Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady VI alohan’ny Paska, 6 Martsa – 12 Martsa 2022 “Ny mino mandresy ny fakam-panahy” *

Ny hafatra: Ny atao hoe “fakam-panahy” dia ny fitaoman’ny devoly hisaraka amin’Andriamanitra sy hanao izay zavatra tsy araka ny sitrapony. Ny filàna izay ao am-pon’ny olona, dia ny “filan’ny nofo”, no hetsehan’ny devoly hakàna fanahy ny olona hamaboana azy: filam-bola sy harena (fieremana), filam-boninahitra, filam-pahefana, filan-kanina, sns. Izany no niseho fony Adama sy Eva tao Edena, mba handavoana azy, ary hahameloka azy eo anatrehan’Andriamanitra. Amitahan’ny devoly antsika ny fiheverana fa tsy hita na fantatr’Andriamanitra ny tsy mety atao, hany ka mora amintsika ny manota. Noho ny fahasoavan’Andriamanitra, dia nomen’ny Tompo ho an’ny mpino rehetra vita batisa ny ho tarihin’ny Fanahy Masina, Izay mampandresy azy ny ratsy rehetra sady Fanahin’ny fahamarinana izay mitarika sy mampahery azy hanao ny sitrapon’Andriamanitra, dia “izay tsara sady ankasitrahana no marina” Rom.12:2. Koa amin’izany dia “Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly” Efes.6:11. Izany dia ny finoana sy ny firaisana amin’i Jesosy ary ny vavaka omban’ny fitarihan’ny Fanahy Masina sy ny tenin’Andriamanitra sabatry ny Fanahy. Fiadiana mahery vaika indrindra ireo mba hiarovana amin’ny fakam-panahy sy handresena azy. Misy tokoa ny fakam-panahy, kanefa “Amin’izany rehetra izany, dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika” Rom.8:37.

Alatsinainy 07: Ny mino mandresy ny mpaka fanahy. “Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany” Gen.3:15. Vakiteny 1: Rom.16:17-20. Vakiteny 2: Gen.3:1-24. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Gen.3:14-15. Fitarihan-kevitra: Ny ady amin’ny devoly mpaka fanahy dia tsy adin’ny olombelona fa adin’Andriamanitra. Koa na dia mahatsiaro manana fahalemena aza isika manoloana ny fakam-panahy, dia hoy ny Tompo: “Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena” 2 Kor.12:9a. Ny fahasoavan’Andriamanitra mandresy ho antsika, dia Jesosy miteny amintsika manao hoe: “Ny fiadanako no omeko anareo” Jao.14:27b.

Talata 08 : Ny mpanompon’Andriamanitra mahajoro. “Fa amin’ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay” 2 Kor.6:4. Vakiteny 1: Gen.39:1-9. Vakiteny 2: 2 Kor.6:1-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 2 Kor.6:4. Fitarihan-kevitra: Ny mpanompon’Andriamanitra dia mahajoro mahatohitra sy mandresy ny fakam-panahy noho ny Tompo momba azy. Hoy ny Apostoly Paoly: “Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?” Rom.8:31b. Ary satria ny devoly dia mpiampanga, dia mbola hoy Paoly: “Iza no hiampanga ny olom-boafidin’Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy. Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ny maty koa ka mitoetra eo amin’ny tànana ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika.” Rom.8:33-34.

Alarobia 09: Ny tenin’Andriamanitra mandresy ny mpaka fanahy. “Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy” Mat.4:11. Vakiteny 1: Heb.2:10-18. Vakiteny 2: Mat.4:1-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.4:11. Fitarihan-kevitra: Jesosy Kristy nandresy ny mpaka fanahy satria “velona sy nahery” tao Aminy ny tenin’Andriamanitra (Heb.4:12). Izay nandray Azy dia ampahitany ny voninahitr’Andriamanitra izay mandresy tanteraka ny mpaka fanahy, araka ny voasoratra hoe: “Ary ny teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana” Jao.1:14.

Alakamisy 10: Ny mino mandresy ny fakam-panahy amin’ny finoana an’i Jesosy. “Ary izy ireo naharesy azy noho ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny filazàna Azy” Apok.12:11a. Vakiteny 1: Jao.5:1-15. Vakiteny 2: Apok.12:7-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Apok.12:11. Fitarihan-kevitra: Hoy Jesosy: “Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino” Mar.9:23b, dia izay rehetra manana an’i Jesosy ho Tompony sy Mpamonjiny, ka afaka miteny tahaka an’i Paoly Apostoly manao hoe: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy” Fil.4:13. Fahefana feno no omen’ny Tompo ny mino mba handresy ny mpaka fanahy. Hoy Jesosy: “Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ny fahavalo hianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory” Lio.10:19.

Zoma 11: Ny mino mandresy ny fakam-panahy amin’ny Vavaka. “Miareta tory sy mivavaha hianareo, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy” Mat.26:41a. Vakiteny 1: Dan.6:11-24. Vakiteny 2: Mat.26:36-42. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.26:41. Fitarihan-kevitra: Izay manana firaisana amin’i Jesosy no voaro amin’ny fakam-panahy ary mandresy ny mpaka fanahy. Amin’ny alalan’ny Vavaka no ananantsika firaisana velona Aminy ka handraisantsika ny heriny sy ny fahefany izay mandresy ny ratsy rehetra, dia ny Fanahy Masina. Feno toky ny manana ny Fanahy Masina ao anatiny fa voasoratra hoe: “Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray hianareo [tahotra ny fakam-panahy], fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô” Rom.8:15.

Asabotsy 12: Ny mino mandresy ny fakam-panahy no satrohina voninahitra. “Izay maharesy no hataoko andry eo amin’ny tempolin’Andriamanitro” Apok.3:12. Vakiteny 1: Jao.2:12-14. Vakiteny 2: Apok.3:7-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Apok.3:12. Fitarihan-kevitra: Amin’ny finoana no handovana ny fanjakan’ny lanitra sy ny fiainana mandrakizay. Fahasahiana masina sy faharetana no takian’izany. Fa hoy Jesosy: “Izaho hanome maimaimpoana amin’ny loharanon’ny ranon’aina ho an’izay mangetaheta. Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako” Apok.21:6b-7.

Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alem , ary azo jerena ao amin’ny ite www.hifi- madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”.
Henoy ny hifiradio.org: fampianara, hira, …. 24/7. © Madanet.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *