13:15-16. Fitarihan-kevitra: Na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana (2 Tim.4:2) dia vonona ny hanafaka mandrakariva ny olony amin’ny adiny ny Tompo Andriamanitsika. Tsy manao tsinontsinona ny fahoriany Izy na manetsin-tadìny amin’ny fitalahoany. Fa hoy indrindra ny toky omeny: “Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy hianao” Sal.50:15. Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana tokoa Jesosy (Sal.46:1) no sady sakaizan’ny mpanota, ka miteny manao hoe: “Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy” Jao.6:37b.
Alakamisy 14: Jesosy Kristy no Avotra ho an’izao tontolo izao. “Izy no avotra noho ny fahotantsika […]” 1 Jao.2:2. Vakiteny 1: Efes.1:1-7. Vakiteny 2: 1 Jao.2:1-3. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Jao.2:2. Fitarihan-kevitra: Hoy Jaona mpanao batisa raha nanondro an’i Jesosy tonga nanatona Azy: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!” Jao.1:29b. Izy no nirahin’Andriamanitra hampihavana ny olona Aminy, koa dia tamin’ny rany masina no nividianany antsika ho afaka tamin’ny fanagiazan’ny ota sy ny fahafatesana ho an’Andriamanitra. Fa voasoratra hoe: “Fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin’ny nentin-drazana, fa ny ra soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina” 1 Pet.1:18-19.
Zoma 15: Manome tokim-panavotana ny mpanota Andriamanitra. “Matokia, anaka, voavela ny helokao” Mat.9:2b. Vakiteny 1: Mika 7:18-20. Vakiteny 2: Mat.9:1-8. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.9:1-2. Fitarihan-kevitra: “Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy” Isa.48:22, hoy ny Soratra Masina, satria maningotra ny eritreritry ny olona ny tsiny vokatry ny ota nataony. Andriamanitra kosa tsy mba tia mitahiry heloka fa tia mamela heloka, ka mitaona ny mpanota Izy hahatsiaro sy hiaiky ny fahadisoany ka hanapa-kevitra hiverina Aminy. Hoy ny antsony: “Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy. Raha manaiky sy mankatò hianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin’ny tany” Isa.1:18-19.
Asabotsy 16: Miantso ny mpanota Andriamanitra mba hino ny fanavotany azy. “Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota” Mat.9:13b. Vakiteny 1: Isa.55:6-11. Vakiteny 2: Mat.9:3-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.9:11-13. Fitarihan-kevitra: Tsy misy olombelona marina na dia iray aza, fa samy efa nanota avokoa izy rehetra (Rom.3:10,23). Ho an’ny mpanota indrindra no nahatongavan’i Jesosy Kristy hitondra ny fanavotany, dia izay mahatsiaro ny fahadisoany ka mino ny famelan-keloka sy ny fanamarinana avy amin’Andriamanitra ao Aminy. Fiasan’ny famindrampon’Andriamanitra izay tia mamonjy ny olona izany (Hos.6:6a), ka nampiloa-bava ny mpaminany Mika hanao hoe: “Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka sady mandalo ny fahadisoan’ny sisa amin’ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, fa tia famindrampo” Mika 7:18.
Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi- madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org: fampianarana, hira, … © Madanet.