Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady VI manaraka ny Trinite 29 Jolay – 03 Aogositra 2019 “Tandremo ny didin’Andriamanitra”

Fitarihan-kevitra: Ny fitandremana ny didin’Andriamanitra no mampiseho ny fitiavana an’Andriamanitra. Izany dia araka ny tenin’i’ Jesosy manao hoe: ”Raha tia Ahy hianareo dia hitandrina ny didiko” Jao.14:15. Ho an’izay tia an’Andriamanitra, dia fifaliany indrindra, fa tsy zioga tsy ataony ho tsy antonona azy, ny mitandrina ny didin’Andriamanitra. Hoy Jaona Apostoly manantitra izany manao hoe: ”Fa … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady V manaraka ny Trinite 22-27 Jolay 2019 “Tompo Andriamanitra” *

Fitarihan-kevitra: Ny foto-kevibe fonosin’ny lohateny eto manao hoe ”Tompo Andriamanitra” dia midika avy hatrany hoe: ”Fantaro sy ekeo ny maha- Tompo an’Andriamanitra” eny, ”ny maha-TompoTokana Azy”. Fa voalazan’ny didy voalohany ao amin’ny Didy Folo izay nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy hoe: ”Aza manana Andriamani-kafa, fa Izaho ihany” Eks.20:3. Ary amin’izany dia manantena indrindra ny Tompo fa … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady IV manaraka ny Trinite 15-20 Jolay 2019 “Ny fankasitrahan’Andriamanitra”

Fitarihan-kevitra: Zava-dehibe amin’ny olombelona ny mahazo ny ”fankasitrahan’Andriamanitra”. Ny hevitr’izany dia fanamarinana azy, ny famaliana soa ny asa tsara nataony, toy ny nitenenan’ity tompo ny mpanompony manao hoe: ”Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky* tamin’ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ny fifalian’ny tomponao” Mat.25:21. Mifanjohy amin’izany ny fanambarana nataon’i … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady III manaraka ny Trinite 08-13 Jolay 2019 “Andriamanitra mamindra fo”

Fitarihan-kevitra: Ny hoe ”Andriamanitra mamindra fo” dia manambara ny fitiavany indrindra ny olombelona mpanota ka anaovany izay azony rehetra atao mba tsy hahavery azy, fa hahavonjy azy, ary mba tsy hahafaty azy, fa hahavelona azy. Dia miala nenina aminy izy ka tsy tehanatsoaka ny fanekena nataony taminy na koa ny faminframpo nomeny azy. Fa efa … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady II manaraka ny Trinite 01-06 Jolay 2019 “Andriamanitra manasa ny olona”

Fitarihan-kevitra: Ny hoe ”Andriamanitra manasa ny olona” dia maneho indrindra ny fitiavany azy tsy ho irery na ho very (Lio.19:10). Ny foto-kevitra iorenan’ny fiantsoany dia ”Izy ho eo amin’ny olona, ary ny olona hitoetra eo Aminy”, araka ny tenin’i Jesosy manao hoe: ”izay itoerako no hitoeranareo koa” Jao.14:3b. Koa dia miantso sy mitaona ary mitarika … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady I manaraka ny Trinite 24-29 Jona 2019 “Andriamanitra mamaly”

Fitarihan-kevitra: Andriamanitra mamaly, satria Azy ny famaliana. Hoy ny teniny: ”Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah – Deo.32:35” Rom.12:19b. Izy tokoa no mamaly, satria Mpitsara Marina Izy, ary mamaly na ny soa na ny ratsy mety ataon’ny olona. Fa tsy misy takona izay tsy ho hita eo imasony ny ataontsika sy ny fiainantsika … [Read more…]

Alahadin’ny Trinite 17-22 Jona 2019 “Ny fiainam-baovao”

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahadin’ny Trinite 17-22 Jona 2019 “Ny fiainam-baovao” * Fitarihan-kevitra: Alahadin’ny Trinite, feno ny fanehoana an’Andriamanitra, dia ny Ray, sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina. Fa Andriamanitra fitiavana no anton’ny zavatra rehetra (Jak.1:17), Jesosy Kristy Teny tonga nofo (Jao.1:14) no nomena ho fanavatona antsika (Efes.1:7), ary ny Fanahy Masina … [Read more…]

Alahady Pentekosta I & II 10-15 Jona 2019 “Tonga ny Pentekosta”

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady Pentekosta I & II 10-15 Jona 2019 “Tonga ny Pentekosta” * Fitarihan-kevitra: Andro Pentekosa: tonga ny fotoana ahatanterahan’ny teny fikasana nomen’ny Ray. Fa hoy Jesosy ”Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ny hery avy any amin’ny avo” Lio.24:49. … [Read more…]

Alahady fiomanana ho amin’ny Pentekosta 03-08 Jona 2019 “Miomàna handray ny Fanahy Masina”

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady fiomanana ho amin’ny Pentekosta 03-08 Jona 2019 “Miomàna handray ny Fanahy Masina” * Fitarihan-kevitra: Fanomezan’Andriamanitra sarobidy indrindra ny Fanahy Masina, dia ny Tompo eto amintsika (2 Kor.3:17) ary ato amintsika (Jao.14:17b). Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny mino dia ny hanova azy ho zanak’Andriamanitra mandova ny fanjakany (Rom.8:17), … [Read more…]

Alahady V manaraka ny Paska 27 Mey – 01 Jona 2019 “Mahereza mivavaka”

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady V manaraka ny Paska 27 Mey – 01 Jona 2019 “Mahereza mivavaka” * Ny hoe ”Mahereza mivavaka” dia midika hoe: ”Mazotoa, ary mitandrema tsy ho tra-pahalainana na fahakiviana, fa misikìna ka mivavaha”. Ny vavaka no nanovozan’ny mino sy ny olon’Andriamanitra rehetra ny heriny, ny fanavaozana ny sainy, ny … [Read more…]