Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady faha-IV manaraka ny Paska, 07-13 Mey 2023“Miderà an’Andriamanitra”*

Fitarihan-kevitra: Ny “Midera an’Andriamanitra” dia ny manandratra avo ny Anarany sy ny manome voninahitra lehibe indrindra ho Azy. Fa avo noho ny anarana rehetra Izy, ary ny voninahiny mahenika ny tany sy ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra (Deo.10:14). Antony samihafa no hiderana an’Andriamanitra, dia ny fahalehibiazany, ny asa sy famantarana vitany, ny fandreseny ny fahavalony, sns. Fa izany dia azo fehezina amin’ny fanehoany ny fitiavany, ka mahatonga hihira hoe: “Miderà an’i Jehovah fa mandrakizay ny famindrampony” 2 Tan.20:21b. Hiran’ny olona nahatsiaro ny fitiavan’Andriamanitra tsy nahafoy azy tokoa izany, fony izy niatrika ady matanjaka sy namakivaky onjam-pisedrana samihafa, ka niteny hoe:
“Tao amin’ny lalina no niantsoako anao, Jehovah ô” Sal.130:1. Fa niantso ny Tompo izy, Izay namonjy sy nanafaka azy; fa hoy Izy: “Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy hianao” Sal.50:15, dia ny hidera Azy indrindra. Ny fiderana an’Andriamanitra no toetra mampiavaka ny mino sy ny tsy mino. Fa izay “velon’ny finoana” no afaka hidera an’Andriamanitra sady ankasitrahany. Fa voasoratra hoe: “Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin’ny fahafatesana, any amin’ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao?” Sal.6:5. Fa “Andriamanitra tsy an’ny maty, fa an’ny velona” Mat.22:32b, dia izay velon’ny finoana (Heb.10:38). Hoy Jesosy: “Satria velona Aho, dia ho velona
koa hianareo” Jao.14:19b. Natsangan’Andriamanitra ho fanjakàm-pisorona Izy (1 Pet.2:9) ka tandrify azy ny teniny manao hoe: “Mankalazà an’i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny Anarany masina” Sal.30:4, eny, “Mihirà ho an’i Jehovah, misaora ny Anarany; Lazao isan’andro isan’andro ny famonjeny mahafaly” Sal.96:2. Mariky ny fifaliana lehibe ny midera an’Andriamanitra, anefa koa loharanom-pitahiana indrindra, fa “izay mifaly amin’Andriamanitra no hampifalian’Andriamanitra”, ka hoy indrindra ny mpanao Salamo: “Ary miravoravoa amin’i Jehovah hianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao” Sal.37:4. Fa hoy Izy: “Izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra” 1 Sam.2:30d.

Alatsinainy 08: Miderà an’Andriamanitra noho ny Anarany.
“Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny Anarany” Isa.12:4a.
Vakiteny 1: Asa.22:6-16. Vakiteny 2: Isa.12:2-4. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.12:4.
Fitarihan-kevitra: Masina sady Tsitoha ny anaran’Andriamanitra, lehibe sy avo noho ny anarana rehetra. Ary satria tsy misy anarana hafa nomena hahazoantsika famonjena (Asa.4:12), dia hoy ny fanambaran’ny Soratra Masina: “Mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray” Fil.2:10-11.

Talata 09: Miderà an’Andriamanitra noho ny famindram-pony.
“Hidera Anao aho, Jehovah ô; fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia afaka ny fahatezeranao” Isa.12:1.
Vakiteny 1: Sal.103:8-16. Vakiteny 2: Isa.12:1-2. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.12:1.
Fitarihan-kevitra: “Fa famindrampo no sitrako […]”, hoy ny Tompo (Hos.6:6a). Fa Andriamanitra tsy mitahiry heloka fa mamela heloka izay rehetra miverina Aminy (Isa.55:7) ka mamonjy azy. Omeo voninahitra Izy, ary miderà ny Anarany, ary aoka ny lela rehetra hanao hoe: “Miderà an’i Jehovah, fa tsara Izy: fa mandrakizay ny famindram-pony” 1 Tan.16:34.

Alarobia 10: Miderà an’Andriamanitra noho ny asany.
“Mankalazà an’i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; ary aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany” Isa.12:5.
Vakiteny 1: Efes.2:4-10. Vakiteny 2: Isa.12:5-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.12:5.
Fitarihan-kevitra: Ny asa lehibe voalohany nataon’Andriamanitra, ary hitan’ny maso mandraka ankehitriny, dia ny nahariany izao rehetra izao araka ny voasoratra hoe: “Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany” Gen.1:31a. Fa ny asany izay tsy manam-paharoa ary tsy ho adino mandrakizay kosa dia ny fanavotana izay nataony, dia ny namelany ny helotsika ka nanaovany antsika hoe “fanaka omena voninahitra” (2 Tim.2:20), dia zanaka “mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa” Rom.8:17b.

Alakamisy 11: Miderà an’Andriamanitra noho ny asam-pisoronana ataony.
“Hianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka” Heb.5:6.
Vakiteny 1: Isa.53:4-8. Vakiteny 2: Heb.5:1-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Heb.5:5-6.
Fitarihan-kevitra: Ny asam-pisoronana izay ataon’i Jesosy Kristy ho antsika, dia Izy mivavaka tsy mitsahatra mifona ho antsika (Rom.8:34), ho fanamarinana antsika izay mino Azy. Fa amin’izany dia “Iza no hiampanga ny olom-boafidin’Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy. Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ny maty koa ka mitoetra eo amin’ny tanana ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika” Rom.8:33-34.

Zoma 12: Miderà an’Andriamanitra amin’ny fahamasinana.
“Manamasìna azy amin’ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana” Jao.17:17.
Vakiteny 1: Mal.3:1-4. Vakiteny 2: Jao.17:9-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.17:17.
Fitarihan-kevitra: Hoy ny Tompo amin’ny olony: “Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasìna ny tenanareo, ka dia ho masina hianareo, satria masina Aho” Lev.11:44, fa hoy Izy: “Masina Aho Jehovah, Izay manamasina anareo” Lev.21:8b. Fa hoy indrindra Petera Apostoly manamarina ny fiantsoan’Andriamanitra sy ny nanokanany azy ireo: “Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, ‘fanjakà-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga” 1 Pet.2:9.

Sabotsy 13: Miderà an’Andriamanitra amin’ny fiderana mandrakizay.
“Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny” Apok.5:9a.
Vakiteny 1: Jer.33:8-11. Vakiteny 2: Apok.5:6-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Apok.5:9-10.
Fitarihan-kevitra: Ny “fihiram-baovao” dia ny “fihiran’ny voavela heloka” izay mitafy ny akanjo fotsy lava voadio tamin’ny ran’ny “Zanak’ondrin’Andriamanitra”, dia Jesosy Kristy (Apok.7:13-14). Tafiany tokoa izany fitafiana izany, indrindra raha manatona ny seza fiandrianan’ny voninahitr’Andriamanitra izy mba hihira sy hidera Azy ka hanao hoe: “Miderà an’i Jehovah, fa tsara Izy; eny, mandrakizay ny famindrampony” Sal.118:29. “Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah. Haleloia” Sal.150:6. Ho voninahitr’Andriamanitra mandrakizay !

Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy, alemà ary espaniola, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org 24 ora/7 andro: fampianarana, hira, … © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *