Ny hafatra: Ny hoe “mahagaga” dia milaza zavatra izay tsy haintsika olombelona, ary tsy takatry ny saintsika ho saintsainina na heverina akory aza. Toetra manondro sy manambara an’Andriamanitra indrindra izany, Izay mampisy ny tsy misy, toy ny nitenenany fahizay manao hoe: “Misia mazava; dia nisy mazava” Gen.1:3, ary koa manafoana izay misy, araka ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona” Mat.24:35. Izany “fahefan’ny tenin’Andriamanitra mahagaga” izany no ambaran’ny Filazantsara fa “izay zavatra tsy hain’ny olona dia hain’Andriamanitra” Lio.18:27, sy ny hoe:
“Hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra” Mat.19:26b. Noho izany fahalebiazan’Andriamanitra tsy takatsika izany no itenenan’ny Tompo amintsika hoe: “Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako, hoy Jehovah. Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany no hahavon’ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo” Isa.55:8-9. Toetr’Andriamanitra tokoa ny manao zavatra mahagaga, dia araka ny anarana izay nanononan’ny Soratra Masina
Azy manao hoe: “Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolotsaina(na: Mpanolo-tsaina mahagaga) , Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana” Isa.9:5. Araka izany, dia “fahagagana” avokoa ny asan’Andriamanitra, ary maro tsy tambo isaina izy ireny, araka ny tenin’ny mpanao Salamo manao hoe: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô!
Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany” Sal.104:24. Fa ny mahagaga indrindra dia ny fahari-pon’Andriamanitra sy ny famindrampony amintsika mpanota ka tsy hahafoizany antsika ho very fa mba ho voavonjy, amin’ny famelany ny helotsika. Fa amin’izany dia voasoratra hoe: “Mitahiry famindrampo ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana” Eks.34:7a. Ny famelan-keloka? “Avy tamin’i Jehovah izany ka mahagaga eo imasontsika” Sal.118:23. Araka izany, ny famindrampon’Andriamanitra dia mitaona antsika hibebaka sy hihavana amin’ Andriamanitra. Ho
an’izay manaiky izany, dia hoy Jesosy: “Matokia, anaka; voavela ny helokao” Mat.9:2b, “Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very” Lio.19:10.
Alatsinainy 21: Ny famindrampon’Andriamanitra: mahagaga.
“Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, fa tia famindrampo” Mik.7:18b.
Vakiteny 1: Sal.103:1-11. Vakiteny 2: Mik.7:18-20. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mik.7:18.
Fitarihan-kevitra: Toetra maha-Izy Azy an’Andriamanitra ny famindrampo, araka ny fanambaran’i Nehemia hoe: “Andriamanitry ny famelankeloka
Hianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindrampo, ka dia tsy nahafoy azy” Neh.9:17d. Noho izany dia takiany amin’ny
olony ny ho tia famindrampo sy ho mpamindra fo tahaka Azy. Hoy Jesosy: “Fa famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, ary fahalalana
an’Andriamanitra noho ny fanatitra dorana” Hos.6:6.
Talata 22: Ny famindrampon’Andriamanitra, miantso fibebahana.
“Ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka […]” Rom.2:4b.
Vakiteny 1: 2 Pet.3:1-10. Vakiteny 2: Rom.2:1-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.2:4.
Fitarihan-kevitra: Ho setrin’ny famindrampony dia mba miandry ny olombelona hiverina Aminy kosa Andriamanitra, araka ny antsony tamin’ny alalan’i Paoly Apostoly manao hoe: “Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka” Asa.17:30. Izay rehetra manoina am-pahatsoram-po izany antsony am-pitiavana izany dia mbola
anehon’Andriamanitra ny fahalalahan’ny fony feno fitserana, araka ny tenin’ny mpanao Salamo hoe: “Ny fo torotoro sy mangorakoraka,
Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona” Sal.51:17b.
Alarobia 23: Ny famindrampon’Andriamanitra, mamela heloka.
“Matokia, anaka, voavela ny helokao” Mat.9:2b.
Vakiteny 1: Isa.44:21-28. Vakiteny 2: Mat.9:1-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.9:1-2.
Fitarihan-kevitra: Toetran’ny fon’Andriamanitra indrindra ny mamela heloka. Hoy Izy amin’ny mpanota: “Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny
làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, eny, ho amin’Andriamanitsika,
fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy” Isa.55:7. Mbola nasehony tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany izany toetrany izany: “Dia hoy
Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony” Jao.8:11b.
Alakamisy 24: Ny famindrampon’Andriamanitra, asan’ny fitiavany ny mpanota.
“Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao” Jer.31:3.
Vakiteny 1: Jao.8:1-11. Vakiteny 2: Jer.31:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.31:3.
Fitarihan-kevitra: Tian’Andriamanitra ny olombelona rehetra nohariany, na iza izy na iza. Hoy Marka nitantara ny fihaonan’i Jesosy sy ilay
lehilahy mpanan-karena: “Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy” Mar.10:21a. Mbola nanterin’i Paoly Apostoly fa nahimpon’Andriamanitra ny ho tia antsika olombelona mpanota fa tsy vokatry ny fahamendrehantsika, araka ny voalazany hoe: “Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” Rom.5:8.
Zoma 25: Ny famindrampon’Andriamanitra, mampahery ny olony.
“Ampy ho anao ny fahasoavako, fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena” 2 Kor.12:9a.
Vakiteny 1: Jer.1:4-10. Vakiteny 2: 2 Kor.12:7-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 2 Kor.12:9.
Fitarihan-kevitra: Tsy mba manary ny olona izay nofidiany sy efa nanaovany fanekena Andriamanitra, ary izany indrindra no anomezany azy teny fikasana ho fampaherezana sy fampiorenana azy. Hoy indrindra Izy tamin’Israely olony: “Fa hianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, […] hianao izay efa notantanako avy tany amin’ny faran’ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko hianao, efa nofidiko ka tsy mba nariako” Isa.41:8-9. Tsy mba “mandatsa-dremby” Izy fa misorona ho an’ny ny olony, araka ny tenin’i Jesosy tamin’i Simona Petera manao hoe: “[..] Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. Nefa Izaho
nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao” Lio.22:31-32.
Sabotsy 26: Ny famindrampon’Andriamanitra, mahavelona.
“Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin’ny famindrampo, […] dia nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy” Efes.2:4,5a.
Vakiteny 1: 1 Jao.5:10-12. Vakiteny 2: Efes.2:1-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Efes.2:4-5.
Fitarihan-kevitra: Ny famindrampon’Andriamanitra irery no mihazona ny fahaveloman’ny olony sy ny fijoroany. Hoy indrindra Isaia mpaminany:
“Raha tsy nosisan’i Jehovah, Tompon’ny maro, olona vitsivitsy isika, dia efa tonga tahaka an’i Sodoma ary nitovy tamin’i Gomora” Isa.1:9. Hoy
koa i Ezekiela mpaminany raha milaza ny hatsaram-panahin’Andriamanitra: “Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany, mba ho velona izy” Ezek.33:11a.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi- madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet