Fiombonam-bavaka Alahady XVI manaraka ny Trinite Herinandro 02-07 Oktobra 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha Fiombonam-bavaka Alahady XVI manaraka ny Trinite Herinandro 02-07 Oktobra 2017 “ Mahalalà an„Andriamanitra ” * Fitarihan-kevitra: ”Mahalalà an’Andriamanitra”, dia ny tena maha-Andriamanitra Azy, ka inoana Azy. Fa tsy ny rehetra no mahalala sy mino an’Andriamanitra marina. Koa na dia misy aza mety mahalala Azy ihany, dia tsy midika fa hanaja … [Read more…]

Fiombonam-bavaka Alahady XIV manaraka ny Trinite Herinandro 18-23 Septambra 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha Fiombonam-bavaka Alahady XIV manaraka ny Trinite Herinandro 18-23 Septambra 2017 “Andriamanitra manasitrana” * Fitarihan-kevitra : Ny fanasitranan’Andriamanitra ny olona dia endriky ny famonjeny azy indrindra, dia ny hamerina azy amin’ny toetra voalohany izay nananany mialohan’ny nanotany tao Edena (Gen.3:6). Fa tsy mba nisy rofy na aretina teto an-tany tamin’ny fotoana … [Read more…]

Fiombonam-bavaka Alahady XIII manaraka ny Trinite Herinandro 11-16 Septambra 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha Fiombonam-bavaka Alahady XIII manaraka ny Trinite Herinandro 11-16 Septambra 2017 “Tandremo ny didin’Andriamanitra” * Fitarihan-kevitra: Ny didin’Andriamanitra no manorina ny fanjakany, ka ampitandremany antsika olony. Ny fitandremana ny didin’Andriamanitra dia mifono endrika telo : ny fanajantsika Azy, ny finoantsika Azy ary ny fitiavantsika Azy. – Endriky ny fanajantsika Azy. Fa … [Read more…]

Fiombonam-bavaka Alahady XII manaraka ny Trinite Herinandro 04-09 Septambra 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha Fiombonam-bavaka Alahady XII manaraka ny Trinite Herinandro 04-09 Septambra 2017 “Mifalia amin’Andriamanitra” * Fitarihan-kevitra: Tsy hiahambahambana fa toetran’Andriamanitra ny mifaly, ary tia mifaly. Tia mifaly amin’ny asany Izy. Raha zohina ny voalazan’ny Boky Genesisy dia voasoratra hoe: ”Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany” Gen.1:31. Izany hoe … [Read more…]

Fiombonam-bavaka Alahady XI manaraka ny Trinite Herinandro 28 Aogositra – 02 Septambra 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha Fiombonam-bavaka Alahady XI manaraka ny Trinite Herinandro 28 Aogositra – 02 Septambra 2017 “Ny mpanompo mahatoky” * Fitarihan-kevitra: Toetran’Andriamanitra ny ”mahatoky” (Apok.19:11). Koa tiany ny olony izay manompo Azy ho mahatoky tahaka Azy, dia araka ny  tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany manao hoe: ”Aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo … [Read more…]

Fiombonam-bavaka Alahady X manaraka ny Trinite Herinandro 21-26 Aogositra 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha Fiombonam-bavaka Alahady X manaraka ny Trinite Herinandro 21-26 Aogositra 2017 “Ny fivavahana marina” * Fitarihan-kevitra: Ny fivavahana marina, dia ny fivavahna izay ankasitrahan’Andriamanitra satria hitany fa marina eo imasony. Izany dia ny fivavahana atao amin’ny fo marina, dia ny fivavahana izay tena iainan’ny olona ao am-pony, dia izay maha-izy azy … [Read more…]

Fiombonam-bavaka Alahady IX manaraka ny Trinite Herinandro 14-19 Aogositra 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha Fiombonam-bavaka Alahady IX manaraka ny Trinite Herinandro 14-19 Aogositra 2017 “An’Andriamanitra ny fahalehibiazana” * Fitarihan-kevitra: Ny hoe an’Andriamanitra ny fahalehibiazana, dia manambara fa Tompon’ny tompo izay nahary izao rehetra izao Izy, ka ”Azy ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay” araka ny tonom-bavaka nampianarin’i Jesosy ny mpianany (Mat.6:13). … [Read more…]

Fiombonam-bavaka Alahady VII manaraka ny Trinite Herinandro 31 Jolay – 05 Aogositra 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha Fiombonam-bavaka Alahady VII manaraka ny Trinite Herinandro 31 Jolay – 05 Aogositra 2017 “ Ny fanamarinana ny mpanota ” * Fitarihan-kevitra: Asan’Andriamanitra ny fanamarinana ny mpanota, noho ny fitiavany azy tsy ho very na ho faty (Ezek.33:11). Mahavery sy mahafaty tokoa ny ota. Fa ambaran’ny Soratra Masina mazava fa ”ny … [Read more…]

Fiombonam-bavaka Alahady VI manaraka ny Trinite Herinandro 24-29 Jolay 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha Fiombonam-bavaka Alahady VI manaraka ny Trinite Herinandro 24-29 Jolay 2017 “Andriamanitra Tompon’ny lalàna” * Fitarihan–kevitra: Ny hoe ”Andriamanitra Tompon’ny lalàna” dia milaza fa ny momba ny zavatra rehetra nohariana dia samy baikoin’ny lalàna izay nataon’Andriamanitra: ny fiforonana, ny fahaterahana, ny fitomboana, ny fahalehibiazana, ny fahanterana ary ny fahafatesana. Koa dia misy lalàna … [Read more…]

Fiombonam-bavaka Alahady V manaraka ny Trinite Herinandro 17-22 Jolay 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha Fiombonam-bavaka Alahady V manaraka ny Trinite Herinandro 17-22 Jolay 2017 “ Andriamanitra no Tompo ” * Fitarihan-kevitra: Andriamanitra no Tompo. Izy no nahary izao zavatra ary rehetra izao tamin’ny alalan’ny teniny. Fa voasoratra hoe: ”Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia … [Read more…]