Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XVIII manaraka ny Trinite 12-17 Oktobra 2020 *

“Velona mitia an’Andriamanitra” Ny hafatra: Tsy dia ataon’ny olona ho filamatry ny fiainany loatra, na antom-pahavelomany, ny hoe: ”Velona mitia an’Andriamanitra”. Kanefa izany no nataon’Andriamanitra ho didy lehibe voalohany, araka ny tenin’i Jesosy manao hoe: ”Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra – Deo.6: 5” Mat.22:37, dia … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XVII manaraka ny Trinite 05-10 Oktobra 2020

“Andriamanitra manandratra ny olony” Ny hafatra: Fikasan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ny hanandratra ny olombelona amin’ny voninahiny. Fa hoy Izy: ”Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika. Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy” Gen.1:26-27, dia ny endriky ny voninahiny sy ny fisandratany ambonin’izay rehetra nohariany. Koa … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XVI manaraka ny Trinite 28 Septambra- 03 Oktobra 2020 “Andriamanitra dia Tokana” *

Ny hafatra: Ny lohateny hoe ”Andriamanitra dia Tokana” dia manambara fa Izy irery ihany no Andriamanitra fa tsy misy ary tsy hisy hafa. Izany dia toy ny navaliny an’i Mosesy raha nanontany taminy ny  aranana izay tokony hilazany Azy amin’ny Zanak’Isiraely izy manao hoe: ”Izaho Izay Izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay” Eks.3:14. Tokana tokoa … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XV manaraka ny Trinite 21-26 Septambra 2020 *

“Mihainoa ny Tenin’Andriamanitra” Ny hafatra: Zava-dehibe iankinan’ny aina ny fahaizana mihaino ny tenin’Andriamanitra, fa “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra” Heb.4:12, “Fa aina ho an’ny mahazo azy izy, Ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra” Oha.4:22. Fa hoy Jesosy fahizay tamin’i Mama Nenilava mpanompony: “Tsy latsaky ny iray alina ny feo ren’ny olona anatin’ny iray andro, fa … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XIV manaraka ny Trinite 14-19 Septambra 2020 *

“Andriamanitra manasitrana” Ny hafatra: Zava-dehibe amin’Andriamanitra ny fahasitranan’ny olona, dia izy afaka misitraka ny fahasalamana, afaka amin’ny rofy sy aretina rehetra; izy velona mahazo fiainana, ary fiainana be dia be (Jao.10:10), no sady fiainana tsy mety levona, fa fiainana mandrakizay (Jao.3:36:). Fa ny fahasalamana no famantarana ny fahaveloman’ny olona, ary izany dia tsy voafetran’ny ara-batana … [Read more…]