Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady VII mialoha ny Paska 19-25 Febroary 2023 “Andriamanitra mampahery ny olony” *

Ny hafatra: “Andriamanitra mampahery ny olony” dia Izy mampandresy azy amin’ny adiny. Endriky ny fiahian’Andriamanitra ny olony ny mampahery azy amin’ny adiny, ka tsy amelany azy ho menatra na hangaihay (1 Pet.2:6). Fa maro ny ady atrehany: ny fahasarotana arapiainana sy ny fahasahiranana samihafa, ny faharatsiana sy ny tsy fahamarinana, ny ady amin’ny devoly sy ny fombany, ary indrindra koa ny ady amin’ny fahalemen’ny tenany sy ny fitaky ny fony, satria “ny fo mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra” Jer.17:9a. Marina indrindra ny fanambaran’i Jesosy tamin’ny mpianany raha hoy Izy: “Atỳ amin’izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana; nefa matokia: Izaho efa naharesy
izao tontolo izao” Jao.16:33. Raha ny marina, dia nanaiky hiray antoka amin’ny olony tokoa ny Tompo. Fa hatramin’ny andro taloha dia hoy Izy tamin’ny Zanak’Isiraely: “Jehovah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina” Eks.14:14; ary ny amin’ny ho avy, dia hoy Jesosy: “Indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” Mat.28:20. Satria Andriamanitra dia Mpiady Mahery sady Tompon’ny fahefana rehetra, dia afaka mijoro tahaka an’i Paoly Apostoly ny mino Azy hanao hoe: “Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?” Rom.8:31b. Fa “Amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika” Rom.8:37. Ary satria ny “ady” dia midika ho famiravirana ny aina, dia hoy Jesosy: “Satria velona Aho, dia ho velona koa hianareo” Jao.14:19d.

Alatsinainy 24: Andriamanitra mampahery ny olony.
“Lazao amin’izay reraka am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo” Isa.35:4a.
Vakiteny 1: Rom.2:1-7. Vakiteny 2: Isa.35:3-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.35:3-4.
Fitarihan-teny: Andriamanitra mampahery ny olony amin’ny adiny. Fa “lazon’ady ny fiainan’ny olombelona”, kanefa tsy tian’Andriamanitra ny hampahory azy (Fit.Jer.3:33), ka dia manohana ny olona amin’ny adiny rehetra Izy, ary dia mampiteny manao hoe: “Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be. Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; handeha izy, nefa tsy ho reraka” Isa.40:29-31.

Talata 25: Ny fitiavan’Andriamanitra no mampandresy ny olony.
“Ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy” Efes.5:25b.
Vakiteny 1: Jao.15:11-15. Vakiteny 2: Efes.5:25-27. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Efes.5:25.
Fitarihan-teny: Jesosy Kristy no antoky ny fandresen’ny olony sy ny fahatanterahany. Fa amin’ny alalan’ny finoana Azy no andreseny izao tontolo izao (1 Jao.5:4-5), ary amin’ny Anarany no handohalehan’ny fahavalon’Andriamanitra rehetra izay ataony ho fitoeran-tongony (Sal.110:1). Izy no “Tompon’ny finoana sy Mpanefa azy” (Heb.12:2). Koa dia voasoratra hoe: “Nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ny fiangonana izay tenany” Efes.1:22-23a.

Alarobia 26: Andriamanitra mampahery izay mitady Azy.
“Inona moa no tianao hataoko aminao?” Lio.18:41a.
Vakiteny 1: Sal.50:7-16. Vakiteny 2: Lio.18:31-43. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.18:40-41.
Fitarihan-kevitra: Manaiky ho hitan’izay mitady Azy tokoa Andriamanitra, ary mamaly ny hataka atao Aminy (Mat.7:7). Izy mihitsy aza no mitaona ny olona hitady Azy, satria onena azy ireo Izy, toy ny ondry nafoy tsy misy mpiandry (Mat.9:36). Ary dia manao antso avo hoe: “Mitadiava an’i Jehovah dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy” Isa.55:6. Fa amin’izay miandrandra ny famonjeny sy mitady Azy dia hoy Izy: “Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho” Sal.91:15.

Alakamisy 27: Andriamanitra mampahery ny olona ka mampionona azy.
“Mitoria teny soa mahafaly amin’i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony” Isa.40:2.
Vakiteny 1: Mat.9:1-8. Vakiteny 2: Isa.40:1-5. Toriteny 1 (safidy).Toriteny 2: Isa.40:1-2.
Fitarihan-kevitra: Ny fototry ny adin’ny olona dia ny herin’ny ota miasa ao aminy. Nitaraina mafy noho izany Paoly raha hoy izy: “Indrisy! Olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ity tenan’ity fahafatesana ity?” Rom.7:24. Isaorana ny Avo “Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” Rom.5:8. Koa amin’izany dia “Sambatra ny olona izay voavela ny helony ary voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny” Sal.32:1-2.

Zoma 28: Andriamanitra mampahery izay manompo Azy.
“Raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray” Jao.12:26b.
Vakiteny 1: Fil.4:10-14. Vakiteny 2: Jao.12:22-28. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.12:26.
Fitarihan-kevitra: Tsy ny hery maha-olona no entina hanaovana sy hahavitana ny asan’Andriamanitra (Zak.4:6), fa ny fahasoavany irery ihany, dia ny herin’Andriamanitra sy ny famindrampony, ka nitenenan’i Jesosy tamin’i Paoly manao hoe: “Ampy ho anao ny fahasoavako, fa ny heriko dia tanterahina amn’ny fahalemena” 2 Kor.12:9. Fa “ny fahalemen’Andriamanitra dia mahery noho ny olona” 1 Kor.1:25b.

Sabotsy 29: Andriamanitra mampahery izay manantena Azy.
“Izay miandry an’i Jehovah, dia mandroso hery kosa” Isa.40:31a.
Vakiteny 1: Rom.5:1-5. Vakiteny 2: Isa.40:27-31. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.40:29-31.
Fitarihan-kevitra: Ny hoe manantena dia tsy midika fotsiny hoe “maniry ny famonjen’Andriamanitra sy ny fahatanterahan’ny teny fikasany”, fa “matoky amin’ny finoana ny fahazoana izany sy ny fahatanterahan’izay lazain’Andriamanitra”, na dia tsy mbola hitan’ny maso aza izany. Mazava sy toky raisina ho fianarana indrindra ny amin’i Abrahama izay voalaza fa “tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa. Dia nisaina ho fahamarinany izany” Rom.4:20-22.

Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy, alemà ary espaniola, ary azo jerena ao amin’ny rohy www.hifi-madanet.org, Facebook “Hira sy Filazantsara”, Instagram (@hirasyfilazantsara) ary Twitter (@HFilazantsara). Henoy ny hifiradio.org: fampianarana, fijoroana vavolombelona, hira …24/24 ora, 7/7 andro. © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *