« JESOSY IRERY IHANY »
- Jesosy Irery ihany no anjarako,
Ny sandriny mahery no iondanako,
Handresy fahavalo, ahiahy, sentom-po;
Jesosy no anjarako. - Jesosy Irery ihany no anjarako,
Ny teniny ihany no hifaharako,
Hamelona hatrany ny finoako tsy ho lo;
Jesosy no anjarako.
Raha sendra ka tafiotra, eny, mafy ny manjo,
Jesosy miara-dia fa tia tokoa!
Tsy kivy re ny fo,
Izao no tokiko:
Jesosy no anjarako.
- Jesosy Irery ihany,
Izy no jereo,
Fitiavany tsy lany,
Tano sy ekeo!
Ny tenany, ny rany no miantoka anareo,
Jesosy, Izy no jereo.
Raha sendra ka tafiotra, eny, mafy ny manjo,
Jesosy miara-dia fa tia tokoa!
Tsy kivy re ny fo,
Izao no tokiko:
Jesosy no anjarako.
3bis. Jesosy Irery ihany,
Izy no jereo,
Fitiavany tsy lany,
Tano sy ekeo!
Ny tenany, ny rany no miantoka anareo,
Jesosy, Izy no jereo.
©️ D.RABARIHOELA
