Fiangonana Loterana Malagasy Hira sy Filazantsara Epifania, 02 – 08 Janoary 2022 “Epifania – Andriamanitra miseho amin’ny olona” *

Ny hafatra: Ny hoe “Epifania – Andriamanitra miseho amin’ny olona” dia manambara ny fisehoan’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra amintsika olombelona. Ny “epifania” (gr.) dia midika hoe “fanehoana na fisehoana ho hitan’ny maso izay niafina hatrizay”. Ara-tSoratra Masina izy dia manondro manokana ny fanehoana an’i Kristy, Ilay Voahosotr’Andriamanitra, tamin’ireo Magy fehizay. Miseho amintsika amin’ny alalan’ny Zanany tokoa Andriamanitra, dia “Kristy, Izay Endrik’Andriamanitra” (2 Kor.4:4). Ny fanontaniana mipetraka manoloana izany, dia ny hoe: “Midika inona ho antsika izany eo amin’ny lafin’ny planim-pamonjen’Andriamanitra antsika olombelona tafasaraka taminy noho ny ota”, araka ny teniny manao hoe: “Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy” Isa.59:2? Ny fanontaniana faharoa dia ny hoe: “Fa angaha azo atao ny mihaona amin’Andriamanitra?” Fa na dia i Mosesy aza tsy nahazo nijery Azy, araka ny Tenin’Andriamanitra taminy hoe: “Tsy mahazo mahita ny tavako hianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona” Eks.33:20. Tsy zakan’ny olombelona mpanota ho jerena tokoa ny fahamasinan’Andriamanitra, satria tsy misy iraisana ary mifanohitra ny Masina sy ny tsy masina, fa ny tsy masina dia ho levona eo anatrehan’ny voninahitry ny fahamasinan’Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe: “Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona […]” Deo.4:24. Tsy ny hahavery antsika anefa no hevitr’Andriamanitra amin’ny fisehoany amintsika, fa ny hahavonjy antsika olombelona mpanota. Hoy indrindra Izy: Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa” Isa.45:22. Noho ny famindrampony tokoa dia nanaiky ho azo jerena Andriamanitra, ka tsy mahafaty intsony ny fahitana Azy. Amin’izany dia nomeny ho antsika ny Zanany Malalany ho avotra noho ny fahotantsika (1 Jao.2:2). Koa Ilay Mesia Izay nambara sy notoriana fa ho avy no indro tonga tokoa sy miseho amin’ny olona. Tsy Andriamanitra mbola ho tadiavina intsony Izy fa Andriamanitra efa tonga amintsika, ary miseho mba hamonjy antsika (Mat.1:21). Toky lehibe omeny indrindra ho an’ny mino izany, satria voninahitr’Andriamanitra miseho amintsika ary miseho ho antsika, araka ny voasoratra hoe: “Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa” 1 Jao.3:2b.

Alatsinainy 03: Andriamanitra miseho amin’ny olona.

“Avia, ary aoka isika handeha amin’ny fahazavan’i Jehovah” Isa.2:5.

Vakiteny 1: Jao.12:31-36. Vakiteny 2: Isa.2:1-5. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.2:5.

Fitarihan-kevitra: Andriamanitra miseho amin’ny olona, zava-mahagaga antsika indrindra izany, kanefa hoy ny Tompo: “Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra, moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?” Jer.32:27. Dia tahaka antsika nitady Azy, kanefa Izy no efa nitady antsika ka niteny nanao hoe: “Notadiavin’izay tsy naniry Aho sy hitan’izay tsy nitady; hoy Izaho tamin’ny firenena izay tsy nantsoina tamin’ny anarako: Inty Aho! Inty Aho!” Isa.65:1. Zava-dehibe izay irina tokoa ny fisehoan’Andriamanitra, fa hoy ny tononkirantsika manao hoe: “Toy ilay tao Genesareta, misehoa Hianao” Fihirana FFPM faha-630.

Talata 04: Andriamanitra miseho amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany.

“Ny Zanakalahy Tokana Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy” Jao.1:18b.

