Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady X manaraka ny Trinite, 08-14 Aogositra 2021 “Jesosy Kristy, làlan’Andriamanitra mahavelona” *

Ny hafatra: Hoy ny Soratra Masina: “Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany” Oha.14:12. Amin’izany dia miasa mafy tokoa Satana hamitaka ny olona mba ho very tahaka azy, ary “[…] raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny” Mat.24:24. Ny very dia izay tafasaraka amin’Andriamanitra Mpahary … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady IX manaraka ny Trinite, 01-07 Aogositra 2021 “Ny mpino, olona mahatoky” *

Ny hafatra: Ny mpino mahatoky dia olona ankasitrahan’Andriamanitra satria azony itokisana. Olona maharitra amin’ny finoany izy, araka ny tenin’ny Tompo manao hoe: “Ny oloko marina, dia ho velon’ny finoana; fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko – Hab.2:3-4” Heb.10:38. Araka izany, dia mandeha amin’ny finoana tokoa ny mpino mahatoky, fa tsy amin’ny fahitana … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady VIII manaraka ny Trinite, 25-31 Jolay 2021 “Ny mpivavaka marina”

Ny hafatra: Tsy vitsy, na tokana, ny hevitry ny hoe “mpivavaka marina”. Amin’ny teny tsotra, ny mpivavaka marina dia ny olona izay mivavaka amin’ny fo mahitsy sy marina. Dia toy izany koa izay mivavaka amin’ny “fo madio”, na koa ny “fo voadio” satria fo mibebaka ka hamarinin’Andriamanitra, tahaka ilay mpamory hetra niteha-tratra nanao hoe: “Andriamanitra … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady VII manaraka ny Trinite, 18-24 Jolay 2021 “Andriamanitra amin’ny olony, tokim-pitahiana” *

Ny hafatra: Ny hoe “Andriamanitra amin’ny olony, tokim-pitahiana” dia midika fa eo amin’izay itoeran’ny Tompo no andidiany fitahiana sy fiadanana, dia fahasambarana ho an’izay rehetra mino Azy. Tsy mba misy aloky ny fikotranana na fiahiahiana loza na tsy fahombiazana eo, fa fanjakan’ny fiadanana sy fahatokiana be. Fa raha niangona tao amin’ny efitrano ambony ny mpianatr’i … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady VI manaraka ny Trinite, 11-17 Jolay 2021 “Andriamanitra manamarina ny mpanota” *

Ny hafatra: “Andriamanitra manamarina ny mpanota”, satria ny tsy marina tsy mba manana anjara amin’Andriamanitra ary tsy mba handova ny fiainana mandrakizay na oviana na oviana. Fa hoy ny Tompo: “Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin’ny loharanon’ny ranon’aina ho an’izay mangetaheta. Izay maharesy no handova izany zavatra … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Fiombonam-bavaka Alahady IV manaraka ny Trinite Herinandro 27 Jona – 03 Jolay 2021 “Ny fifadiana ankasitrahana”

Ny hafatra: Ny hevitra ara-panahin’ny hoe “fifadiana” dia milaza fandraràna ny olona tsy hanao asa, na hanendry hanina, na koa hanome toerana izay mety hanetsika filàna ara-nofo. Fa hoy ny Soratra Masina: “Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo” Gal.6:8a. Amin’izany dia misy ny fanavahana ataon’Andriamanitra, dia ny “fifadiana ankasitrahana”, … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira sy Filazantsara Alahady III manaraka ny Trinite, 20-26 Jona 2021 “Ny famindrampon’Andriamanitra mahagaga” *

Ny hafatra: Ny hoe “mahagaga” dia milaza zavatra izay tsy haintsika olombelona, ary tsy takatry ny saintsika ho saintsainina na heverina akory aza. Toetra manondro sy manambara an’Andriamanitra indrindra izany, Izay mampisy ny tsy misy, toy ny nitenenany fahizay manao hoe: “Misia mazava; dia nisy mazava” Gen.1:3, ary koa manafoana izay misy, araka ny tenin’i … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira sy Filazantsara Alahady II manaraka ny Trinite, 13-19 Jona 2021 “Andriamanitra manasa ny mpanota” *

Ny hafatra: Ny “fanasan’Andriamanitra ny mpanota” dia ny famindrampon’Andriamanitra miantefa amintsika mpanota izay tafasaraka taminy, izay tsy manan-kery na voninahitra, fa feno fahalemena sy tsy fahatanterahana, tsy mahafantatra akory izay antom-pisiantsika na ny làlam-piainana hizorantsika, tsy mahalala an’Andriamanitra Izay nahary antsika sy Mpiahy ary Mpamelona antsika, fa rembin’ny fahavalo izay mihaza ny aintsika (1 Pet.5:8). … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady I manaraka ny Trinite, 06 -12 Jona 2018 “Ny Fanahy Masina, fahendrena avy amin’Andriamanitra”

Ny hafatra: “Ny Fanahy Masina, fahendrena avy amin’Andriamanitra” dia manambara fa misy ny fahendrena avy amin’Andriamanitra sy manaraka an’Andriamanitra, ary misy ny fahendrena tsy avy amin’Andriamanitra sady tsy manaraka an’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina, fahendrena avy any ambony, avy amin’Andriamanitra, dia mitarika hiankina amin’Andriamanitra amin’ny finoana sy hikatsaka ary hanoa ny sitrapony. Ny fahendrena izay tsy … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahadin’ny Trinite, 30 Mey – 05 Jona 2021 “Andriamanitra mitsetra antsika mpanota” *

Fitarihan-kevitra: Ny votoatin-kevitry ny hoe “Andriamanitra mitsetra antsika mpanota”, dia Izy ontsa antsika ka mitsinjo ny aintsika tsy ho faty sy ny fanahintsika tsy ho very. Tampon’ny zava-manan’aina rehetra noharian’Andriamanitra teto an-tany isika olombelona, satria nataony “tahaka ny endriny” (Gen.1:27b), koa dia “tsy tiany hisy ho very” isika na dia iray akory aza (2 Pet.3:9). … [Read more…]