Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XXII manaraka ny Trinite 31, Oktobra – 06 Novambra 2021 “Andriamanitra no Tompo” *

Ny hafatra: Ny hoe “Andriamanitra no Tompo” dia midika fa Andriamanitra Tokana Izy, araka ny teniny manao hoe: “Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho” Isa.45:5a. Ambarany izany mba hiarovana antsika tsy hoviravirain’izay andriamanitsi-izy, izay tsy mikendry afa-tsy ny hitarika antsika ho amin’ny tsy fahamarinana mba handavo antsika ho meloka eo amin’ny fitsarany, ka ho very mandrakizay. Zava-dehibe, araka izany, ny hahafantarantsika an’Andriamanitra ho Tompo mba hinoantsika Azy sy handraisantsika ny famonjeny. Fa ny hoe “Tompo Andriamanitra” dia fanekena, voalohany indrindra, ny fisian’Andriamanitra Izay nahary izao rehetra izao (Gen.1:1). Maneho ny fiandrianany amin’ny maha-Tompo Azy indrindra ny maha-Mpahary Azy fa tsy nohariana. Ny hevi-dehibe faharoa dia ny fanekena fa Andriamanitra no Mpiahy izao rehetra izao, izay asan’ny tanany araka ny teniny manao hoe: “Ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany” Isa.45:11b. Raha ny marina dia mila Mpiaro sy Mpiahy isika olombelona amin’izay kasaintsika sy heverintsika atao, fa mamitaka ny fizakan-tena samy irery araka ny voasoratra hoe: “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany” Jer.10:23b. Manamafy izany ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Raha misaraka Amiko hianareo dia tsy mahay manao na inona na inona” Jao.15:5b. Ankoatr’izay, endriky ny maha-Tompo an’Andriamanitra koa ny fahefany mitsara. Koa dia mamaly ny olona araka ny asany Izy. Ho fanomezana rariny ny fahamarinana no anton’izany, araka ny voasoratra hoe: “Mba ho marina hianao raha miteny ary tsy hanan-tsiny raha mitsara” Sal.51:4b.. Fa ny tampony indrindra amin’ny maha-Tompo an’Andriamanitra dia ny maha-Tompon’ny famonjena Azy, izay nisahiranany tamin’ny nanirahany an’i Jesosy Kristy Zanany hanao sorona ny ainy ho avotra hisolo ny mpanota (Mar.10:45). Tanteraka izany amin’izay rehetra mahatsiaro mibebaka Aminy, fa “raha miaiky ny fahotantsika isika, dia matoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika ary manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra” 1 Jao.1:9. Tompo Andriamanitra; koa dia mendrika ny hatahorana sy ho tompointsika Izy. Ray mpiahy antsika koa Izy, ka tokony ho tiavintsika indrindra. Amintsika izay vonona ny handray an’Andriamanitra ho Tompo, satria Tompo tokoa Izy, dia hoy Izy: “Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao Aho; efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao” Isa.43:1d,e.

Alatsinainy 01: FETIN’NY FILAZANTSARA. Ny Tenin’Andriamanitra no anorenan’Andriamanitra ny fanjakany.

“Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain’olona ka namboleny […] ary naniry ka tonga hazo Lio.13:19.

Vakiteny 1: Sal.19:7-11. Vakiteny 2: Lio.13:18-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.13:18-21.

Fitarihan-kevitra:Ny Tenin’Andriamanitra no voa afafy ao am-pon’ny olona mba hanorina finoana handraisany ny famonjena, fa ny finoana dia avy amin’ny Tenin’i Kristy (Rom.10:17). Asan’Andriamanitra hampandrosoana ny fanjakan’ny Fiadanany eto amin’izao tontolo izao izany, araka ny vavaka nampianarin’i Jesosy manao hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao” Mat.6:10a. Ny Tenin’Andriamanitra no toy ny masirasira miasa ao amin’ny fon’ny olona, ka manamasina ny fiainany manontolo (Jao.17:17b), araka ny tenin’i Petera Apostoly manao hoe: “Fa efa teraka indray hianareo, tsy tamin’ny voa mety ho lò, fa tamin’ny tsy mety ho lò, dia ny tenin’Andriamanitra” 1 Pet.1:23.

Talata 02: Andriamanitra no Tompo Tokana.

“Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra” Deo.7:9a.

Vakiteny 1: Mat.6:19-24. Vakiteny 2: Deo.7:9-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Deo.7:9.

Fitarihan-kevitra:Maro sy samihafa ny zavatra ataon’ny olona ho “andriamanitra”. Ireny rehetra ireny anefa dia zava-poana tsy miteny sady tsy mahavonjy. Andriamanitra dia saro-piaro amin’ny voninahitra tokony homena Azy Mpahary ny zavatra rehetra, no sady tsy tiany ny olombelona nohariany tahaka ny endriny hamita-tena amin’ny lainga ka hitoetra ao amin’ny fahamaizinana. Koa dia hoy Izy amin’ny olony: “Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin’ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny hianao, fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah Andriamanitrao izany” Deo.7:25.

Alarobia 03: Andriamanitra no Tompo ka mahalala ny Azy Izy.

“Ny Tompo mahalala ny Azy” 2 Tim.2:19a.

Vakiteny 1: Jao.10:11-15. Vakiteny 2: 2 Tim.2:19-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 2 Tim.2:19.

Fitarihan-kevitra: Mety hisy ny olona sasany hihevitra sy hatoky fa efa tafiditra ny fanjakan’ny lanitra izy ary isan’izay mandova ny fiainana mandrakizay. Toy izany tokoa ny fisainany satria manao asa soa izy eo anivon’ny fiaraha-monina, mazoto mivavaka sy mandray anjara sy adidy eo amin’ny fiangonana, sns. Ny Tompo anefa mahalala ny Azy ka manavaka ny Azy sy ny tsy Azy, koa izay mibebaka sy miverina Aminy, izay vita fihavanana Aminy no fantany, ary izay manana firaisana Aminy no ampandovany ny fanjakany mandrakizay. Amin’ireo dia hoy Izy: “Avia hianareo izay notahian’ny Raiko, mandovà ny fanjakana […]” Mat.25:34.

Alakamisy 04: Andriamanitra no Tompo ka mitsara ny zavatra rehetra.

“Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho” Mar.4:22.

Vakiteny 1: Heb.4:12-13. Vakiteny 2: Mar.4:21-25. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mar.4:22.

Fitarihan-kevitra:Niezaka ny hanafina ny tsy fahamarinany ireo mpitari-pivavahana teo amin’ny firenena Jiosy, kanefa Andriamanitra mahafantatra ny zavatra rehetra ary tsy mahazaka ny fitaka omban’ny fihatsarambelatsihy. Nananatra mafy azy ireo tokoa Jesosy mba hibebahany ka nanao hoe: “Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa diovinareo ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana. Ry Fariseo jamba! Diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony” Mat.23:25-26.

Zoma 05: Andriamanitra no Tompon’ny fanavotana ny olombelona.

“[Izy] natolotra noho ny fahotantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” Rom.4:25.

Vakiteny 1: Jao.1:19-31. Vakiteny 2: Rom.4:18-25. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.4:25.

Fitarihan-kevitra:Mahagaga sy mahavariana indrindra ny fitiavan’Andriamanitra tsy tia ny mpanota ho very. Satria tsy misy marina na dia iray aza isika (Rom.3:10), dia natolony ny tenany ho avotra noho ny ota, koa dia maty Izy noho ny ota mba hahavelona antsika kosa ao amin’Andriamanitra. Fa voasoratra hoe: “Fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana” Fil.2:7-8.

Asabotsy 06: Andriamanitra no Tompo miantra izay mibebaka.

“Ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona” Sal.51:17b.

Vakiteny 1: 1 Jao.1:5-9. Vakiteny 2: Sal.51:10-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.51:17.

Fitarihan-kevitra: Mpitsara marina Andriamanitra anefa Fitiavana indrindra koa Izy, koa dia hoy Izy: “Fa famindrampo no sitrako” Hos.6:6a. Araka izany, tsy mba Andriamanitra tia mitahiry heloka ny Tompo, fa vonona ny hamela heloka. Ny fanamarinan-tena no tsy tiany satria mahadiso hevitra ny olona sy mahavery azy. Amin’ny mpanota miaiky ny helony sy mibebaka marina, ka miverina Aminy amin’ny fony sy mihavana Aminy dia hoy Jesosy: “Matokia anaka, voavela ny helokao” Mat.9:2b.

Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi- madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”.

Henoy ny hifiradio.org: fampianarana, hira, … 24/7 © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *