Ny hafatra: Ny Voahosotr’i Jehovah, na ny Mesia, dia nirahin’ny Ray mba hitondra fanavotana ho an’ny olona mpanota, izay tsy mahay manavo-tena (Rom.7:24). Ny hoe “fanavotana” dia ny fananganan’Andriamanitra ny olombelona avy amin’ny fahalavoana sy ny fahalovana noho ny ota, araka ny fikasany hatramin’ny voalohany manao hoe: “Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika” Gen.1:26a. Izany dia ny hitafian’ny olombelona indray ny voninahitr’Andriamanitra, araka ny Rom.8:30. Lafin-kefitra dimy mifameno no mahatanteraka ny asam-panavotana:
1/ Ny fanafoanan’Andriamanitra ny fahadisoana rehetra izay mahameloka eo imasony sy araka izay voasoratra ao amin’ny boky firaketany (Deo.32:34), araka ny voasoratra hoe: “Ary novonoiny ny sora-tànan’ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ny hazo fijaliana” Kol.2:14.
2/ Ny fampihavanan’Andriamanitra ny olona Aminy sy ny fanavaozany azy mba hidirany ao amin’ny fanjakany, ka hananganany azy ho zanaka mandova Azy sy ho mpiray lova amin’i Kristy Zanany (Rom.8:17), araka ny tenin’i Jesosy tamin’i Nikodemosy manao hoe: “Raha tsy ateraka indray [na: ateraka avy any ambony] ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra” Jao.3:3.
3/ Ny fanaovan’Andriamanitra fanekena amin’ny olona araka ny teniny manao hoe: “Ho Rainareo Aho, ary hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha (Isa.52:11-12)” 2 Kor.6:18.
4/ Ny fananganana ny fanjakàm-pisorona, araka ny voasoratra hoe: “Ho an’Izay tia antsika ka namaha [Na: nanasa] antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany, sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an’Andriamanitra Rainy, ho Azy anie ny voninahitra, […]” Apok.1:5b-6.
5/ Ny fampandovana ny fanjakan’Andriamanitra mandrakizay sy ny fiaraha-monina. Hoy Jesosy: “Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao” Mat.25:34, ary koa: “Izay itoerako no hitoeranareo koa” Jao.14:3b. Asan’Andriamanitra avokoa izany mba hahatanteraka ny fanavotana; fa “Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony” Fil.2:13. Ho voninahitry ny Anarany Masina !
Alatsinainy 09: Ny Voahosotr’i Jehovah mitondra fanavotana.
“Jehovah efa nanosotra Ahy […] hitory fanafahana amin’ny babo” Isa.61:1b,d.
Vakiteny 1: Rom.3:21-26. Vakiteny 2: Isa.61:1-3. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.61:1-2.
Fitarihan-kevitra: Ny hevi-dehibe asongadina eto dia ny anton’ny iraka izay nampanaovin’ny Ray an’i Jesosy Kristy Zanaka, dia ny hitondra fanavotana ho an’ny olona, dia fanafahana amin’ny fambaboana noho ny ota sy izao tontolo izao. Izany dia famotsorana azy ho afaka amin’ny lalàn’ny fahotana sy ny fahafatesana (Rom.8:2) amin’ny alalan’ny ran’i Jesosy araka ny voasoratra hoe: “Manatitra fanavotana ho an’ny olony Izy; efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; masina sy mahatahotra ny anarany” Sal.111:9.
Talata 10: Ny Voahosotr’i Jehovah manao ny sitrapon’ny Rainy.
“Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy” Jao.7:16.
Vakiteny 1: Sal.40:4-10. Vakiteny 2: Jao.7:14-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.7:15-16
Fitarihan-kevitra: Ny fampianarin’i Jesosy dia ny tenin’ny Ray, tsy mihoatra, tsy latsaka. Fa hoy Izy: “Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandrapahatanterak’izy
rehetra” Mat.5:18. Fa “ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray; fa na inona na inona no ataon’ny Ray dia toy izany koa no ataon’ny Zanaka” Jao.5:19. Izany dia ny manatanteraka ny planin’ny fanavotany.
Alarobia 11: Ny Voahosotr’i Jehovah mitory ny “Taona ankasitrahana”.
“Jehovah efa nanosotra Ahy hitory […] taona ankasitrahan’i Jehovah” Isa.61:1b,2a.
Vakiteny 1: Lio.2:25-32. Vakiteny 2: Isa.61:1–2. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.61:1,2a.
Fitarihan-kevitra: Ny Taona ankasitrahan’i Jehovah, dia ny Taom-panavotana, dia ny famelan-keloka ny mpanota ka hanavaozany ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Taona Vaovao tokoa izany, fa voasoratra hoe: “Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza” Isa.65:17. “Taon-jobily” koa no handikana azy, dia Taona
Fanafahana, mba hahatanteraka ny tenin’ i Jesosy manao hoe: “Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara” Mat.11:5.
Alakamisy 12: Ny Voahosotr’i Jehovah miray antoka amin’ny olony mba hanavotana azy.
“Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy” Heb.2:14a.
Vakiteny 1: Isa.53: 4-7. Vakiteny 2: Heb.2:11-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Heb.2:14.
Fitarihan-kevitra: Ny hoe “miray antoka amin’ny olona” dia Jesosy miombona tantara sy entana amin’ny olona mba hanavotana azy amin’ny gejan’ny ota sy ny fanamelohana (Rom.8:1). Fa “nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; […] dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana” Fil.2:7-8. Hoy Jaona mpanao batisa: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” Jao.1:29.
Zoma 13: Ny Voahosotr’i Jehovah mifona ho an’ny olona.
“Kristy Jesosy […] mitoetra eo amin’ny tànana ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika” Rom.8:34b.
Vakiteny 1: Heb.2:10-18. Vakiteny 2: Rom.8:31-34. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.8:34.
Fitarihan-kevitra: Satrin’Andriamanitra loatra ny mpanota hiverina aminy mba handray ny fanjakany, hahazoany fiainana mandrakizay. Koa dia nirahiny Jesosy izay niteny nanao hoe: “Efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very” Lio.19:10. Fa tsy latsaka izany indrindra koa ny hampitoetra azy tsara ao amin’ny fanjakany. Ho amin’izany dia mivavaka ho an’ny olony tsy mitsahatra Izy mba hahazoany miteny aminy hoe: “Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao ”Mat.25:34. Hoy Jesosy: “Tomoera amin’ny fitiavako hianareo” Jao.15:9b. Ary hoy koa Paoly: “Miorena tsara, aza miova” 1 Kor.15:58a.
Sabotsy 14: Ny Voahosotr’i Jehovah manamasina ny olony.
“Ary ho an’ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan’ny fahamarinanao azy” Jao.17:19.
Vakiteny 1: Eks.19:1-6. Vakiteny 2: Jao.17:13-19. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.17:19.
Fitarihan-kevitra: Voasoratra hoe: “Izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo” Heb.12:14b. Fahamasinana no toetran’Andriamanitra, ka dia dioviny sy amboariny isika mba hanana ny toe-panahy araka an’Adriamanitra. Hoy Izy: “Ho masina hianareo, satria masina Aho” Lev.11:44b. Ho amin’izany, dia nivavaka ho an’ny mpianany Jesosy ka nanao hoe: “Manamasìna azy amin’ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana” Jao.17:17. Ny fahamasinan’Andramanitra ho antsika, tokim-pandresena ny ota.