Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady I manaraka ny Paska 12-17 Avrily 2021 « Jesosy Velona, Toky ho an’ny mino » *

Ny hafatra: « Jesosy Velona, Toky ho an’ny mino »: Velona Jesosy, mandresy Izy ary manafaka ny mino Azy amin’ny ziogan’ny ota sy ny herin’ny fahafatesana. Izany indrindra no avoitran’ny Apostoly Paoly, raha nilaza izy fa Jesosy dia « natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” Rom.4:25. Tsy Andriamanitra maty tsy akory ny Andriamanitry ny Baiboly, tsy toy ny tapa-kazo sy ny vato (Sal.115:5-7), fa « Andriamanitra Velona », dia Andriamanitra mandresy ny fahafatesana mandrakizay. Hoy indrindra Jesosy: « Efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita » Apok.1:18. Efa nitsangana tokoa Jesosy, nandresy ho an’ny mpanota rehetra maty noho ny ota sy ny tsy fahalalana an’Andriamanitra, ary niseho sy nanangana mpino maro Izy ho zanak’Andriamanitra Velona, mandova ny fanjakany mandrakizay ary ho
vavolombelona hanambara izany Vaovao Mahafaly izany (1 Kor.15:6). Toky azo antoka no omeny: « Fa izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay » Jao.6:40a. Tiany koa ny mbola hijerentsika sy hibanjinantsika Azy anio, ka ahitantsika Azy mitsangana eto anivontsika, mba hahazoantsika miteny tahaka an’i Maria Magdalena hoe: « Efa nahita ny Tompo aho » Jao.20:18b. Minoa Azy dia hahajoro ianao. Fa ny mino mandresy dia izay mahajoro amin’ny finoana eo amin’izao tontolo izao, satria « ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika » 1 Jao.5:4b. Tiany indrindra ny handraisantsika izany fanomezany fiainam-pandresena izany ka hihirantsika hoe: “Mihoby ny fanahiko fa voavonjy izao, ny ratran’ny
Mpamonjiko no misy aim-baovao !” Hira FFPM 543.

Alatsinainy 12: Jesosy Velona, Tokim-panavotana ny mino.
« Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy” Joba 19:25a.
Vakiteny 1: 1 Kor.15:1-8. Vakiteny 2: Joba 19:25-27. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Joba 19:25.
Fitarihan-kevitra: Sarotra indrindra ny fahoriana nihatra tamin’i Joba, kanefa nampaherezin’ny finoany izy ka nijoro ho mpandresy sy ho
vavolombelon’ny fanavotan’Andriamanitra azy. Isika koa dia manana tokim-panavotana ao amin’i Jesosy Kristy, araka ny fijoroan’i Paoly
Apostoly manao hoe: “… Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ny maty koa ka mitoetra eo amin’ny tanana
ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika” Rom.8:34.

Talata 13: Jesosy Velona, Tokim-pihavanan’ny mino amin’Andriamanitra sy amin’ny namany.
“Ary (Jesosy) hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin’Andriamanitra noho ny hazo fijaliana” Efes.2:16a.
Vakiteny 1: Jao.14:20-21. Vakiteny 2: Efes.2:11-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Efes.2:16.
Fitarihan-kevitra: Jesosy Velona, nitsangana tamin’ny maty dia porofo velona fa “Vita” (Jao.19:30a) ny fandravana ny efitra nampisaraka
antsika tamin’Andriamanitra, dia ny fahotantsika izany, araka ny Teny hoe: “Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo
amin’Andriamanitrareo […]” Isa.59:2a. “Vita” ihany koa ny fampifandraisana sy fampihavana antsika samy olombelona ao amin’Andriamanitra
araka ny voasoratra hoe: « Jesosy Kristy Tompontsika (no) nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny » Rom.5:11b.

Alarobia 14: Jesosy Velona, Tokim-pahavelomana ho an’ny mino.
“Satria velona Aho, dia ho velona koa hianareo” Jao.14:19d.
Vakiteny 1: Efes.2:1-7. Vakiteny 2: Jao.14:18-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.14:19.
Fitarihan-kevitra: Jesosy Kristy nitsangana tamin’ny maty: toky sy antoky ny fahavelomana mandrakizay ho an’ny mino rehetra, noho ny
fandreseny ny ota sy ny devoly ary ny asan’ny maizina rehetra (Apok.12:7-11). Amin’ny alalan’ny « Fanahin’ny fahamarinana », ampitoeriny ao
amin’ny mino Azy, no ahefany izany: « Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, … dia fiainana … ny Fanahy noho ny fahamarinana »
Rom.8:10a,d. Tsy fahavelomana fe fahavelomana fotsiny anefa, fa tena fiainana miaraka aminy sy ho Azy: “Ary maty hamonjy ny olona rehetra
Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy” 2 Kor.5:15.

Alakamisy 15: Jesosy Velona, Tokim-pandresena izao tontolo izao ho an’ny mino.
“Fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao” 1 Jao.5:4a.
Vakiteny 1: Apok.12:7-11. Vakiteny 2: 1 Jao.5:4-12. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Jao.5:4.
Fitarihan-kevitra: Ny mino, izay naterak’Andriamanitra, dia ataony ho mpandresy tahaka Azy. Paoly sy Jaona Apostoly dia nanandratra avo
izany fandresena noho Jesosy Velona izany: “Amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika”
Rom.8:37, “Hianareo … efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao” 1 Jao.4:4b. Fa hoy tokoa Jesosy:
« Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao » Jao.16:33b.

Zoma 16: Jesosy Velona, Tokim-piadanana ho an’ny mino.
“Jesosy dia nitsangana teo afovoany ka nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo” Lio.24:36.
Vakiteny 1: Efes.2:11-17. Vakiteny 2: Lio.24:36-43. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.24:36.
Fitarihan-kevitra: Ny hoe « fiadanana » dia fahatoniana ateraky ny finoana sy fahatokiana Ilay Jesosy Velona, nitsangana tamin’ny maty, ka mijoro
sy mitoetra eo amin’ny olony. Resy ny tebitebin’ireo mpianatra noho Jesosy Velona niseho taminy (Jao.20:21). Antoka sy tokim-pandresena
lehibe ho an’ny mino izany fitiavan’Andriamanitra izany, na inona manjo na mihatra aminy, araka ny tenin’i Paoly Apostoly hoe: « … Matoky Aho
fa (tsy misy) hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika » Rom.8:39d.

Asabotsy 17: Jesosy Velona, Tokim-pahasambarana mandrakizay ho an’ny mino.
“Fahafinaretana no eo an-tananao ankavanana mandrakizay” Sal.16:11d.
Vakiteny 1: Isa.35:3-10. Vakiteny 2: Sal.16:10-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.16:11.
Fitarihan-kevitra: Hoy Jesosy: “Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be” Jao.10:10b. Izy Irery Ihany no afaka manome
fahasambarana maharitra mandrakizay ho an’ny olony, araka ny toky nomeny hoe: « Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy
hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha » Apok.21:4. Nialoha lalana
antsika tokoa Izy ka namboatra fitoerana ho antsika (Jao.14:3) ao amin’ny Fanjakany mandrakizay, araka ny Teniny manao hoe: « Eny, ny
navotan’i Jehovah hiverina Ka hankany Ziona amin’ny fihobiana, Ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany » Isa.35:10a-b.

Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara »

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *