Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady V amin’ny Advento, 26 Desambra 2021 – 01 Janoary 2022 “Tonga ny Mesia feno ny Fanahy” *

Ny hafatra: Tonga tokoa ny Mesia hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao. Vanim-potoana tsy manam-paharoa izany, izay manamarika ny taom-baovaon’Andriamanitra, dia ny fidiran’ny Tompo ao amin’ny fiainantsika zanak’olombelona mba hamerina antsika sy hampihavana antsika indray amin’Andriamanitra Mpahary sy Mpiahy antsika ary hanafaka antsika amin’ny famatoran’ny ota, ka mampiposaka masoandron’aina vaovao (Mal.3:20a) ho antsika izay nitoetra … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady IV amin’ny Advento 19 Desambra – 25 Desambra 2021 “Mifalia fa tonga ny Mesia” *

Ny hafatra: “Mifalia fa tonga ny Mesia”, dia Jesosy Kristy, Ilay Voahosotra hitondra famonjena ho anao, araka ny voasoratra hoe: “Ary ny anarany hataonao hoe Jesosy [Jehovah no Mpamonjy]; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany” Mat.1:21. Ny fikendren’Andriamanitra amin’ny fiaviany ka nahatongavan’i Jesosy ho Zaza, naka ny endritsika ary nonina tamintsika … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady III amin’ny Advento, 12-18 Desambra 2021 “Jesosy Kristy, Mesia mitondra fanavotana” *

Ny hafatra: Ny fahatongavan’ny Mesia dia ny hitondra fanavotana ho an’ny olombelona izay mitoetra ambany vahohon’ny fahafatesana noho ny ota. Fa hoy ny anjely momba Azy: “Ny Anarany dia atao hoe Jesosy, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany” Mat.1:21b. Asan’Andriamanitra avy amin’ny fikasany madiodio izany, dia asan’ny fitiavany antsika olombelona izay … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady II amin’ny Advento, 05-11 Desambra 2021 “Andriamanitra manangona ny olony”

Ny hafatra: Ny fiavian’ny Mesian’Andriamanitra andrandraintsika amin’izao Advento izao dia ny hanangonany ny olony, ka ny fikendreny dia Izy hitoetra eo afovoan’ny olony. Fanatanterahany ny teny fikasany izay nanaovany fanekena tamin’ny olony izany, manao hoe: “Izaho ho Andriamaniny ary izy ho oloko” Jer.31:33d . Izany fanekena lehibe izany no fototra sady antony anorenan’Andriamanitra ny fikasany, … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady I amin’ny Advento, 28 Novambra – 04 Desambra 2021 “Andriamanitra mamangy ny olony” *

Ny hafatra: Ny hoe “Andriamanitra mamangy ny olony” dia manondro indrindra an’i Jesosy Kristy, Tenin’Andriamanitra tonga nofo ka nonina tamintsika sy nifanerasera tamintsika, mba hitondra famonjena ho antsika. Fanatanterahan’Andriamanitra ny teny fikasana izay efa nomeny hatramin’ny ela ny amin’ny fahatongavan’ny Mesia izany, dia araka ny namakian’i Jesosy ny teny ny amin’ny Mpanompon’i Jehovah tonga hanafaka … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XXV manaraka ny Trinite 21-27 Novambra 2021 “Mihazona ny fanekeny Andriamanitra” *

Ny hafatra: Andriamanitra mihazona ny fanekeny ka tsy mivadika amin’izany satria Mahatoky sy Marina Izy (Apok.19:11), Mahatoky amin’ny fitiavany Izy ary Marina amin’ny teniny sy ny toky izay omeny, araka ny voasoratra hoe: “Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? Na efa niteny va … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XXIV manaraka ny Trinite, 14-20 Novambra 2021 “Ny mino mandresy ao amin’Andriamanitra” *

Ny hafatra: “Ny mino mandresy ao amin’Andriamanitra” satria Andriamanitra no mampandresy azy. Fa ny fiainana tsy ilaozan’ady, ary mainka marina indrindra izany amin’izao andro ankehitriny izao, izay tondroin’ny Soratra Masina hoe: “Andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany” Apok.3:10. Andron’ny fizahan-toetra ny finoan’ny olona tokoa ny vanin’andro iainantsika, … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XXIII manaraka ny Trinite 07-13 Novambra 2021 “Ny fanjakana ankasitrahan’Andriamanitra” *

Ny hafatra: Ny “fanjakana ankasitrahan’Andriamanitra” dia izay manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny fampanjakana ny fahamarinana sy ny fihavanana hahasoa ny mpiara-belona, araka ny tenin’Andriamanitra manao hoe: “Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka, ary ny lehibe hanapaka araka ny rariny” Isa.32:1. Jesosy Kristy, Ilay Mpanjaka Mahatoky sy Marina, no ivon’izany fanjakana izany sy foto-piorenan’ny … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XXII manaraka ny Trinite 31, Oktobra – 06 Novambra 2021 “Andriamanitra no Tompo” *

Ny hafatra: Ny hoe “Andriamanitra no Tompo” dia midika fa Andriamanitra Tokana Izy, araka ny teniny manao hoe: “Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho” Isa.45:5a. Ambarany izany mba hiarovana antsika tsy hoviravirain’izay andriamanitsi-izy, izay tsy mikendry afa-tsy ny hitarika antsika ho amin’ny tsy fahamarinana mba handavo antsika ho meloka … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XXI manaraka ny Trinite 24-30 Oktobra 2021 “Fantaro Andriamanitra” *

Ny hafatra: Ny hoe “Fantaro Andriamanitra” dia teny fanentanana antsika mba hahafantarantsika an’Andriamanitra marina. Fa misy ireo midify tsy mahafantatra na tsy te-hahafantatra an’Andriamanitra, ka mitondra ny fiainany araka ny fisainany sy ny sitraky ny fony ihany. Andanin’izany dia misy tokoa ireo mivavaka, saingy tsy amin’Andriamanitra Ilay nahary ny lanitra sy ny tany (Gen.1:1) no … [Read more…]