Ny hafatra: Endriky ny fitiavan’Andriamanitra indrindra ny fiahiana ny olony, dia izay rehetra manaiky Azy ho Tompo sy Mpamponjy ary manao ny asany (Jao.14:12a). Sarobidy Aminy izy ireo ka dia arovany indrindra, araka ny voasoratra hoe: “Fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony” Zak.2:12b. Miahy ny olony tokoa Andriamanitra, ary dia nanao fanekena taminy Izy fa tsy hahafoy ary tsy hanadino azy mandrakizay. Koa na dia tafalatsaka lalina tao amin’ny fahotana sy ny fisarahana Aminy vokatr’izany aza ny olony, dia nanaovany fanavotana tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany ary nilazany hoe: “Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao Aho; efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao” Isa 43:1b,d. Ny olona rehetra tsy an-kanavaka tokoa dia nanehoan’i Jesosy ny fony izay tia indrindra ka antra azy, ary vonona ny hiahy azy, araka ny voasoratra hoe: “Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry ” Mat.9:36. Fa mainka marina indrindra izany ho an’ny olona izay nandray Azy sy mino Azy ka noraisiny sy “nalainy ho an’ny tenany” (1 Pet.2:9), dia izay miray aina sy miray antoka Aminy. Ampahafantariny azy ireo fa tia azy Izy ka tsy manary na manadino ny olony, indrindra raha tojo fotoan-tsarotra sy androm-pahoriana toy ny diavintsika amin’izao vanin’andro iainantsika izao izy. Fa miovaova sy miharatsy izao rehetra izao, indrisy, dia “andro mahory tokoa” (2 Tim.3:1), ary dia maro ny olona no mitopatopa, mivembena toy ny vaky sambo, very toky, tsy misy ifaharana. Saingy ny toky lehibe kosa izay omen’Andriamanitra izay rehetra mino Azy ary mbola mifahatra Aminy dia ny hoe: “Jesosy Krisy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay” Heb.13:8, dia toky izay mitoetra mandrakizay sady toky tsy mba mamitaka, sanatria, satria tokin’Andriamanitra Velona. Fitaomana antsika hankasitraka sy hidera an’Andriamanitra ary hanome voninahitra Azy noho ny fiahiany antsika izany hafatra izany. Sambatra izay manana an’Andriamanitra ho Mpiahy azy, fa tanterahiny aminy tokoa ny toky tsy miova izay omeny ny olony manao hoe: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory – Jos.1:5” Heb.13:5b.
Alatsinainy 31: Andriamanitra miahy ny olony.
“Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao Aho; efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao” Isa.43:1b,d.
Vakiteny 1: Mat.6:24-34. Vakiteny 2: Isa.43:1-3. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.43:1.
Fitarihan-kevitra: Andriamanitra dia nanao fanekena tamin’ny olony fa ho Andriamaniny Izy, ary tsy misy hafa. “Fa hoy Ziona: Jehovah efa nahafoy ahy, ary ny Tompoko efa nanadino ahy. Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao. Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatànako hianao, ary ny màndanao dia eo anatrehako mandrakariva” Isa.49:14-16.
Talata 01: Jesosy Kristy Tompo miaro ny ain’ny olony.
“Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro” Mat.8:26b.
Vakiteny 1: Sal.23:1-6. Vakiteny 2: Mat.8:23-27. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.8:25-26.
Fitarihan-kevitra: Rehefa notenenin’i Jesosy mafy ny rivotra sy ny ranomasina dia toy ny nanan-tsofina ka nanjary tony, na dia nitopatopa fatratra saiky nampilentika ny sambokely nisy an’i Jesosy sy ny mpianany aza. Fa voasoratra hoe: “Fa Jehovah hanome rariny ny olony ary hanenina ny amin’ny mpanompony, raha hitany fa lany ny heriny […]” Deo.32:36. Koa raha nifofo an’i Jonatana ho faty Saoly mpanjaka, dia hoy ny vahoaka Isiraely niaro azy nanao hoe: “Raha velona koa Jehovah, tsy hisy na dia ny singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin’ny tany, fa niara-niasa tamin’Andriamanitra izy androany” 1 Sam.14:45b.
Alarobia 02: Ny mpanompon’Andriamanitra miahy ny ondriny.
“Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo […]” 1 Pet.5:2a.
Vakiteny 1: Jao.21:15-17. Vakiteny 2: 1 Pet.5:1-4. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Pet.5:2.
Fitarihan-kevitra: Mpiandry mahatoky no notendren’ny Tompo hiahy ny ondriny, dia izay miaro azy sy manome ny hanina sahaza ho azy amin’ny fotoana. Mahazo sitraka manokana avy amin’ny Tompo izy ireny, fa hoy Jesosy: “Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy. Ary na avy amin’ny fiambenana faharoa amin’ny alina izy, na avy amin’ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo” Lio.12:37-38.
Alakamisy 03: Ny olon’Andriamanitra mifampiahy.
“Tiava ny namanao tahaka ny tenanao – Lev.19:18” Rom.13:9b.
Vakiteny 1: Jao.13:33-35. Vakiteny 2: Rom.13:8-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.13:8-9.
Fitarihan-kevitra: Tsy misy olona na iza na iza afaka miteny fa mahavita tena, fa nataon’Andriamanitra samy mila ny namany avy ny olona rehetra, mba hianarany mifankatia sy mifampiahy. Rehefa izany dia hoy ny baikon’ny tenin’Andriamanitra: “Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’i Kristy. […] Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika. Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana” Gal.6:2,9-10.
Zoma 04: Jesosy Kristy no Mpiandry Tsara.
“Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry” Jao.10:11.
Vakiteny 1: Ezek.34:1-10. Vakiteny 2: Jao.10:11-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.10:11.
Fitarihan-kevitra: Modely tonga lafatra no omen’i Jesosy ny amin’ny “mpiandry tsara”, dia ny mpiandry izay mahatoky, hendry sy mahay ary be fitiavana indrindra ka mandà ny tenany mba hiahy sy hamonjy ny ondry, araka ny tenin’i Paoly Apostoly manao hoe: “Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra” Asa.20:24. Vidin’aina ny famonjena ny ondry, toa an’i Jesosy izay nanaiky niaritra ny fahafatesana mba hahavonjy ny maro (Heb.5:8-9).
Asabotsy 05: Tsy manam-petra ny fiahian’Andriamanitra ny olony.
“Mandra-pahafotsy-volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo” Isa.46:4b.
Vakiteny 1: Mat.28:16-20. Vakiteny 2: Isa.46:3-4. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.46:4.
Fitarihan-kevitra: Ny fiahian’Andriamanitra ny olony dia tsy manam-petra. Taratry ny fitiavany indrindra izany, dia araka ny nitenenany tamin’ny Isiraely olony manao hoe: “Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao” Jer.31:3. Ary dia tanteraka sy niseho indrindra teo amin’i Jesosy izany “fitiavany miahy” izany ka nambaran’ i Jaona Apostoly araka ny voasoratra hoe: “Efa tia ny Azy izay amin’izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin’ny farany” Jao.13:1b.
Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi- madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org: fampianarana, hira… © Madanet