Ny hafatra: Tsy misy tsy ho tanteraka ny teny fikasana ataon’Andriamanitra (Lk 1:37), satria Mahatoky sy Marina Izy. Fa voasoratra hoe: “Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’olombelona ka hanenina; moa tsy efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? Na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?”
Nom.23:19. Arak’izany dia tokony itokisantsika indrindra ny teny fikasan’Andriamanitra, satria teny manome tokim-pamonjena marim-pototra izany. Fa ny finoana ny teny izay lazain’Andriamanitra no mahavonjy izay mino azy (Lio.17:19), satria Izy Izay Tompon’ny teny no manamarina azy, dia Izy
“Tompon’ny finoana sy Mpanefa azy” (Heb.12:2a). Ny fahatanterahan’ny teny fikasan’Andriamanitra dia nanterin’ny Soratra Masina mazava tamin’ny alalan’i Paoly Apostoly raha hoy izy manao hoe: “Fa raha mahatoky koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy ‘eny’ sy ‘tsia’; fa ny Zanak’Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorianay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy ‘eny’ sy ‘tsia’, fa ao aminy dia ‘eny’ ihany. Fa na firy na firy ny teny fikasan’Andriamanitra, dia ao aminy ny ‘eny’, ary amin’ny alalany koa ny ‘Amena’, ho voninahitr’Andriamanitra amin’ny ataonay” 2 Kor.1:18-20. Ny “Amena” dia ny fahatanterahan’ny teny. Fa ny teny fikasan’Andriamanitra dia tsy mba misy fitaka fa marina avokoa, ary ny
fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra no anehoany ny voninahiny, ka anomezantsika voninahitra Azy amin’ny fisaorana sy ny fiderana Azy, araka ny voasoratra hoe: “Omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy” Sal.66:2b. Anefa koa ny fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra indrindra no manamafy orina ny
fitokisantsika Azy sy ny teny izay lazainy, ary dia izany no ankasitrahany, araka ny teny manao hoe: “Ny oloko marina, dia ho velon’ny finoana” Heb.10:38a. Fototra lehibe iorenan’ny finoantsika ny fahatanterahan’ny teny fikasan’Andriamanitra, satria izany no antoka izay omen’ny Tompo antsika mba
hahatanteraka ny vavaka izay ataontsika Aminy. Fa hoy Jesosy: “Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko [izany hoe : “Raha misy finoana miorina amin’ny tenin’Andriamanitra ao aminareo”], dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany” Jao.15:7. Ny
tenin’Andriamanitra no iorenan’ny asany manontolo sady antoka mahatanteraka izany (Lio.1:37). Koa minoa ny teniny, fa hoy Izy: “Ny tany sy ny lanitra ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona” Mat.24:35.
Alatsinainy 04: Andriamanitra manatanteraka ny teny izay lazainy.
“Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra” Lio.1:37.
Vakiteny 1: 2 Kor.1:17-20. Vakiteny 2: Lio.1:26-38. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.1:37.
Fitarihan-kevitra: Andriamanitra raha miteny dia ny hahatanteraka izay lazainy, ka izany indrindra no tokony hinoana Azy. Hoy indrindra ny fanambaran’ny mpaminany Isaia momba izany: “Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy sy hanina ho an’ny
mpihinana, dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy ” Isa.55:10-11.
Talata 05: Ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika.
“Indro, hanan’anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany hataony hoe Imanoela” Isa.7:14.
Vakiteny 1: Jao.1:14-18. Vakiteny 2: Isa.7:10-15. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.7:14-15.
Fitarihan-kevitra: Ny fikendren’Andriamanitra dia ny hitoetra sy honina eo amin’ny olony, mba hanorenany ny fanekeny aminy ka hitahiany ny olony sy hamelomany azy. Ho amin’izany dia hoy Izy manao hoe: “Ary hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho, ka ho fanekena mandrakizay eo aminy izany, ary hametraka sy hahamaro azy Aho sady hametraka ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay. Ary ny tabernakeliko ho eo aminy; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko” Ezek.37:26-27.
Alarobia 06: Ny olom-boafidy, olon’ny teny fikasana ho fitahiana ny maro.
“Hitahy izay manisy soa anao Aho” Gen.12:3a.
Vakiteny 1: Asa.3:22-26. Vakiteny 2: Gen.12:1-3. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Gen.12:3.
Fitarihan-kevitra: Antoka lehibe ataon’Andriamanitra ny amin’ny hitahiany ny maro ny ametrahany ny olom-boafidiny eto amin’izao tontolo izao. Izy ireo no notendreny ho vavolombelon’ny fitiavany sy ho loharanom-pitahiana ho an’ny rehetra, dia olona napetrany eo amin’ny banga mba hitalaho ho an’ny fireneny (Ezek.22:30), sy ho vavolombelona mahatoky ny amin’Andriamanitra, dia “olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilaza ny hatsaran’Ilay niantso azy hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga” (1 Pet.2:9b).
Alakamisy 07: Andriamanitra miantso ny olona rehetra handray ny teny fikasana.
“Ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’izay rehetra lavitra” Asa.2:39a.
Vakiteny 1: Isa.55:1-3. Vakiteny 2: Asa.2:36-40. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Asa.2:39.
Fitarihan-kevitra: Ny teny fikasan’Andriamanitra dia ny olona mpanota ho tafiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra sy handova ny fiainana mandrakizay. Izany no anton’ny teny nambaran’i Jesosy raha vao nanomboka nitory teny Izy ka nanao hoe: “Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra” Mat.4:17. Ho an’ny olona rehetra tsy ankanavaka no iantefan’ny antsony izay nanirahan’i Jesosy ny
mpianany manao hoe: “Mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra” Mar.16:15.
Zoma 08: Minoa izay lazain’ny teny fikasana.
“Sambatra hianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain’ny Tompo taminao” Lio.1:45.
Vakiteny 1: 2 Tan.20:14-21. Vakiteny 2: Lio.1:39-45. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.1:45.
Fitarihan-kevitra: Tsy miteny foana tokoa Andriamanitra na mampiteny foana ireo mpanompony izay irahiny. Fa raha niasa ireo Apostoly dia voalaza manao hoe: “Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin’ny famantarana izay nomba azy. Amena” Mar.16:20. Mahasaro-piaro an’Andriamanitra ny fahamarinan’ny teny izay lazainy ka tsy
voasakan’ny tsy finoan’ny tsy mino izany.
Asabotsy 09: Jesosy Kristy no fehin’ny fahatanterahan’ny teny fikasana.
“Hianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka” Heb.5:6.
Vakiteny 1: Jao.1:19-31. Vakiteny 2: Heb.5:1-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Heb.5:6.
Fitarihan-kevitra: Jesosy no fototra iorenan’ny fanjakan’Andriamanitra sy ny asany, sady vovonana iadian’ny lohan’ny teny fikasana rehetra. Fa voasoratra hoe: “Kristy Jesosy no fehizoro indrindra; ao aminy no irafetan’ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina
ao amin’ny Tompo. Ary ao aminy no miaraka aorina koa hianareo ho fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy” Efes.2:20b-22. Minoa an’i Jesosy “Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy” Heb.12:2a, dia ho tanteraka ny teny fikasana rehetra izay lazain’ny tenin’Andriamanitra.
Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org: fampianarana, hira, … 24/7. © Madanet.