Vakiteny 1: Kol.2:6-12. Vakiteny 2: Jao.1:14-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.1:18.

Fitarihan-kevitra: Nisy ary mbola misy tokoa ny olona milaza fa tsy misy Andriamanitra, satria izay hitan’ny masony ihany no inoany. Kanefa ny finoantsika tsy mba miorina amin’ny zavatra hita, fa voasoratra hoe: “Ary ny finoana no fahatokiana amin’ny zavatra antenanaina, fanehoana ny zavatra tsy hita” Heb.11:1. Koa ny fihaonana amin’i Jesosy amin’ny alalan’ny finoana no zava-dehibe fototry ny famonjena. Fa hoy Jesosy: “Minoa Ahy fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko” Jao.14:11a. Ary amin’izany, “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray” Jao.14:9b.

Alarobia 05: Andriamanitra miseho naka ny endriky ny olona.

“Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika” Jao.1:14a.

Vakiteny 1: Kol.2:8-15. Vakiteny 2: Jao.1:14-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.1:14.

Fitarihan-kevitra: Andriamanitra miseho dia naka ny endriky ny olona, ary dia miteny araka ny fombantsika olombelona. Fa ny maha-olona Azy no ahazoany miteny amintsika mampita ny hafatry ny famonjeny, araka ny voasoratra hoe: “Rehefa nampitenenin’Andriamanitra tamin’ny razana fahiny ny mpaminany tamin’ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa; dia amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, Izy koa no famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny” Heb.1:1-3a.

Alakamisy 06: Andriamanitra miseho, fahazavana ho an’ny olony.

“Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao” Isa.60:1a.

Vakiteny 1: Jao.8:8-12. Vakiteny 2: Isa.60:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.60:1.

Fitarihan-kevitra: Hoy Jesosy: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” Jao.8:12. Tonga ny Mesia mampiposaka ny mazava, koa: “Ny olona izay mandeha amin’ny maizina dia mahita mazava lehibe; izay mitoetra amin’ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ny mazava” Isa.9:1. Koa amin’izany, dia hoy ny tenin’ny Tompo: “Fa maizina hianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny, mandehana tahaka ny zanaky ny mazava” Efes.5:8.

Zoma 07: Andriamanitra miseho ho Mpamonjy ny olony.

“Izy no ho Mpiandry ny Israely oloko” Mat.2:6d.

Vakiteny 1: Jao.8:12-15. Vakiteny 2: Mat.2:1-12. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.2:6.

Fitarihan-kevitra: Ny olombelona dia toy ny ondry manam-pahalemena sady mora mania; eny, na dia efa nifidy azy aza ny Tompo. Noho izany, dia nitsinjo azy tokoa Andriamanitra (Ezek.34:11), koa dia nirahiny Jesosy Kristy Zanany hamory sy hiahy azy. Ary dia hoy Izy: “Izaho no Mpiandry Tsara, ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondriny” Jao.10:11. Sambatra ny ondry izay manana an’i Jesosy ho Tompony sy Mpiandry azy, fa “tsy hisy handrombaka izay amin’ny tanany” (Jao.10:28b).

Asabotsy 08: Jesosy Kristy, Andriamanitra miseho amin’ny olona rehetra.

“Amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany” Heb.1:2 a. .

Vakiteny 1: Jao.15:22-27. Vakiteny 2: Heb.1:1-4. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Heb.1:1-2.

Fitarihan-kevitra: Miseho sy miteny amin’ny olona amin’ny fomba samihafa tokoa Andriamanitra, ka ny fototra amin’izany rehetra izany dia ny hihaonan’ny olona tsirairay amin’i Jesosy, Andriamanitra tonga nofo, ary nonina tamintsika (Jao.1:14a). Ankehitriny koa dia mbola tonga amintsika Izy ka miteny amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra ombàn’ny Fanahy Masina. Fa “Izy”,hoy Jesosy, “no vavolombelona hanambara Ahy” Jao.15:26d. Minoa ny teniny, fa izay mino Azy no hovonjena.

Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara” © Madanet.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *