Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XVII manaraka ny Trinite, 09 – 15 Oktobra 2022

 “Andriamanitra manome rariny ny olony” Fitarihan-kevitra: Andriamanitra manome rariny ny olony, satria tia rariny Izy sady tia ny olony. Fa mitaky rariny ny olona satria iharan’ny “tsy rariny”, dia ny tsy fahamarinana. Ny rariny omen’Andriamanitra ny olony dia Izy manamarina ny finoany, ka manatanteraka ny teny fikasana izay omeny. Koa na dia mety ho mafy … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XIII manaraka ny Trinite, 11-17 Septambra 2022

Hira & Filazantsara Alahady XIII manaraka ny Trinite, 11-17 Septambra 2022  “Velona ny Tenin’Andriamanitra” * Fitarihan-kevitra: Velona ny Tenin’Andriamanitra ary tsy ho faty mandrakizay. Tsy voafetra ny fahavelomany ary tsy voasakana ny fiasany. Fa hoy Jesosy: “Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona” Mat.24:35. Hoy koa ny anjely … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy
Hira & Filazantsara
Alahady IV manaraka ny Trinite, 10 – 16 Jolay 2022
“Ny fankasitrahan’Andriamanitra”
*

Ny hafatra: Zava-dehibe amin’ny olombelona ny mahazo ny “fankasitrahan’Andriamanitra”. Ny hevitr’izany dia fanamarinana azy, famaliana soa ny asa tsara nataony, toy ny nitenenan’ity tompo ity ny mpanompony manao hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kelyhianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ny fifalian’ny tomponao” Mat.25:21. Mifanjohy amin’izany ny fanambarana nataon’i … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy
Hira & Filazantsara
Alahady V manaraka ny Paska, 22-28 May 2022
“Mahereza mivavaka”
*

Ny hafatra: Ny hoe “Mahereza mivavaka” dia midika hoe: “Mazotoa, ary mitandrema tsy ho tra-pahalainana na fahakiviana, fa misikìna ka mivavaha”. Ny vavaka no nanovozan’ny mino sy ny olon’Andriamanitra rehetra ny heriny, ny fanavaozana ny sainy, ny fitarihan’ny Fanahy Masina, ka nanatontosany ny asany, indrindra ny fanompoana napetraky ny Tompo taminy. Tanteraka indrindra izany teo … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy
Hira & Filazantsara
Alahady I manaraka ny Paska, 24 – 30 Aprily 2022
“Ny finoana mandresy”
*

Ny hafatra: Jesosy Kristy nitsangana tamin’ny maty: Tokim-pandresena mandrakizay ho an’ny mino rehetra, dia ny fandresena ny ota sy ny tsy fahamarinana, ny fandresena ny devoly sy ny asan’ny maizina rehetra. Koa ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Satria velona Aho, dia ho velona koa hianareo” Jao.14:19 dia midika hoe “Satria nandresy Aho, dia mandresy koa … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy
Hira & Filazantsara
Andro Paska I & II, 17 – 23 Aprily 2022
“Misandratra Kristy”
*

Ny hafatra: Ny hoe « Misandratra Kristy » dia manambara indrindra ny fanehoan’Andriamanitra ny voninahiny tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty. Nasandratr’Andriamanitra Ray tokoa Jesosy Kristy Zanany satria nanome voninahitra Azy tamin’ny fankatoavana ny teniny sy ny fanatanterahana ny sitrapony. Fa hoy Jesosy: « Fa tsy nidina avy any an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’Izay naniraka … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahadin’ny sampan-drofia, 10 – 16 Aprily 2022 “Kristy, Paska ho antsika” *

Ny hafatra: Satria “tsy mahaisotra ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy” Heb.10:4, dia “voavono Kristy, Paska ho antsika” 1 Kor.5:7b. Jesosy Kristy “Paska ho antsika”:(1) Fanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika izany, “fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” Rom.5:8, dia Izy manao fanavotana amin’ny famelana ny fahadisoantsika araka ny haren’ny fahasoavany (Efes.1:7), … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy
Hira & Filazantsara
Alahady II alohan’ny Paska, 03 – 09 Aprily 2022
“Tanteraka ny teny fikasana”
*

Ny hafatra: Tsy misy tsy ho tanteraka ny teny fikasana ataon’Andriamanitra (Lk 1:37), satria Mahatoky sy Marina Izy. Fa voasoratra hoe: “Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’olombelona ka hanenina; moa tsy efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? Na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?”Nom.23:19. Arak’izany dia tokony itokisantsika indrindra ny teny … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy
Hira & Filazantsara
Alahady III alohan’ny Paska, 27 Martsa – 02 Aprily 2022
“Andriamanitra manao fanekena amin’ny olony”
*

Ny hafatra: Ny hoe “Andriamanitra manao fanekena amin’ny olony” dia Izy manaiky ny hiahy ny fahavelomany, tsy ho amin’ity fiainana ity ihany, fa ho amin’ny fiainana mandrakizay indrindra koa. Izany fanekena izany dia nofeheziny amin’ny teniny hoe: “Ho Andriamanitrareo [Aho], ary hianareo ho oloko” Lev.26:12, izay nanterin’i Jesosy amin’ny hoe: “Satria velona Aho, dia ho … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy
Hira & Filazantsara
Alahady IV alohan’ny Paska, 20 Martsa – 26 Martsa 2022
“Andriamanitra miantra ny olony” *

Ny hafatra: “Andriamanitra miantra ny olony” ka tsy mahafoy azy ho ory, araka ny voasoratra hoe: “Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’olombelona” Fit.3:33. Noho ny fitiavany tsy misy fetra dia tsy afaka ny hitoetra amin’izao tokoa Andriamanitra raha mahita ny olony iharam-pahoriana, fa miditra an-tsehatra, mitondra ny famonjeny mba hanafahana azy avy … [Read more…]