Ny hafatra: Ny fiavian’ny Mesian’Andriamanitra andrandraintsika amin’izao Advento izao dia ny hanangonany ny olony, ka ny fikendreny dia Izy hitoetra eo afovoan’ny olony. Fanatanterahany ny teny fikasany izay nanaovany fanekena tamin’ny olony izany, manao hoe: “Izaho ho Andriamaniny ary izy ho oloko” Jer.31:33d . Izany fanekena lehibe izany no fototra sady antony anorenan’Andriamanitra ny fikasany, dia ny fanorenana ny Fanjakany eo amin’ny olony. Mivelatra amin’ny endrika telo ny fisehoan’ny fahatanterahan’io fanekena io. Ny voalohany dia ny fanangonany ny fanjakan’Isiraely izay nivaky roa ho fanjakana iray, dia ny fanjakana Joda taty Atsimo sy ny fanjakan’i Efraima tany Avaratra, araka ny teniny manao hoe: “Indro, Izaho haka ny tapa-kazon’i Josefa, izay eny an-tànan’i Efraima, sy ny firenen’ny Isiraely namany, ary hakambako ho eo amin’ny tapa-kazon’i Joda izy, ary hataoko tapa-kazo iray ihany izy ka ho tonga iray eny an-tànako” Ez.37:19. Ny faharoa dia ny famorian’Andriamanitra ny Israely niely manerana ny tany rehetra, antsoina hoe diaspora na “fielezana”, noho ny fiodinany taminy. Hoy ny teniny momba izany: “Indro, Izaho haka ny zanak’Isiraely avy any amin’ny jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin’ny manodidina any izy ka ho entiko ho any amin’ny taniny: ary hataoko ho firenena iray any amin’ny tany izy … ka tsy ho firenena roa intsony izy ary tsy hisaraka ho fanjakana roa intsony” Ez.37:21-22. Ny fahatelo dia ny famoriany ny “jentilisa”, dia ny firenena rehetra ivelan’Israely, hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe: “Ary amin’izany andro izany ny Solofon’i Jese, Izay hitsangana ho fanevan’ny firenena, dia Izy no hotadiavin’ny jentilisa; ary ny fitoerany dia ho voninahitra” Isa.11:10. Tsy mahafoy ny olony tokoa Andriamanitra ka naniraka ny Mesia Voahosony, dia Jesosy Kristy, mba hitondra famonjena ho azy. Ho an’ny olombelona rehetra tsy ankanavaka no nahatongavany, hamory azy hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, araka ny teniny manao hoe: “Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry” Jao.10:16. Eny, efa tonga tokoa Jesosy mba hanangona izay tafasaraka tamin’Andriamanitra, izay tsy nahalala an’Andriamanitra, araka ny teniny manao hoe: “Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very” Lio.19:10.
Alatsinainy 06: Manangona ny olony Andriamanitra satria tia ny azy Izy. “Amin’izany andro izany, hoy Jehovah, no hanangonako ny mandringa sy hamoriako izay noroahina […]” Mika 4:6. Vakiteny 1: Lio.10:1-11. Vakiteny 2: Mika 4:1-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mika 4:6-7.
Fitarihan-kevitra: Andriamanitra tsy mahafoy ny olony, indrindra ireo izay ao anatin’ny fahoriany. Amin’ny maha-Ray sady Tompo Azy dia misahirana Izy mba hanangona ho eo Aminy ny olony izay novidiny lafo tamin’ny ran’ny Zanany Lahitokana (1 Pet.1:19). Izy ireo tokoa no efa niaretan’i Jesosy mba hahatanteraka araka ny voalazan’ny mpaminany manao hoe: “Nefa sitrak’i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon’i Jehovah dia hambinina eo an-tànany” Isa.53:10.
Talata 07: Manangona ny olony Andriamanitra, dia izay rehetra mandray ny famonjeny. “Izany no hiderako Anao any amin’ny jentilisa sy hankalazako ny anaranao” Rom.15:9b . Vakiteny 1: Apok.15:1-4. Vakiteny 2: Rom.15:4-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.15:8-9.
Fitarihan-kevitra: Tsy ho an’ny Isiraely ihany no nahatongavan’Andriamanitra, fa ho an’ny olona rehetra tsy an-kanavaka; fa ny Isiraely dia nataon’Andriamanitra hitarafana ny fitiavany, ary avy aminy no nivoahan’ny Mesia hamonjy izao tontolo izao. Tonga tokoa Jesosy, araka ny voalazan’ny mpaminany manao hoe: “Fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina. Ary amin’izany andro izany ny solofon’i Jese, Izay hitsangana ho fanevan’ny firenena, dia Izy no hotadiavin’ny jentilisa; ary ny fitoerany dia ho voninahitra” Isa.11:9b -10.
Alarobia 08: Manangona ny olony Andriamanitra ka manavaka ny Azy. “Ny Tompo mahalala ny Azy” 2 Tim.2:19a . Vakiteny 1: Mat.25:31-33. Vakiteny 2: 2 Tim.2:14-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 2 Tim.2:19-20.
Fitarihan-kevitra: Andriamanitra tsy manavaka olona, fa manavaka ny ratsy sy ny tsara. Fa voasoratra hoe: “Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; ny tena olo-marina no isehoanao fa marina; ny madio no isehoanao fa madio; ary ny mpiola-kolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina
Alakamisy 09: Manangona ny olony Andriamanitra ka mamerina azy ho Aminy indray. “Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro” Mal.3:7b . Vakiteny 1: Lio.19:1-10. Vakiteny 2: Mal.3:1-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mal.3:7.
Fitarihan-kevitra: Nisintaka tamin’Andriamanitra ny Isiraely, dia “Andriamanitra izay nanao fanekena taminy” tamin’ny alalan’ireo patriarka, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Fa izany fanekena izany no anisan’ny fitahiana omeny an’ny taranany, ary amin’ny alalan’ny taranany koa dia ho an’ny firenena rehetra (Gen.22:18). Tra-pahoriana mafy ny Isiraely rehefa tafasaraka tamin’Andriamanitra Vatolampin’ny famonjena azy (Sal.89:26). Ny hamerenana ny olony amin’Andriamanitra no nanirahana an’i Jesosy hitory hoe: “Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra” Mat.4:17.
Zoma 10: Manangona ny olony Andriamanitra satria efa akaiky Izy. “[…] Dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra” Lio.21:31. Vakiteny 1: Isa.51:4-8. Vakiteny 2: Lio.21:25-36. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.21:28-31.
Fitarihan-kevitra: Manakaiky ny Tompo ary manantomotra ny fiaviany. Tsy Andriamanitra lavitra Izy fa akaiky izay rehetra miantso Azy ary Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy (Heb.11:6b ). Dia mbola miantso tokoa Izy ka manao hoe: “Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy” Isa.55:6-7.
Asabotsy 11: Manangona ny olony Andriamanitra, ka mampiambina azy amin’ny fiaviany. “Dia miomàna koa hianareo; fa ho avy ny Zanak’olona […]” Lio.12:40. Vakiteny 1: Amo.4:7-13. Vakiteny 2: Lio.12:35-40. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.12:40.
Fitarihan-kevitra: Ho avy tokoa Jesosy mitafy ny voninahitry ny Rainy araka ny tonom-bavaka nataony manao hoe: “Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin’ny tenanao, dia amin’ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao” Jao.17:5. Ny fahatongavan’ny Mesia dia famonjena ho an’izay mino Azy, ary fanamelohana kosa ho an’izay mandà Azy (Mar.16:16/2 Tim.2:12b ). Ary ny fanjakany dia efa tonga ao anatin’izay rehetra mino Azy (Lio.17:21) ka miandrandra sy miandry ny fiaviany. Ho azy ireo, dia hoy Jesosy: “Eny, avy faingana Aho. Amena” Apok.22:20a .
Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi- madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara” © Madanet.