Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady V Alohan’ny Paska, 13 Martsa – 19 Martsa 2022 “Andriamanitra tia mamonjy ny mpanota” *

Ny hafatra: Tian’Andriamanitra ny olona rehetra ho vonjena amin’ny ady maro sy ny fahoriana, ary indrindra ny fahafatesana izay mianjady aminy vokatry ny fisarahany Taminy noho ny ota (Rom.6:23). Noho ny fitiavany tsy takatry ny saina dia tsy mahafoy ny olombelona ho very tokoa Andriamanitra, ka ny fikendreny dia ny hamerina azy hanana indray ny … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady VI alohan’ny Paska, 6 Martsa – 12 Martsa 2022 “Ny mino mandresy ny fakam-panahy” *

Ny hafatra: Ny atao hoe “fakam-panahy” dia ny fitaoman’ny devoly hisaraka amin’Andriamanitra sy hanao izay zavatra tsy araka ny sitrapony. Ny filàna izay ao am-pon’ny olona, dia ny “filan’ny nofo”, no hetsehan’ny devoly hakàna fanahy ny olona hamaboana azy: filam-bola sy harena (fieremana), filam-boninahitra, filam-pahefana, filan-kanina, sns. Izany no niseho fony Adama sy Eva tao … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady VII alohan’ny Paska, 27 Febroary – 5 Martsa 2022 “Andriamanitra mamonjy ny olona” *

Ny hafatra: Ny dikan’ny hoe “Andriamanitra mamonjy ny olona” dia Izy manafaka ny olona amin’izay mety ho fahaterena sy famiravirana ny aina, dia izay mety mahatonga fahavoazana sy fahafatesana. Fomba maro samihafa no mety isehoan’izany: aretina, loza, fahasimbana, faharatrana, fahasahiranana ara-pivelomana, fampihorohoroana ataon’ny fahavalo sy ny tsy tia. Tsy voafetra ny fiantraikan’ny zava-manjo ny olona, … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady VIII Alohan’ny Paska, 20 – 26 Febroary 2022 “Mahatoky ny tenin’Andriamanitra” *

Ny hafatra: Ny hoe “Mahatoky ny tenin’Andriamanitra” dia manambara ny fahamarinany, dia Izy tsy voasakan’inona na inona, ary na iza na iza, amin’ny fahatanterahany, araka ny voasoratra hoe: “Ny tenin’Andriamanitra dia tsy mba voafatotra” 2 Tim.2:9b. Hoy ny anjely Gabriela nanome toky an’i Maria raha nanambara ny fikasan’Andriamanitra lehibe sady mahagaga ny amin’ny hahaterahan’ny Mesia … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady IX Alohan’ny Paska 13 – 19 Febroary 2022 “Andriamanitra maniraka ny olony” *

Ny hafatra: “Andriamanitra dia fitiavana” 1 Jao.4:16, ary satria fitiavana Izy, dia tia ny olona rehetra ho vonjena. Hoy ny teniny “Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany, mba ho velona izy” Ezek.33:11a. Fibebahana no hevitr’izany, dia fiverenana amin’Andriamanitra sy fihavanana … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady V manaraka ny Epifania, 6 – 12 Febroary 2022 “Andriamanitra, tokim-pamonjena” *

Ny hafatra: Maro samihafa ny zavatra mety hitokisan’ny olona mba ho fiarovana ny ainy sy hahavonjy azy amin’izay rehetra mety mahatery azy: vola, harena, olom-pantatra, antoka omen’ny orinasa manao fiantohana aina; eo koa ny fahaizana amam-pahalalana sy izay rehetra mety andrian’ny fony; ary ny tena ananany akaiky dia ny fitokisany ny tenany izay mety hiheverany … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady IV manaraka ny Epifania, 30 Janoary – 5 Febroary 2022 “Andriamanitra miahy ny olony” *

Ny hafatra: Endriky ny fitiavan’Andriamanitra indrindra ny fiahiana ny olony, dia izay rehetra manaiky Azy ho Tompo sy Mpamponjy ary manao ny asany (Jao.14:12a). Sarobidy Aminy izy ireo ka dia arovany indrindra, araka ny voasoratra hoe: “Fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony” Zak.2:12b. Miahy ny olony tokoa Andriamanitra, ary dia nanao fanekena taminy … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady II manaraka ny Epifania, 16 – 22 Janoary 2022 “Ny Mesia Mpaminanin’i Jehovah”*

Ny hafatra: Ny Mesia Mpaminanin’i Jehovah dia manondro indrindra an’i Jesosy Kristy Ilay Tenin’Andriamanitra tonga nofo, ka niseho tamintsika sy nonina tamintsika. Izy no notendren’Andriamanitra sy nirahiny mba hitondra sy hanambara ny hafatry ny famonjeny izao tontolo izao, dia araka ny fanambaran’ny Filazantsara manao hoe: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira sy Filazantsara Alahady I manaraka ny Epifania, 09 – 16 Janoary 2022 “Ny taona ankasitrahan’i Jehovah” *

Ny hafatra: Ny taona ankasitrahan’i Jehovah dia taonam-panafahan’Andriamanitra ny olony. Raha ny tantara no zohina, ny taona ankasitrahana dia omen’Andriamanitra ho setrin’ny taom-pioriana izay nataony nihatra tamin’ny Zanak’Isiraely fony izy babon’ny Asyriana, ka nitoloko mafy tamin’Andriamanitra (2 Mpan.18:11 ). Tsy nambinina tamin’ny nataony tokoa ny Isiraely, satria tsy nomba na nitahy azy intsony ny tànan’Andriamanitra, … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira sy Filazantsara Epifania, 02 – 08 Janoary 2022 “Epifania – Andriamanitra miseho amin’ny olona” *

Ny hafatra: Ny hoe “Epifania – Andriamanitra miseho amin’ny olona” dia manambara ny fisehoan’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra amintsika olombelona. Ny “epifania” (gr.) dia midika hoe “fanehoana na fisehoana ho hitan’ny maso izay niafina hatrizay”. Ara-tSoratra Masina izy dia manondro manokana ny fanehoana an’i Kristy, Ilay Voahosotr’Andriamanitra, tamin’ireo Magy fehizay. Miseho amintsika amin’ny alalan’ny Zanany tokoa … [Read more…]