Fiangonana Loterana MalagasyHira & FilazantsaraAlahady X manaraka ny Trinite 13-19 Aogositra 2023“Ny fivavahana marina”*

Ny hafatra: Ny fivavahana marina eo imason’Andriamanitra, dia izay mifanaraka amin’ny sitrapony, ka ankasitrahany. Ny ilazana azy koa dia “fivavahana masina”, na “fisoronana masina”, izay madio, mangarahara, mazava. Ny fivavahana toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra ka henoiny sy valiany araka ny fanambaran’ny Apostoly Jaona manao hoe: “Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy; ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy” 1
Jao.5:14-15. Fa voasakana kosa ny vavaka ataon’ny olona raha misy tsy fahamarinana ao aminy, dia: ny tsy finoana, ny lolom-po sy ny fankahalana, ny fihatsarambelatsihy hanaronana ny ratsy atao, ny voso-dratsy sy fialonana ny namana, ny fieremana, ny fanao sy fomba samihafa izay mampalahelo ny
Fanahy Masina (Efes.4:30), dia ny vokatry ny ota izay miasa sy manjaka ao am-pon’ny olona, ary ny asan’ny devoly izay maka fanahy sy manameloka ary mitarika ny olona hanamarin-tena ho tsy nanota (1 Jao.1:8). Ho amin’izany, dia hoy ny Tompo mananatra ny olony: “Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny
molony, fa ny fony kosa lavitra Ahy” Mat.15:8, ary koa: “Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana hianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana hianao. Fa satria matimaty hianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ny vavako hianao” Apok.3:15-16. Dia toy izany koa ny tsy hahazakany ny
fivavahana “tora-po”, ka hoy Izy: “Sarona-nareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran’i Jehovah, ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra, ary tsy handray fankasitrahana avy amin’ny tànanareo Izy” Mal.2:13b. Fa valiny lehibe kosa no omeny izay manao fivavahana marina, dia izay “amin’ny fanahy sy ny
fahamarinana” Jao.4:24, araka ny teniny manao hoe: “[Hianao] hitady an’i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra” Deo.4:29. Koa amin’izany, dia “Miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra” Rom.12:2b.

Alatsinainy 14: Ny fivavahana marina voatendrin’Andriamanitra.
“Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” Jao.4:24.
Vakiteny 1: Rom.6:8-13. Vakiteny 2: Jao.4:20-26. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.4:23-24.
Fitarihan-kevitra: Tsy hain’ny olona ny mivavaka marina amin’Andriamanitra, fa ny fivavahana ankasitrahany dia tsy ny ezaka ho marina na ny hanao soa, fa ny fo marina sy mahitsy eo anatrehany izay manaiky Azy ho Andriamanitra Tokana ivavahana, ary ny mino an’i Jesosy Kristy
Zanany izay efa natolony ho faty mba hanafaka ota sy hanome fiainana mandrakizay. “Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra” Jao.1:12. Asan’ny Fanahy Masina izany, izay “mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina” Rom.8:26.

Talata 15: Ny fivavahana marina tsy manamarin-tena.
“Aza matoky ny teny lainga hoe: Tempolin’i Jehovah, tempolin’i Jehovah, Tempolin’i Jehovah ity” Jer.7:4.
Vakiteny 1: Mat.15:1-11. Vakiteny 2: Jer.7:1-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.7:3-4.
Fitarihan-kevitra: Ny “tempolin’i Jehovah” dia izay itoeran’Andriamanitra amin’ny Fanahy. Hoy Paoly tamin’ny Korintiana: “Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra no anatinareo?” 1 Kor.3:16. Asan’Andriamanitra izay mahasaro-piaro azy indrindra izany, ka tsy azo anamarinan-tena hiteny hoe: “Mihataha, fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masina, fa tsy hianao” Isa.65:5a. Fa hoy Izy: “Ireny dia setroka ao am-bavoroko, eny, afo mirehitra mandritra ny andro” Isa.65:5b. Fa “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena (Oha.3:34)” Jak.4:6b.

Alarobia 16: Ny fivavahana marina mahatanteraka ny fahasoavan’Andriamanitra.
“Ny fahasoavan’Andriamanitra […] no tonga be ho an’ny maro kosa” Rom.5:15b.
Vakiteny 1: Jao.14:8-14. Vakiteny 2: Rom.5:12-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.5:15.
Fitarihan-kevitra: Ny fivavahana marina eo anatrehan’Andriamanitra dia izay mahay manaja Azy sy manome voninahitra an’i Jesosy Kristy Zanany. Tsy foana na mahafaty antoka tsy akory ny mino an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy, fa hoy Izy “Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ny Zanaka” Jao.14:13. Fa voasoratra hoe: “Fa tamin’ny
fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana” Jao.1:16.

Alakamisy 17: Mibebaha ho afaka amin’ny tsy fahamarinana.
“Raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka andro-any izy” Mat.11:23d.
Vakiteny 1: Heb.3:12-19. Vakiteny 2: Mat.11:16-24. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.11:23.
Fitarihan-kevitra: Tsy ny olona mpanota no afaka hanamarina ny tenany, fa Andriamanitra. Fa “Ny torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona” Sal.51:17b. Nivalo ny fahotany ilay zanaka adala (Lio.15:21), ka nahababo ny rainy hitsena sy hamihina azy. Ary dia niteny izy ka nanao hoe “Aoka isika hihinana sy hifaly; fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.
Dia nifaly izy” Lio.15:23b-24.

Zoma 18: Ny fivavahana marina miorina amin’ny finoana.
“Na inona na inona no angatahinareo amin’ny fivavahana atao amin’ny finoana dia ho azonareo” Mat.21:22.
Vakiteny 1: Jak.5:12-18. Vakiteny 2: Mat.21:18-22. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.21:22.
Fitarihan-kevitra: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy” Heb.11:6a. Ny finoana no anamarinan’Andriamanitra ny olona, sy amaliany vavaka. Fa “ny fiàsan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra” Jak.5:16b. Hoy Jesosy tamin’ilay kapiteny: “Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin’izany ora izany ilay ankizilahy” Mat.8:13.

Sabotsy 19: Ny fivavahana marina mankalaza an’Andriamanitra.
“Ny foko mankalaza ny Tompo, Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin’Andriamanitra, Mpamonjy ahy” Lio.1:46-47.
Vakiteny 1: Sal.9:1-10. Vakiteny 2: Lio.1:46-56. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.1:46-47.
Fitarihan-kevitra: Faly ny Tompo rehefa mahatsiaro ny hisaotra sy hanome voninahitra Azy ny olona izay nandray fahasoavana avy aminy. Fa maro ny olona izay tsy mahalala afa-tsy ny hangataka mandrakariva Aminy ihany. Hoy Jesosy nanontany ilay lehilahy sitrana tamin’ny habokany: “Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy? Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an’Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va?” Lio.17:17-18. Tian’ny Tompo isika hahay misaotra Azy.

Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org 24 ora/7 andro: fampianarana, hira, … © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *