Ny fanehoam-pankonana an’i Mama Nenilava

Ny fanehoampanokanana Mama Volahavana Germaine Nenilava
Mama Volahavana Germaine Nenilava

Fanehoam-panokanana : Ny fanorenana, ny hafatra, ny tantara (Ankaramalaza 2 aogositra 2013)

Ny hafatry ny Fanehoam-panokanana an’i Mama Volahavana Germaine Nenilava eo amin’ny fiainan’ny fifohazana.
Tantaran’ny fanehoam-panokanana an’i Mama Volahavana Germaine Nenilava

Tantara ny Fanhoam-panokanana an’i Mama Volahavana Germaine Nenilava

NY FANEHOAM-PANOKANANA SY NY FIAINAM-PIRENENA: FAMINTINANA.

– Ny Fanehoam-panokanana dia famantarana manondro an’i Jesosy Kristy sy ny asam-panavotana nataony, izay nasehony sy nampahafantariny tamin’ny alalan’ny asa nampanaoviny an’i Mama Volahavana Germaine Nenilava mpanompony. Natsangan’Andriamanitra teto amin’ny firenena izany mba hilazana ny efa nifidianany azy ho tany hanorenany ny fanjakany sy hanehoana ny voninahiny, dia Fahazavana Lehibe izay mitondra fanasitranana sy famonjena ho an’ny olona rehetra (Mal.3:20/ Jao.8:12). Tsy sampy natao ivavahana, sanatria, fa fitaovana fanambarana an’i Kristy, « mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy » (Jao.3:15).

– Nolazain’i Jesosy hatramin’ny voalohany tokoa fa i Madagasikara no tany nofidin’Andriamanitra hanatanterahana ny asa momba ny Fanehoam-panokanana, ary eto ihany no hahavitan’ny fanomanana azy sy hanaovana ny fanehoana azy (02 Aogositra 1983 tao amin’ny FLM Toby Ankaramalaza). Hoy ny teny nomen’i Jesosy: « Vidio vola ny saha, ary makà vavolombelona, na dia efa voatolotra eo an-tànan’ny Kaldeana aza ny tanàna » Jer.32: 25. Ary dia tanteraka tokoa izany.

– Nolazain’i Jesosy tamin’i Mama fehizay fa io asa io dia asa manokana nataony aminy ary tsy hisy ny toy io intsony mandrakizay (tamin’ny fotoana samy hafa no nilazan’ny Tompo izany tamin’i Mama teo anatrehan’ny vavolombelona samy hafa). Nambarany koa anefa fa io famantarana io dia tsy ho azy tenany ihany mba ho fampahafantarana ny asa izay nataon’ny Tompo taminy, fa ho an’ny taranaka sy ny firenena manontolo koa (Asa.2:39). Ary dia izany no anton’ny mbola nametrahan’ny Tompo azy eto amintsika.

– Io zava-dehibe io dia mifamatotra amin’ny fiainan’ny firenena malagasy sy ny ho aviny, toy ny mariky ny fanekena izay nataony tamin’ny alalan’ny mpanompony (Isa.54:10), ary amin’ny alalan’ny fanatanterahana azy no hahatanteraka koa ny teny fikasam-pamonjen’Andriamanitra ny firenena, ka iadiany ho an’i Madagasikara sy ny Malagasy rehetra. Antoka lehibe no ataony amin’izany (jereo Deo.28 izay Teny Fanorenam-pitahiana nomen’ny Tompo raha tanteraka io asa io, sady Teny Fananarana ho amin’ny fankatoavana Azy) .

– Io koa no fijoroan’i Jesosy eo anoloan’ny fahavalon’ny mpanompony sy ny taranany ka anomezany rariny ho azy amin’ny adiny rehetra. Ohatra omena amin’izany ireto Teny manaraka ireto izay nomen’ny Tompo tamin’ny fotoana samy hafa ary nolazainy hatrany fa misy hifandraisany mivantana amin’io asa io : Sal.110 [29.06.75], Isa.49: 24-26 [03.09.75], Isa.60 [09.10.75], Jer.30: 16 [03.10.74], Jer.33: 1-9 [11.05.77] sy ireo hafa tsy voatanisa eto.

– Asan’Andriamanitra iadiany amin’ny fanompoan-tsampy izay mamatotra ny olona sy handreseny ny asan’ny maizina indrindra io asa io ary ampahafantariny fa Izy no hany Andriamanitra Tokana fa tsy misy hafa, dia Andriamanitra Tsitoha tokoa. Amin’izany dia mampiseho ny fahamasinany sy ny fahasaro-piarony ary ny fahalehibiazany Izy eo anoloan’ny andriamani-tsy izy rehetra. Ireo Teny notondroina tetsy aloha dia efa misy manambara izany, fa ireto manaraka ireto kosa no anisan’ny maneho mivantana izany ary nomen’i Jesosy tamin’ny fotoana samy hafa : Isa.40: 3-26 [13.03.76], Isa.43: 10-13 [30.01.77], Isa.45:18-25 [16.03.76], Jer.10: 6-18 [14.07.79]….

© D.Rabarihoela Bruno