Ny hafatra: “Andriamanitra miantra ny olony” ka tsy mahafoy azy ho ory, araka ny voasoratra hoe: “Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’olombelona” Fit.3:33. Noho ny fitiavany tsy misy fetra dia tsy afaka ny hitoetra amin’izao tokoa Andriamanitra raha mahita ny olony iharam-pahoriana, fa miditra an-tsehatra, mitondra ny famonjeny mba hanafahana azy avy amin’ny zava-tsarotra izay mihatra aminy. Tojo fahoriana lalina ny zanak’olombelona rehefa tafasaraka tamin’Andriamanitra noho ilay fahotana tao Edena, dia ny nandikan’i Adama sy Eva ny baikon’Andriamanitra mba “tsy hihinanany ny voankazo teo afovoan’ny saha mba tsy hahafaty azy” (Gen.3:3). Tapaka ny firaisana mahafinaritra tamin’Andriamanitra, fa tafiditra kosa teo amin’ny fiainan’ny olombelona sy ny zava-mananaina rehetra ny fahafatesana, satria “fahafatesana no tambin’ny ota” Rom.6:23. Koa ny fiantran’Andriamanitra ny olony dia ny fanehoany amin’ny fahafenoany ny fitiavany mamonjy antsika ao amin’i Jesosy Kristy Zanany (Jao.3:16). Jesosy tokoa no voatsara sy voaheloka teo amin’ny toerantsika mpanota mba hanamarinana antsika, araka ny teniny manao hoe: “Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondriny” Jao.10:11. Koa raiso ny famonjena atolotr’Andriamanitra, fa vonona tokoa Izy ny hamela ny helotsika mba hihavanantsika aminy ka mbola miantso antsika manao hoe: “Miverena hianao, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo” Jer.3:22b. Manantitra izany ny antson’i Jesosy manao hoe: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” Mat.11:28.
Alatsinainy 21: Andriamanitra miantra ny olony ka mamaly ny fitarainany.
“Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’i Jehovah, […] ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny” 2 Sam.22:7.
Vakiteny 1: Lio.18:1-8. Vakiteny 2: 2 Sam.22:1-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 2 Sam.22:7.
Fitarihan-kevitra: Ray be fiantra tokoa ny Tompo ka tsy hitoetra foana tsy hahare ny fitarainan’ny olony ory ka tsy hamaly ny fivavahany. Fa eo akaikin’izay miantso ny Anarany sy manankim-po Aminy Izy, ka miteny aminy tahaka ny tamin’ny zanak’Israely manao hoe: “Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony; dia efa nidina Aho izao hamonjy azy” Eks.3:7-8a.
Talata 22: Andriamanitra miantra ny olony ka manafaka azy amin’ny haizina.
“Fa maizina hianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny” Efes.5:8a.
Vakiteny 1: Jao.12:27-36. Vakiteny 2: Efes.5:1-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Efes.5:8.
Fitarihan-kevitra: Maizina izao tontolo izao rehefa tsy eo Andriamanitra, ary maizina toy izany koa ny olona tafasaraka Aminy. Tamin’ny androm-pahariana voalohany dia teo ny Tompo nampiposaka ny mazava, araka ny voasoratra hoe: “Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava” Gen.1:3. Ary dia mbola toy izany ihany no ataony ho an’izay rehetra mino Azy, fa hoy Jesosy: “Izaho no fahazavan’Izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” Jao.8:12.
Alarobia 23: Andriamanitra mitsinjo ny olony amin’ny alalan’ny teniny.
“Mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany” Lio.11:28.
Vakiteny 1: Sal.119:137-144. Vakiteny 2: Lio.11:14-28. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.11:28.
Fitarihan-kevitra: Andriamanitra mitsinjo ny olony ka maneho ny fitiavany tsy miova sy mahari-pery mba hahavonjy azy. Amin’ny alalan’ny teniny no anaovany izany, ka hoy Jesosy: “Izay rehetra manatona Ahy sy mandre ny teniko ka mankatò azy, dia hasehoko aminareo izay tahaka azy: Tahaka ny olona nanao trano izy, izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin’ny vatolampy; ary nony tondraka ny rano, dia namely mafy izany trano izany ny riaka, nefa tsy nahahozongozona azy, satria tsara fanorenana izy [na: naorina teo ambonin’ny vatolampy izy]” Lio.6:47-48.
Alakamisy 24: Jesosy Kristy no Mpiahy ny olon’Andriamanitra.
“Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika” 1 Jao.2:1b.
Vakiteny 1: Rom.8:30-34. Vakiteny 2: 1 Jao.1:8-10;2:1-2. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Jao.2:1-2.
Fitarihan-kevitra: Ny devoly dia mpiampanga ny olona amin’ny fahadisoana mety nataony, na olona mino izy na tsia. Tonga kosa Jesosy Kristy hanavotra ny olona araka ny voasoratra hoe: “Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka [Gr. Hitsara] izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao” Jao.3:17. Minoa an’i Jesosy fa “Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao” Jao.4:42b.
Zoma 25: Andriamanitra miahy ny olony ka mampandresy azy.
“Manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika” Rom.8:37.
Vakiteny 1: 1 Jao.2:12-17. Vakiteny 2: Rom.8:31-39. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.8:37.
Fitarihan-kevitra: Ny tany dia tsy ilaozan’ady, ary na ny mino koa aza dia avelan’Andriamanitra hisedra izany mba hanehoana ny voninahiny (Jao.11:40). Tsy mamela ny olony hiady irery anefa Andriamanitra, indrindra amin’ny “andro mahory” araka ny voalazan’ny Soratra Masina (2 Tim.3:1), fa manome tokim-pamonjena ho azy manao hoe: “Satria efa nitandrina ny teniko ny amin’ny faharetana hianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany” Apok.3:10.
Asabotsy 26: Andriamanitra miantra ny olony mandrakizay.
“Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako ny famindrampoko ho anao” Jer.31:3.
Vakiteny 1: Jao.13:1-8. Vakiteny 2: Jer.31:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.31:3.
Fitarihan-kevitra: Hoy Jaona Apostoly: “Andriamanitra dia fitiavana” 1 Jao.4:16b. Fitiavana maharitra sy miaritra izany fitiavan’ Andriamanitra izany, mba hahavonjy sy hahavelona izay mino Azy. Ary dia manao fanekena aminy Izy ka miteny manao hoe: “Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra, ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindrampoko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao” Isa.54:10.
Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi- madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org: fampianarana, hira…. 274/7. © Madanet.