Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady IV amin’ny Advento 21-26 Desambra 2020

“ Miposaka ny fahazavan’Andriamanitra” Ny fahazavan’Andriamanitra miposaka dia ny famirapiratan’ny voninahiny. Izany no entin’ny Mesia tonga amintsika, dia fahazavana lehibe izay hahenika ny tany rehetra ka hipaka hatrany amin’ny fanambanin’ny ranomasina aza (Isa.11:9). Koa izay miandrandra ny fiaviany dia hisehoany tokoa ka hitenenany hoe: ”Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady III amin’ny Advento 14-19 desambra 2020

“Andriamanitra mamangy ny olony” “Andriamanitra mamangy ny olony”. Teny soa mahafaly indrindra izany. Inona no ambarany? Famindram-po, fihavanana, famelan-keloka, fampionona, fananganana indray ho olony, fanomanana ny fanavaozana ny fanekeny manao hoe: ”Ho Andriamanitrareo Aho, ary hianareo ho oloko” Jer.7:23b. Teny milaza tokoa fa Andriamanitra tsy mitahiry heloka na fahatezerana, satria famindrampo no sitrany (Hos.6:6); izany  … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady II amin’ny Advento 07 – 12 desambra 2020

“ Ny fanjakan’i Kristy ” Raha nitsangana tamin’ny maty Jesosy ka niseho tamin’ireo mpianany dia nanao hoe: ”Indro, efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany” Mat.25:18. Izany teny izany dia manambara ny fiandohan’ny fanjakany amin’ny nofo rehetra izay noharian’Andriamanitra. Fa tanteraka ny fahitana izay nomena an’i Daniela raha hoy izy: ”Ary … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady I amin’ny Advento 30 novambra 2020 – 06 desambra 2020 *

“Tanteraka ny Teny Fikasana ” Ny fahatanterahan’ny Teny Fikasana dia maneho indrindra ny maha-Andriamanitra an’Andriamanitra, dia Izy Mahatoky, tsy miova na mivadika amin’ny izay lazainy. Koa dia hoy indrindra ny teny vavolombelona nataon’ny anjely Gabriela raha avy nanambara ny fikasan’Andriamanitra tamin’i Maria izy manao hoe: ”Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra” … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Alahady XXIV manaraka ny Trinite 23-28 novambra 2020

“Andriamanitra Mpampionona ny olony ” Fomba fitenintsika ny hoe: ”ny fiainan’ny olombelona tsy ilaozam-pahoriana”; ary amin’izany dia ilain’ny olona tsy an-ankanavaka ny hisian’ny ”Mpampionona” azo antoka; dia Andriamanitra. Koa ny andrasana avy Aminy dia ny fanomezany hery mba hahazakana ny mafy sy hampitraka mba tsy hilofika; ary fomba mahomby hanasitrana ny ratra sy antoka mahatoky … [Read more…]

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha Fiombonam-bavaka Alahady XXIII manaraka ny Trinite Herinandro 16-21 Novambra 2020 *

“Mandovà ny fanjakan’Andriamanitra” Fitaomana sy fanasana amim-pitiavana no atolotra antsika eto, dia ny handray sy handova ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaina amin’izany fa misy fanjakana roa ahazoan’ny olona misafidy : Ny iray dia ny fanjakan’Andriamanitra izay Mpahary sy Tompony,  ka mametraka ny lalàna mifehy azy, dia ”tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XXII manaraka ny Trinite 09-14 Novambra 2020

“Andriamanitra Mahatoky” Ny hafatra: Ny hoe “Andriamanitra Mahatoky” dia manambara ny toetra maha-Andriamanitra an’Andriamanitra, anefa milaza indrindra koa ny anarana izay iantsoana Azy mihitsy, toy ny nanambaran’i Isaia mpaminany fahizay ny amin’ny Mesia Izay ho avy manao hoe: “ Ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana” Isa.9:5. Raha ny … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XXI manaraka ny Trinite 02-07 Novambra 2020 *

“Tsara ny Tompo” Ny hoe ”Tsara ny Tompo” dia manambara ny fahafenoan’ny fahatsarany amin’ny maha-Andriamanitra Azy, satria ”Andriamanitry ny fahatsarana rehetra Izy”. Izany koa no efa fikasany ho antsika olombelona hatramin’ny voalohany, ary mbola fikasany mba hahatanteraka antsika mpanota amin’ny alalan’ny asa fanavotana tamin’ny ran’i Kristy sy ny fanavaozana antsika ho ”olom-baovao” ao aminy” (2 … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XX manaraka ny Trinite 26-31 Oktobra 2020

“Andriamanitra tsy tia manary ny olony” Andriamanitra tsy tia manary ny olony, fa tiany izy hino Azy mba hahavonjy azy. Fa hoy Jesosy: ”Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” Jao.3:16. Andriamanitra tokoa tsy mahafoy ny olony ho … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XIX manaraka ny Trinite 19-24 Oktobra 2020 *

“Andriamanitra te hanavotra ny olony ” Andriamanitra tia ny olombelona izay nohariany hitovy endrika Aminy (Gen.1:26) ka tsy mahafoy azy ho very noho ny fahotany izay nandrafiany Azy sady efitra nampisaraka azy taminy (Isa.59:2). Koa dia naniraka sy nanolotra an’i Jesosy Kristy Zanany Izy mba hanao asam-panavotana azy,dia ny famelana ny helony rehetra (Efes.1:7). Fa … [Read more…]