Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XVI manaraka ny Trinite, 02 – 08 Oktobra 2022  “Fantaro Andriamanitra”

Fitarihan-kevitra: Ny hoe “Fantaro Andriamanitra” dia manambara fa Andriamanitra dia tsy miafina na te-hiafina amintsika mpanota, fa azontsika fantarina tsara Izy; ary tiany isika hahafantatra Azy mba hahazoantsika mino Azy, ka handray ny famonjeny sy higoka ny fahasoavany tsy lany (Jao.1:16). Araka izany, ny filamatry ny “finoana kristiana” dia ny “mahafantatra izay inoany” araka ny tenin’ny Apostoly Paoly manao hoe: “Fantatro izay inoako” 2 Tim.1:12b. Milaza izany fa tsy finoanoam-poana ny finoany, toy ny zavatra tsy marim-pototra, na tsy azo antoka, na koa finoana ara-tsaina sy ara-kevitra ihany, dia toy ny olona izay manaiky ny fisian’Andriamanitra kanefa tsy manana fifandraisana Aminy, na mahafantatra ny heriny, dia olona tsy manana finoana velona akory.  Fa hoy ny Tompo: “Ny oloko marina dia ho velon’ny finoana” Heb.10:38a, dia ny velona amin’Andriamanitra marina, tsy vahiny Aminy, fa zanaka tena fantany (1 Tim.2:19), araka ny Tenin’i Jesosy manao hoe: “Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy” Jao.10:27. Fa ny tsy fahalalana marina sy ampy an’Andriamanitra no mahatonga ny tsy finoana Azy, araka ny Tenin’i Jesosy manao hoe: “Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra” Mat.22:29. Izany no mampihozongozona ny finoana, eny, manome vahana ho amin’ny fampirafiana an’Andriamanitra amin’ny andriamani-tsy izy, ka mahatonga ny sasany hanao tan-droa, fa “miankohoka sy mianiana ho an’i Jehovah sady mianiana amin’i Malkama [Na: ny mpanjakany]” Zef.1:5b. Kanefa hoy ny Tompo: “Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho” Isa.45:5a,b.  Eo koa ny tsy tia hahafantatra Azy, fa mandà Azy toa ireo Jiosy (Jao.1:11) sy ireo Romana izay voalazan’i Paoly manao hoe: “Fa na dia nahalala an’Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an’Andriamanitra, na nisaotra Azy” Rom.1:21a. Misy dimy ireo mpanambara izay mampahafantatra an’Andriamanitra: Jesosy Kristy Zanaka (Mat.17:5/ Jao.1:18), ny Fanahy Masina (Jao.15:26), ny Soratra Masina (2 Tim.3:16), ny vavolombelona (Jao.15:27/ Asa.1:8), ary ny asan’Andriamanitra (Sal.19:1/ Jao.14:11b). Ho amin’izany, hoy Jesosy: “Mitadiava, dia hahita hianareo” Mat.7:7b.

Alatsinainy 03: Fantaro Andriamanitra Tokana.

“Fantaro ankehitriny fa Izaho dia Izaho no Izy” Deo.32:39a.

Vakiteny 1: Jao.14:1-7. Vakiteny 2: Deo.32:39-40. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Deo.32:39.

Fitarihan-kevitra: Ny hoe “Andriamanitra Tokana” dia manambara fa tsy misy toa Azy, na azo atakalo Azy. Fananarana sy fampiorenana antsika izany mba hatoky Azy ka tsy hiroroa saina hierikerika hitady sy hanompo tompo hafa, na hampifangaro Azy amin’izay tsy Andriamanitra. Sambatra ny mahalala Azy ka afaka hiteny toy ireo mpianatr’i Jesosy hanao hoe: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’Andriamanitra” Jao.6:68-69.

Talata 04: Fantaro fa Masina Andriamanitra.

“Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany” Eks.20:3.

Vakiteny 1: Gal.1:1-8. Vakiteny 2: Eks.20:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Eks.20:3.

