Fiangonana Loterana MalagasyHira & Filazantsara Alahady XI manaraka ny Trinite 20-26 Aogositra 2023 “Ny mpanompo mahatoky” *

Ny hafatra: Andron’ny fihemorana ara-panahy maha-olona sy fizahan-toetra ny andro ankehitriny (Apok.3:10) ka itadiavan’Andriamanitra sy itakiany mpanompo mahatoky, izay ametrahany ny fitokisany sy ny asany. Fa vavolombelon’Andriamanitra izay naniraka azy izy, ka itarafana ny toetra sy ny fombany, dia olona nataony hiray antoka feno Aminy, ary manao ny sitrapony sy mahavita ny asany araka ny … [Read more…]

Fiangonana Loterana MalagasyHira & FilazantsaraAlahady X manaraka ny Trinite 13-19 Aogositra 2023“Ny fivavahana marina”*

Ny hafatra: Ny fivavahana marina eo imason’Andriamanitra, dia izay mifanaraka amin’ny sitrapony, ka ankasitrahany. Ny ilazana azy koa dia “fivavahana masina”, na “fisoronana masina”, izay madio, mangarahara, mazava. Ny fivavahana toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra ka henoiny sy valiany araka ny fanambaran’ny Apostoly Jaona manao hoe: “Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra … [Read more…]

Fiangonana Loterana MalagasyHira & FilazantsaraAlahady VIII manaraka ny Trinite 30 Jolay – 05 Aogositra 2023“Mandehana amin’ny finoana” *

Fitarihan-kevitra: Ny finoana no mamaritra sy manavaka ny maha-olon’Andriamanitra amin’ny olona rehetra, dia ny manorina ny fiainany sy ny tokiny amin’Andriamanitra ka manaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy Tokana mandrakizay, ka tsy misy hafa, ary manaiky hankato ny teniny, dia ny sitrapony amin’nyzavatra rehetra (Efes.5:17). Fa amin’ny finoana no ahaterahana ho zanak’Andriamanitra (Jao.1:12-13) sy handehanana … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady VI manaraka ny Trinite 16-22 Jolay 2023 “Tandremo ny didin’Andriamanitra” *

Ny hafatra: Ny fanjakan’Andriamanitra dia fanjakana tan-dalàna, manana ny lalàny. Matoa nomen’Andriamanitra ny làlana hifehy azy dia ny hanajana sy hanarahana azy mba hahavelona ny olona ao aminy sy hahazoan’Andriamanitra izay Tompony ny haja amam-boninahitra ary ny fankatoavana sahaza Azy. Fa hoy Izy: “Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha … [Read more…]

Fiangonana Loterana MalagasyHira & FilazantsaraAlahady V manaraka ny Trinite 09-15 Jolay 2023 “Andriamanitra mananatra ny olona ” *

Fitarihan-kevitra: Ny hoe “Andriamanitra mananatra ny olona” dia mikendry ny amerenana azy ho amin’ny lalan’ny fahamarinana mba hahavelona azy, dia ny lalan’ny sitrapon’Andriamanitra “izay tsara sady ankasitrahana no marina” Rom.12:2. Ny lalan’ny fahamarinana, na “Lalan’ny fahitsiana”, dia“Lalan’aina mahavelona” izay miaro amin’ny loza sy ny fahavoazana mety hahatonga fahafatesana. Hoy ny mpanao Salamo: “Mamelombelona ny fanahiko … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & FilazantsaraAlahady IV manaraka ny Trinite, 02-08 Jolay 2023 “Ny fifadiana ankasitrahana” *

Ny hafatra: Ankasitrahan’Andriamanitra ny fifadian-kanina ataon’ny olony raha mifanaraka amin’ny sitrapony, fa raràny mafy kosa raha tsy izany.1/ Inona no ambaran’ny Soratra Masina ho antony mahatonga, na ilàna, ny fifadian-kanina? Raha bangoina, dia ireto no antony: Alatsinainy 03: Ny fifadiana ankasitrahana dia ny fanaovan-tsoa.“Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: […] Moa tsy ny hizara … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady III manaraka ny Trinite, 25 Jona – 01 Jolay 2023 “Andriamanitra tia mamindra fo” *

Ny hafatra: Ny hoe “Andriamanitra tia famindram-po” dia toetr’Andriamanitra lalim-paka. Fa hoy Izy: “Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra” Hos.6:6a. Maneho ny fiavahany maha-Andriamanitra Mpamela heloka Azy izany ka mampiteny ny mpaminany hoe: “Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. Tahaka ny fiantràn’ny ray ny zanany no … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady IV manaraka ny Trinite, 02-08 Jolay 2023 “Ny fifadiana ankasitrahana” *

Ny hafatra: Ankasitrahan’Andriamanitra ny fifadian-kanina ataon’ny olony raha mifanaraka amin’ny sitrapony, fa raràny mafy kosa raha tsy izany.1/ Inona no ambaran’ny Soratra Masina ho antony mahatonga, na ilàna, ny fifadian-kanina? Raha bangoina, dia ireto no antony: Alatsinainy 03: Ny fifadiana ankasitrahana dia ny fanaovan-tsoa.“Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: […] Moa tsy ny hizara … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady II manaraka ny Trinite 18-24 Jona 2023” Andriamanitra manasa ny olona”*

Ny hafatra: Hevitra telo lehibe no ambaran’ny hoe ”manasa” ho fiarahana misakafo. Izany dia fanomezana voninahitra ny asaina. Fandalàna sy famitranana fihavanana. Fanomezana sakafon’aina mahavelona. Raha akapoka dia firaisana aina sy antoka, eny, fisakaizana, toy ny nanendreny an’i Adama sy Eva hiriaria tao Edena, henika ny fahasoavan’Andriamanitra. Fa tsy takatry ny saina maha-olona raha Andriamanitra … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahadin’ny Pentekosta I & II 28 Mey – 03 Jona 2023 “Raiso ny Fanahy Masina” *

Ny hafatra: “Raiso ny Fanahy Masina hamonjy, hamelona, hampahery, hanorina ny fanjakan’Andriamanitra ho fiainana mandrakizay”. Fa hoy Jesosy: “Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony… Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin’izay mino Azy no nolazainy tamin’izany” Jao.6:38,39. Dingana roa lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona no iasan’ny Fanahy Masina: – Ny … [Read more…]