Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Pentekosta I sy II, 24-29 Mey 2021 “Tonga amintsika ny Fanahy Masina” *

Fitarihan-kevitra: “Tonga amintsika ny Fanahy Masina”, fofonain’Andriamanitra nahary izao rehetra izao (Gen.1:1-3), Mpampihavana antsika mpanota amin’Andriamanitra (Rom.8:26), Mpampianatra antsika ny fahamarinana (Jao.16:13), Mpampionona antsika amin’ny fahoriantsika (Jao.14:18), Herin’Andriamanitra atafiny izay mino (Asa.1:8), Fahatanterahan’ny olon’Andriamanitra (1 Tes.5:23). Fa hoy Jesosy tamin’ny mpianany: “Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ny Raiko ho anareo” Lio.24:49a, dia ny fanomezany … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady VI manaraka ny Paska, 16-22 Mey 2021 “Andriamanitra Fitiavana manome fo vaovao” *

Fitarihan-kevitra: Andriamanitra manome fo vaovao izay tia Azy sady tiany rahateo, satria Fitiavana Izy. Teraka sy nobeazina tanatin’ny ota isika zanak’olombelona, ary tsy nahalala an’Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe: “Ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany” Gen.8:21b. Hoy Jesosy ny amin’ny fon’ny olona: “Fa avy ao anatin’ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny … [Read more…]

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY Hira & Filazantsara Alahady IV manaraka ny Paska: 3 – 8 Mey 2021 “Andriamanitra Fitiavana mampionona ny olony” *

Fitarihan-kevitra: Ny hoe “Andriamanitra fitiavana mampionona ny olony” dia manambara indrindra ny halehiben’ny fitserany sy ny famindrampony tsy mahafoy ny olony, ary tsy mamela azy ho kamboty na ho irery. Fa hoy ny toky nomeny ny Isiraely olony tra-pahakiviana fony izy sesin-tany tany Asyria: “Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady III manaraka ny Paska 26 Avrily – 01 Mey 2021 “JESOSY KRISTY, FANANTENANA MAHATOKY” *

Fitarihan-kevitra: Vanin’andro mahavery hevitra sy mahavalalanina ny maro ny ankehitriny, indrindra amin’izao valan’areti-mandringana mihanaka eran-tany izao. Fa ny olon’Andriamanitra izay manantena Azy, satria fantany fa mahatoky Izy, dia afaka miteny manao hoe: “Fa manana izao rakitra izao amin’ny vilany tany izahay, mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery, fa tsy ho avy aminay. Voageja manodidina izahay, … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady II manaraka ny Paska 18 – 24 Avrily 2021 “JESOSY KRISTY MPIANDRY TSARA, MIANTOKA NY ONDRINY” *

Ny hafatra: “Jesosy Kristy Mpiandry Tsara, miantoka ny ondriny”, satria tena tia ny Azy Izy, ary nataony ho akaiky ny fony ireo. Azo antoka indrindra ny fiantohan’Andriamanitra ny ondriny, satria Mahatoky sy Marina Izy, araka ny teniny manao hoe: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana” Jao.14:6a. Ilain’ny olombelona tokoa mantsy ny Mpiandry azo antoka … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady I manaraka ny Paska 12-17 Avrily 2021 « Jesosy Velona, Toky ho an’ny mino » *

Ny hafatra: « Jesosy Velona, Toky ho an’ny mino »: Velona Jesosy, mandresy Izy ary manafaka ny mino Azy amin’ny ziogan’ny ota sy ny herin’ny fahafatesana. Izany indrindra no avoitran’ny Apostoly Paoly, raha nilaza izy fa Jesosy dia « natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” Rom.4:25. Tsy Andriamanitra maty tsy akory ny Andriamanitry ny … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahadin’ny Sampan-drofia 29 marsa – 03 avrily 2021 “ Kristy, Avotra ho an’izao tontolo izao ” *

Nahoana? Satria sarobidy indrindra amin’’Andriamanitra ny olona noforoniny sy izao tontolo izao nohariany. Asan’ny Teniny sy ny Tanany ireo, dia asa nisasarany. Fa raha nahary izao tontolo izao Izy dia niteny nanao hoe ”Misia mazava”, ary dia nisy mazava (Gen.1:3). Fa hoy Jaona Apostoly: ”Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara – 22-27 marsa 2021 Herinandro fiomanana hiatrika “ Ny fiaretan’ny Zanak’ondrin’Andriamanitra ” *

Ny atao hoe ”Herinandro fiomanana hiatrika Ny fiaretan’ny Zanak’ondrin’Andriamanitra” dia ny fanomanana ny fo amam-panahintsika hiatrika ny zava-tsarotra tsy misy toa azy izay neken’i Jesosy hihatra tamin’ny tenany, dia ny niaretany ny fahoriana mafy indrindra izay niafara tamin’ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana ho fanavotana antsika mpanota. Fa ”Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady II mialoha ny Paska 15-20 Marsa 2021 “Ny faneken’Andriamanitra amin’ny olony ” *

Andriamanitra manao fanekena amin’ny olony, dia izay nanaiky Azy ho ”Tompony sy Andriamaniny” (Jao.20:28). Ny fototra iorenan’ny fanekena ataony dia araka ny teniny manao hoe: ”Izaho ho Andriamaniny ary izy ho oloko” Jer.31:33. Dia araka izany no naneken’i Abrama ny baikony ka nandaozany ny tany fonenany, dia ny Oran’ny Kaldea, tany avaratra atsinanan’ny Palestina, ka … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady III mialoha ny Paska 08-13 Marsa 2021 “Andriamanitra manao fanekem-panavotana” *

Ny asam-panavotana nataon’Andriamanitra, dia ny fanamarinana ny mpanota amin’ny fanafahana azy amin’ny herin’ny ota sy ny fanamelohana noho ny ota, mba ho fanamarinana azy sy hahazoany mihavana indray amin’Andriamanitra Mpahary sy Mpamonjy azy. Fa hoy indrindra Jaona Apostoly manambara izany: ”Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny … [Read more…]