Fitarihan-kevitra: Satria Masina Andriamanitra, dia “manamasìna Azy”. Omeo Azy ny haja sy ny voninahitra tandrify Azy, araka ny Teniny manao hoe: “Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon’ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako […]” Mal.1:6. Feon-dakolosy lehibe miantso ny olon’Andriamanitra rehetra ho amin’ny fahamasinana izany, fa “izay masina no hahita Ilay Masina” (Heb.12:14), ary afaka mifandray Aminy (Joba 22:21).

Alarobia 05: Fantaro fa Andriamanitra dia fitiavana.

“Andriamanitra dia fitiavana” 1 Jao.4:16b.

Vakiteny 1: Mat.9:9-13. Vakiteny 2: 1 Jao.4:12-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Jao.4:16.Fitarihan-kevitra: Andriamanitra dia fitiavana ka tsy tia ny mpanota ho very, fa ho voavonjy mba handova ny fanjakany, dia fiainana mandrakizay (Jao.3:16). Nirahiny ho antsika Jesosy Kristy Zanany Izay nanambara hoe: “Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very” Lio.19:10. Ary dia miantso Izy ka manao hoe: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” Mat.11:28. Valio ny antsony, fa hoy Izy: “Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy” Jao.6:37b

Alakamisy 06: Fantaro fa Andriamanitra no Tompon’ny aina.

“Ary hoy Jesosy: Ry zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena” Lio.7:14d.

Vakiteny 1: Jak.4:10-12. Vakiteny 2: Lio.7:11-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.7:14-15.Fitarihan-kevitra: Nahatalanjona sy naharaiki-tahotra ireo olona nanatrika ny nahita ny nananganan’i Jesosy tamin’ny maty ity zanakalahy tokan’ilay vehivavy mpitondra tena tao Naina, dia tamin’ny teny indraim-bava manao hoe: “Miarena” Lio.7:14d. Milaza izany fa Masina ny teniny, fa Tompo Izy. Hoy Izy:“Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay” Jao.11:25-26a. Koa “Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay” Jao.3:36a.

Zoma 07: Fantaro Jesosy Kristy Mpamonjy Tokana.

“Fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao” Jao.4:42d.

Vakiteny 1: Asa.4:5-12. Vakiteny 2: Jao.4:34-42. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.4:41-42.

Fitarihan-kevitra: Jesosy Kristy no Mpamonjy Tokana ho an’izao tontolo izao izay nomen’ny Ray raha hoy Izy: “Ity no Zanako malalako izay sitrako, Izy no henoy” Mat.17:5b. “Fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena” Asa.4:12b. Hoy ny vavaka nataon’i Jesosy: “Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan’ny Zanaka Anao, araka ny nanomezanao Azy fahefana amin’ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra nomenao Azy” Jao.17:1-2.

Sabotsy 08: Tomoera tsara ao amin’ny Tompo.

“Mba hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana” Efes.3:17a.

Vakiteny 1: Jao.15:9-15. Vakiteny 2: Efes.3:14-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Efes.3:14-17.

Fitarihan-kevitra: Toky sady tombony lehibe ny hoe “Tomoera tsara”. Izany dia ny Tompo mitoetra ao anatin’ny mino (Apok.3:20). Koa izay te-hitoetra ao Aminy dia manaiky Azy ho “Tompo manapaka ao am-pony” (1 Pet.3:15). Antoka ho amin’ny famonjena sy ny fitahiana mandrakizay izany, fa voasoratra hoe: “Kristy ao anatinareo, fanantenana ny voninahitra” Kol.1:27. Ho avy tokoa Jesosy haka ny Azy mba hanatanteraka ny Teniny manao hoe: “Ary izay itoerako no hitoeranareo koa” Jao.14:3d. Koa “Miorena tsara, aza miova […]” 1 Kor.15:58a.

Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny rohy www.hifi-madanet.org, Facebook “Hira sy Filazantsara”, Instagram (@hirasyfilazantsara) and Twitter (@HFilazantsara). Henoy ny hifiradio.org: fampianarana, fijoroana vavolombelona, hira… 24/24 ora, 7/7 andro. © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *