Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XVI manaraka ny Trinite 28 Septambra- 03 Oktobra 2020 “Andriamanitra dia Tokana” *

Ny hafatra: Ny lohateny hoe ”Andriamanitra dia Tokana” dia manambara fa Izy irery ihany no Andriamanitra fa tsy misy ary tsy hisy hafa. Izany dia toy ny navaliny an’i Mosesy raha nanontany taminy ny  aranana izay tokony hilazany Azy amin’ny Zanak’Isiraely izy manao hoe: ”Izaho Izay Izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay” Eks.3:14. Tokana tokoa Izy ary tsy misy takalony na azo ampitoviana Aminy araka ny teniny manao hoe: ”Koa ampitovinareo amin’iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina” Isa.40:25.Fa avy amin’izany no namoahany ny didiny izay ampihavahany ny tenan’Izy  Mpahary amin’ny zava-boary rehetra izay nohariany manao hoe: « Aza manana andriamani-kafa fa Izaho ihany”, ary ”Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany.” Eks.20:3-4. Fa ny tsy fitiavana hahalala an’Andriamanitra sy ny fandavana Azy ho Andriamanitra Tokana dia vokatry ny ”fanoampoan-tsampy”, dia ny fiankohofan’ny olona sy ny fianteherany amin’izay ”tsy Andriamanitra”. Toy izany ny zava-boary (masoandro, afo, rano,..), ny zavatra ataon’ny tanana na fananana (sikotra, vola, fahalalana,..). Fa izany no mampihetsika ny fahasaro-piaron’Andriamanira izay Masina, izay midika hoe Tokana, manao hoe: ”Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy” Eks.20:5. Raha fehezina, Andriamanitra tsy mitoetra ao amin’izay nataon’ny tanan’olona na namboarin’ny sainy, satria Tokana Izy, ary tsy misy mahavonjy afa-tsy Izy ihany amin’ny alalan’ny Zanany araka ny voasoratra hoe: ”Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena” Asa.4:12 .Sambatra izay mino Azy, fa ”Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay” Jao.3:36.

Alatsinainy 28: Fantaro Andriamanitra Tokana.

“Fantaro ankehitriny fa Izaho dia Izaho no Izy” Deo.32:39a.

Vakiteny 1: Jao.1:1-9. Vakiteny 2: Deo.32:39-40. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Deo.32:39a.

Fitarihan-kevitra: Ny fahalalana an’Andriamanitra Tokana amin’ny alalan’ny Teniny, dia loharanom-pitahiana satria ankasitrahany. Hoy ny fanambaran’i Jakoba Apostoly: “Aza mety hofitahina hianareo, sy rahalahy malalako.  Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin’ny Rain’ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana” Jak.1:16-17. Koa Miderà Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben’ny voninahiny” Sal.150:2.

Talata 29: Ny zanaky ny teny fikasana no mandova an’Andriamanitra Tokana.

Fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka” Rom.9:8b.

Vakiteny 1: Jao.1:6-14. Vakiteny 2: Rom.9:1-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.9:8.Fitarihan-kevitra: Nihevitra ny tenany handova ny fanjakan’ny lanitra ireto Jiosy, satria nanao hoe: “Taranak’i Abrahama izahay” Jao.8:33°, ka dia nanarin’i Jesosy izy manao hoe: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo”, “Izay avy amin’Andriamanitra dia mihaino ny tenin’Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy mba avy amin’Andriamanitra hianareo” Jao.8:44,47.

Alarobia 08: Andriamanitra Tokana no ivavaho.

“Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna hianareo” Mat.6:24d.

Vakiteny 1: Eks.20:1-11. Vakiteny 23: Mat.6:19-24. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.6:24.Fitarihan-kevitra: Maro ny zavatra ataon’ny olona fa hahavonjy azy, ary dia itokisany sy ianteherany ho Andriamanitra mahavonjy. Fa voasoratra hoe: “Tsy misy mpanjaka voavonjin’ny hamaroan’ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin’ny haben’ny heriny. Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben’ny heriny. Indro, ny mason’i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony, mba hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary” Sal.33:16-18. Hoy Jesosy: “Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin’ny fahalemena” 2 Kor.12:9.

Alakamisy 01: Jesosy Kristy no Tompon’aina. 

“Izaho no fananganana ny maty sy fiainana » Jao.11:25a.

Vakiteny 1: Efes.5:8-17. Vakiteny 2: Jao.11:19-29. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.11:25.Fitarihan-kevitra: Tsy nomena ny olona ny hampisy ny aina, na hanangana ny maty, fa fahefan’Andriamanitra Irery izany. Fa ny amin’ny halavan’ny andro iainany aza dia hoy Jesosy: “Ary iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany na dia kely monja aza?” Mat.6:27. Koa amin’izay tia Azy, dia hoy Izy: “Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko” Sal.91:16.

Zoma 10: Minoa an’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra.

Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay” Jao.3:36a.

Vakiteny 1: Asa.4:8-12. Vakiteny 2: Jao.3:30-36. Toriteny 1 (safidy) Toriteny 2: Jao.3:36.Fitarihan-kevitra: Tokana ihany ny lalan’ny famonjena, dia ny finoana an’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra, koa dia ilaozy ny andriamani-tsy izy. Fa hoy ny tenin’Andriamanitra: ”Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino? Ary inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy?” 2 Kor.6:14-16.  Hoy Jesosy: ”Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana; tsy misy mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako” Jao.14:6.

Sabotsy 03: Omeo voninahitra ny Tompo

Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy” Sal.66:2.

Vakiteny 1:  Lio.17:11-19. Vakiteny 2: sal.66:1-8. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.66:1-2.Fitarihan-kevitra: Omeo voninahitra ny Tompo satria tsy misy tahaka Azy. Tokana Andriamanitra sady Andriamanitra saro-piaro. Hoy Izy: “Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra” Isa.42:8. Koa amin’izany dia hoy ny teny fikasany: ”Izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra” 1 Sam.2:30.

Ny perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook Hira sy Filazantsara”.  Henoy ny hifiradio.org 24 ora/7 andro: fampianarana, hira, …               © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *